Kônsily ekiomenika: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Pejy momba ny tantaran'ny fiangonana kristiana
 
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Andalana faha-1:
Ny '''konsily ekiomenika''' dia fivorin'ny eveka sy ny manampahefana ara-pivavahana rehetra ao amin'ny Fiangonana kristiana. Rehefa nisaratsaraka anefa ny Fiangonana kristiana nandritra ny tantaran'ny kristianisma dia nanohy nampiasa ny teny hoe ''konsily'' ny Fiangonana katolika na dia tsy nahafaoka ny Fiangonana kristiana manontolo izany fivoriana izany. Ny Ortodoksa, ohatra, dia tsy manaiky ny fahefan'ny konsily ankoatr'ireo enina voalohany, nefa ny Katolika dia manaiky ny konsily ekiomenika efatra ambin'ny folo tamin'ny taonarivo faharoa, izany hoe konsily ekiomenika miisa 21. Ny farany amin'ireo konsily ireo dia ny Konsily Vatikàna II izay novorina tamin'ny taona 1962 tatramin'ny taona 1965. Matetika ny mpitondra fanjakana tamin'ireo taonjato nifandimby no nampanao konsily fa ankehitriny kosa dia tsy miditra amin'izany ny fanjakana fa raharaha manokan'ny fivavahana izany.
 
== Ny konsily ekiomenika efatra voalohany ==
Matetika ny mpitondra fanjakana tamin'ireo taonjato nifandimby no nampanao konsily fa ankehitriny kosa dia tsy miditra amin'izany ny fanjakana fa raharaha manokan'ny fivavahana izany.
Ireto konsily efatra ireto dia eken'ny Fiangonana katolika sy ny Fiangonana ortodoksa ary ny ankamaroan'ny Fiangonana protestanta.
 
=== Ny Konsily voalohany tao Nikea (taona 325) ===
Ny Konsily voalohany tao Nikea dia natao tamin'ny taona 325 ka ny emperora Konstantino no nampiantso azy. Io no konsily voalohany. Izany dia natao mba handraiketana ny maha Andriamanitra an'i Jesosy Kristy ka hanoherana ny fampianaran'i Ariosy ([[Arianisma (teolojia)|arianisma]]) izay noheverina ho fampianaran-diso tamin'izay. Tapaka fa mitovy fomba (''homoousia'') amin'ny [[Andriamanitra Ray|Ray]] ny [[Andriamanitra Zanaka|Zanaka]] amin'ny maha [[Andriamanitra (tokana)|Andriamanitra]] ny Ray sy ny Zanaka. Navoaka ny [[Fanekem-pinoana nikeana]].
 
=== Ny Konsily voalohany tao Konstantinopoly (taona 381) ===
Nanamafisana ny zavatra tapaka tao amin'ny Kosilin'i Nikea ny Konsily voalohany tao Konstatinopoly izay nanalavana ny Fanekem-pinoana nikenana ka lasa [[Fanekem-pinoana nikeana|Fanekem-pinoan'i Nikea sy Konstantinopoly]]. Io no konsily faharoa. Tapaka fa Andriamanitra koa ny [[Fanahy Masina]]. Tsy nandray anjara tamin'io ny [[Fiangonana Latina|Fiangonana latina]].
 
=== Ny Konsily tao Efeso (taona 431) ===
Ny Konsily tao Efeso (na Efesosy na Efezy) dia nanapahana ny maha [[Renin'Andriamanitra]] (gr.: ''Theotokos'') an'i [[Maria (renin'i Jesoa)|Maria]]. Iono konsily fahatelo. Nivoaka noho izany ny Fanekem-pinoan'i Efezy. Tsy eken'ny Protestanta ny fiantsoana an'i Maria ho Renin'Andriamanitra. Nitsipahana ny [[nestorianisma]] koa izany.
 
=== Ny Konsily tao Kalkedona (taona 451) ===
Ny Konsily tao Kalkedona no nanambaràna ny fananan'i Jesosy fomba (na natiotra) roa, dia natioran'Andriamanitra sy natioran'olombelona. Io no konsily fahefatra. Izany konsily izany no nanoherana an'i Eotikesy, izay nampianatra fa nifangaro ka tsy azo avahana ao amin'ny natioran'Andriamanitra ny natioran'olombelona ao amin'i Kristy. Heverin'ny tao amin'ny konsily ho fampianaran-diso izany fampianarana izany izay nataony hoe ''[[monofizisma]]''.
 
== Ireo konsily efatra manaraka ==
 
=== Ny Konsily faharoa tao Konstantinopoly (taona 553) ===
Nanamafisana ny fananan'i Kristy natiora roa ny Konsily faharoa tao Konstantinopoly ka nambara fa sady olona no Andriamanitra i Kristy. Io no konsily fahatelo. Nohelohina ny asa soratra manohana ny [[nestorianisma]].
 
=== Ny Konsily fahatelo tao Konstantinopoly (taona 680 sy 681) ===
Nambara tamin'ny Konsily fahatelo tao Konstantinopoly fa manana sitrapo roa i Kristy amin'ny maha olombelona sy Andriamanitra azy, dia sitrapon'olombelona sy sitrapon'Andriamanitra. Io no konsily fahenina. Nohelohina noho izany ilay atao hoe ''[[Mônôtelisma|monotelisma]]''.
 
=== Ny Konsily faharoa tao Nikea (taona 787) ===
Ny Konsily faharoa tao Nikea dia natao mba hanamelohana ny fanimbana sary masina izay nomena ny anarana hoe ''ikonoklasma''. Io no konsily fahafito. Ny mpomba ny fanimbana ny sary masina dia nilaza fa mifanohitra amin'ny fivavahana kristiana marina ny fampiasana sary hanehoana an'i Kristy sy i [[Maria (renin'i Jesoa)|Maria]] sy ireo olomasina hafa. Nandresy tamin'izany konsily izany ny mpomba ny fampiasana ny sary masina (atao hoe ''ikonodola''). Nekena ny fanajana ny sary masina.
 
=== Ny Konsily fahefatra tao Konstantinopoly (taona 869 sy 870) ===
Ny Konsily fahefatra tao Konstantipopoly no nampisaraka ny Fiangonan'i Roma sy ny [[Fiangonana ortodoksa tandrefana|Fiangonan'i Konstantinopoly]]. Io no konsily fahavalo. Notapahana fa ny Lovantsofina na Lovampinoana dia isan'ny fitsipiky ny finoana koa manampy ny [[Soratra Masina|Soratra masina]]. Nohelohina ny fiheverana ny olona ho fitambaran-javatra telo, dia ny vatana sy ny fanahy-aina ary ny fanahy; ary nohamafisina ny fiheverana ny olombelona ho fitambaran-javatra roa, dia ny vatana sy ny fanahy-aina.
 
Nataon'ny Fiangonana tandrefana hoe mivoaka amin'ny Ray sy ny Zanaka ny [[Fanahy Masina|Fanahy masina]]: izany no atao amin'ny teny latina hoe ''Filioque''("sy ny Zanaka"). Tsy neken'ny Fiangonana ortodoksa izany konsily izany. Nitsipaka ny fanovanana ny hoe ''Filioque'' amin'ny [[Fanekem-pinoana nikeana]] izany konsily izany. Ny Fiangonan'i Roma dia nino fa mivoaka amin'ny Ray sy ny Zanaka ny [[Fanahy Masina]] fa ny Fiangonan'i Konstantinopoly kosa tsy nanaiky an'izany fa nanamafy ny fivoahan'ny Fanahy Masina amin'ny Ray irery ihany.