Filazantsara: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Andalana faha-1:
Ny '''Filazantsara''' na '''Evanjely''' na '''Vaovao Mahafaly''' dia fitambaran'ny boky efatra ([[Filazantsara araka an'i Matio|Matio]], [[Filazantsara araka an'i Marka|Marka]], [[Filazantsara araka an'i Lioka|Lioka]], [[Filazantsara araka an'i Jaona|Jaona]] (na Joany)) hita ao amin'ny [[Testamenta Vaovao]] ao amin'ny [[Baiboly]], natokana hizaràna amin'ny olona rehetra ny momba ny [[Fanjakan'Andriamanitra]] sy i [[Jesosy|Jesoa Kristy]]. Ny [[Kristianina|Kristiana]] dia mamaky sy mihaino ny Filazantsara satria mino fa hahazo fanampiana amin'ny fiainany manontolo ary hifandray amin'ny Mpahary sy ny voary. Atao hoe [[Evanjelista]] na Evanjelistra ny mpanoratra ny Filazantsara. Amin'ny heviny mivelatra dia ilazana ny [[Testamenta Vaovao]] ihany koa ny teny hoe ''filazantsara'' na v''aovao mahafaly''.
 
== Fiforonan-teny ==
Ny teny hoe ''filazantsara'' na ''vaovao mahafaly'' dia teny enti-mandika ny [[Fiteny grika|teny grika]] hoe ''εὐαγγέλιον'' / ''euangélion'' izay midika hoe "vaovao tsara", "vaovao mahafaly". Ny hoe ''evanjely'', izay fampiasan'ny [[Eglizy Katolika Apostolika Romana (Madagasikara)|Eglizy katolika romana eto Madagasikara]] matetika, dia fanagasiana avy hatrany io teny grika io. Vaovao mahafaly ho an'ny Kristiana satria "Tenin'Andriamanitra", manambara ny [[fanavotana]] an'izay mibebaka amin'ny [[Fahotana|fahotany]] sy mino an'i Jesoa Kristy ho zanak'Andriamanitra.
 
== Ireo filazantsara na evanjely kanonika ==
Maro ny filazantsara na evanjely, nefa ny efatra amin'ireo ihany no noraisin'ny Kristiana ho boky mendrika ny ho hita ao amin'ny [[Baiboly]], ny hafa rehetra, izay tsy voaray, dia atao hoe [[Apokrifan'ny Baiboly|apokrifa]]. Ny Filazantsara efatra dia tsy afangaro amin'ireo boky ao amin'ny [[Testamenta Vaovao]] toy ny ''[[Asan'ny Apostoly]]'', ireo [[Epistily]] ary ny ''[[Apokalypsin'i Jaona|Apokalipsin'i Jaona]]'' (na ''Apokalipsan'i Masindahy Joany'').
 
=== Fanasokajiana ny evanjely kanonika ===
Misokajy roa ny Filazantsara, dia ireo [[Filazantsara synoptika|Filazantsara sinoptika]] (na Vaovao Mahafaly sinoptika) sy ny [[Filazantsara araka an'i Jaona]] (na Vaovao Mahafaly nosoratan'i Masindahy Joany).
 
Telo ireo Filazantsara synoptikasinoptika, dia ny ''[[Filazantsara araka an'i Matio]]'' (na ''Filazantsaran'i Matio'') sy ny ''[[Filazantsara araka an'i Marka]]'' (na ''Filazantsaran'i Marka'') ary ny ''[[Filazantsara araka an'i Lioka]]'' (na ''Filazantsaran'i Lioka'').
 
=== Vontoatiny ===
Mitantara ny fiainan'i Jesoa Kristy, mampita ny asa sy ny fampianarana nataony, mitatitra ny fahafatesany sy ny [[Fitsanganan'i Jesosy ho velona|fitsanganany]] indray, ary milaza ny mbola hiverenany handray ireo mino Azy, ary manambara ny amin'ny Fanjakan' Adriamanitra ny Filazantsara efatra.
 
=== Famintinana ny Filazantsara efatra ===