Sola gratia: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Tsipelina
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
 
Andalana faha-1:
Ny andian-[[Fiteny latina|teny latina]] hoe '''''Sola gratia''''', izay midika hoe "amin'ny alalan'ny fahasoavana irery", dia enti-manondro ny ainga fototra kristiana izay milaza fa ny [[Famonjena (finoana)|famonjena]] ny fanahin'ny olombelona dia amin'ny alalan'ny fahasoavana irery ihany, izany hoe amin'ny alalan'ny sitrapon'Andriamanitra irery ihany. Ny teolojiana [[Fiteny malagasy|miteny malagasy]] dia mandika an'io andian-teny latina io hoe "'''Fahasoavana irery ihany'''".
 
Tsy mendrika ny famonjena azony avy amin' [[Andriamanitra (tokana)|Andriamanitra]] ny olombelona, nefa nomen'Andriamanitra azy maimaimpoana amim-pitiavana izany. Izany koa no mahatonga ny olona ho afaka mitia. Ny maha izy azy ny olona iray eo anatrehan'Andriamanitra dia tsy miankina amin'ny fitiavany an'Andriamanitra na noho ny toetra tsara ananany na ny fahamendrehany na ny toerany eo amin'ny fiarahamonina.
 
Ity foto-pampianarana ity dia nipoitra avy amin'ny hevitr'i [[Aogostino avy any Hipo|Aogostino]] ny amin'ny famonjena ny fanahin'ny olombelona, famonjena izay tsy afaka ho avy tokoa raha tsy amin'ny fanapahan-kevitr'Andriamanitra, satria Andriamanitra dia mahefa ny zava-drehetra sy mahalala ny zava-drehetra.
 
Niezaka ny tsy hanala tao amin'ny teolojiany ny fahafahan'ny olombelona izay miseho amin'ny alalan'ny finoana sy ny asa anefa i Aogostino <ref><small>Louis Cognet, ''Le jansénisme'', Que sais-je ?, p. 8.</small></ref>na dia mihena dia mihena kely ny fahafahan'ny olombelona misafidy noho ny [[Fahotana|fahotan]]'i [[Adama (Baiboly)|Adama]].
 
Nambaran'ny [[Katolisisma|Fiangonana katolika]] tamin'ny Konsily faharoa tao Orange tao Frantsa tamin'ny taona 529 io ainga fototra io izay nanameloka koa ny petrakevitry ny [[Predestinasiona|fanendrena rahateo]] ny ho voavonjy sy ny tsy ho voavonjy. Ao amin'ny [[protestantisma]] dia iray amin'ireo andian-teny fototra dimy manomboka amin'ny hoe ''Sola'' ny Sola gratia.
 
== Ny fahasoavana ao amin'ny kristianisma ==
Andalana faha-15:
 
== Ny ''Sola gratia'' ao amin'ny protestantisma ==
Izany fanambaràna izany dia midika fa ny olombelona dia tsy voavonjy amin'ny alalan'ny asany, na ara-pitondrantena izany na amin'ny fitiavam-bavaka. I [[Martin Lotera|Lotera]] dia naniry ny hanorina fifandraisana misy fitokisana amin'Andriamanitra fa tsy fifandraisana miorina amin'ny fatahorana sy ny fahamelohana intsony. Ny [[fanasan'ny Tompo]] ([[eokaristia]]) izay ankalazaina isaky ny fanomoamfanompoam-pivavahana ahitana toriteny dia mampahatsiahy antsika fa Andriamanitra dia fitiavana amin'izao fotoana izao no azo tsapain-tanana ao amin'ny asa azo tsapain-tanana nataon'ny [[Zanak'Andriamanitra|Zanany]] izay nanolo-tena hamonjena ny olombelona.
 
== Jereo koa ==