Zedekia: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
Rohy
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Andalana faha-1:
I '''[[Zedekia]]''' na [[Zedekia|'''Sedekiasa''']] dia mpanjakan'i Jodà nanapaka teo anelanelan'ny taona 597 sy 587 tal J.K. Izy no mpanjaka farany tao amin'ny [[Fanjakan'i Jodà]]. Niara-belona taminy ny mpaminany [[Jeremia (mpaminany)|Jeremia]] sy [[Zakaria mpaminany|Zakaria]]. Tamin'ny androny no nandravàna an'i Jerosalema sy ny [[Tempolin'i Jerosalema|Tempoly]] ary nanaovana [[Fahababoana tany Babilona|sesitany]] ny mponina tao Jodà. Zanaky ny mpanjaka [[Josia (mpanjakan'i Jodà)|Josia]] (na Josiasa) tamin'i Hamotala (zanaka vavin'i Jeremia avy any Libna) i Zedekia sady zandrin'i Eliakima (ny mpanjaka [[Joiakima]] na Joakima) sy Joahaza (2Mpaj. 23.31; Jer. 24.17-18). Resahina ao amin'ny [[Boky faharoan'ny Mpanjaka]] sy ny [[Bokin'i Jeremia]] ny tantaran'ny fanjakan'i Zedekia.
 
== Ny anarany ==
I Matania (hebreo: ''MattanyahouMattanyahu''; grika: ''Mathanias'')<ref name=":0"><small>''Histoire visuelle de la Bible'', National Geographic, Les Nouveaux Essentiels, octobre 2013, 512 <abbr>p.</abbr>(<nowiki>ISBN 9782822900331</nowiki>)</small></ref> no anarany talohan'ny naha mpanjaka azy. Ao amin'ny [[Tanakh]] (Baiboly jiosy amin'ny [[Fiteny hebreo|teny hebreo]]) dia atao hoe צִדְקִיָּהוּ / ''Şidhqiyyâhû'' (raha tsorina: ''Tsidkiyâhû'') izy. Ao amin'ny [[Septoaginta|Septoajinta]] (Baiboly jiosy amin'ny [[Fiteny grika|teny grika]]) kosa izy dia atao hoe ''ζεδεκιας'' / ''Zedekias'' fa ao amin'ny [[Volgata]] (Baiboly amin'ny [[Fiteny latina|teny latina]]) izy dia atao hoe ''Sedecias''.
 
== Ny loza nahazo an'i Zedekia ==
[[Sary:102.Zedekiah's Sons Are Slaughtered before His Eyes.jpg|vignette|250x250px|''Novonoina teo imason'i Zedekia ireo zanany'', nataon'i Gustave Doré, taona 1866.]]
Natoky ny fanampian'i Egipta i Zedekia ka nikomy tamin'ny mpanjakan'i [[Babilona]] (i [[Nebokadnetsara II|Nebokadnetsara]]). Nitondra tafika ka nanao fahirano an'i Jerosalema ny Babiloniana nandritra ny roa taona ka naharodana ny tanàna tamin'ny taona 587 tal .J.K. Voasambotra i Zedekia (2Mpaj. 25.6, Jer. 52.9) ary novonoina teo imasony ireo zanany lahy (2Mpaj. 25.7; Jer. 52.10) alohan'ny nanapotsirana ny masony (2Mpaj. 25.7; Jer. 52.11).
 
Tsy novonoina ireo zanany vavy fa nampitondraina ilay governora joditajodaita notendren'i Nebokadnetsara atao hoe Gedalia (Jer. 41.10) nefa novonoin'i Ismaela izay isan'ny fianakavian'ny mpanjaka i Gedalia (2Mpaj. 25.25; Jer. 41.1) tao Mizpa (na Mitspa) (2Mpaj. 25.25; Jer. 41.2) sady nosamboriny ireo zanaka vavin'i Zedekia ka nentiny tany amin'ny tanin'ny [[Amona (fanjakana)|Amona]] (Jer. 41.10). Nanenjika an'i Ismaela i Johanana ka nahatratra azy tao Gibeona (Jer. 41.12) sady nanafaka ny zanaka vavin'i Zedekia, dia nitondra azy ireo tao amin'ny toeram-piafenana tao akaikin'i Betela (Jer. 41.17) avy eo nitondra azy ireo ho any amin'ireo [[Jiosy]] monina any Egipta (Jer. 43.7).
 
Nodorana ny [[Tempolin'i Jerosalema]] sy ny lapan'ny mpanjaka ary nobaboina ny fananana tao aminy sady narodana ny mandan'ny tanàna<ref name=":0" />. Natao [[Fahababoana tany Babilona|sesitany tany Babilona]] i Zedekia niaraka amin'ny mponin'i Jerosalema izay tsy afa-nandositra. Maty am-ponja tany Babilona i Zedekia (Jer. 52,11).
 
== Jereo koa: ==