Fiteny grika: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
Nanao fanitsiana tsipelina
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy sns
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Andalana faha-10:
}}
 
Ny '''fiteny grika''' dia [[Fiteny indô-eoropeanina|fiteny indo-eoropeanina]]. Izy no fiteny ofisialy ao [[Grisy]] sy [[Kipra]]. Ny toerana nitenenana io fiteny io voalohany dia tao Grisy sy tao amin’ny amorontsirakmorontsirak'i [[Azia Minora]], ary tao amin’ny faritra atsimon’i [[Italia]]. Nisy fotoana nampiasana ny fiteny grika ihany koa tao [[Azia Andrefana]] sy tao [[Afrika Avaratra]]. Ny anaran’ny fiteny grika amin’ny teny grika dia ''Ελληνικά'' (elliniká).
 
Mampiasa ny [[abidy grika]] ny Grika rehefa manoratra ny teniny. Avy amin’ny abidy grika ny [[abidy latina]] izay anoratana ny [[Fiteny malagasy|teny malagasy]] sy ny [[Fiteny frantsay|teny frantsay]] ary ny ankamaroan’ny teny eoropeanina tandrefana. [[Abidy]] hafa maro ihany koa no avy amin’ny abidy grika toy ny [[abidy sirilika]]. Io abidy grika io kosa dia avy amin’ny [[abidy fenisianina]].
 
Ny fiteny grika dia manana tantara an-tsoratra tsy tapaka nandritry ny telo arivo taona. Izany dia maharitra kokoa noho ny teny indo-eoropeana tenenina ankehitriny. Mizara telo toko izany tantara izany: [[Fiteny grika taloha|grika taloha]], [[Giteny grika tamin'ny Andro Antenantenany|grika tamin'ny Andro Antenantenany]], ary ny [[Fiteny grika ankehitriny|grika ankehitriny]]. Ny grikan'ny taonafotoana anelanelan’ny taona 330 sy 1453 dia antsoina hoe grika tamin’ny Andro Antenantenany izay nanjakan’i [[Empira Bizantina]].
 
Ankehitriny dia eo amin’ny 15 tapitrisa eo ho eo no olona miteny grika. Ao Grisy sy [[Kiprosy|Kipra]] (na [[Kiprosy]]) no misy ny ankamaroan’izy ireo. Misy ihany koa ny olona miteny grika any amin’ny firenena maro. Ny anton’izany dia ny fifindra-monin’ireo mpiteny grika. Maro dia maro ireo Grika lasa nifindra monina tany [[Aostralia]].
 
== Jereo koa ==
* [[Fiteny indô-eoropeanina|Fiteny indo-eoropeanina]]
* [[Abidy grika]]