Doalisma (finoana): Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Pejy momba ny fivavahana
 
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Andalana faha-1:
Ny '''doalisma''' dia foto-pampianaram-pivavahana izay milaza ny fiaraha-misin'ny foto-javatra roa maharitra izay nipoiran'ny tsara sy ny ratsy. Mampifanohitra foto-javatra na [[Andriamanitra (anarana iombonana)|andriamanitra]] roa na antokon'andriamanitra na antokom-panahy roa ny fivavahana doalista ka ny voalohany ipoiran'ny tsara fa ny faharoa kosa ipoiran'ny ratsy. Any am-parany anefa dia mino ny mpivavaka doalista fa horesin'ny fototry ny tsara ny fototry ny ratsy.
 
Ny [[mazdeisma]], izay nipoiran'ny [[zoroastrisma]], dia mampifanohitra andriamanitra roa, dia i [[Ahura Mazda]] sy i [[Angra Mainyu]] na Ahriman. Ho an'ny fivavahana zoroastriana, izay doalista nefa manam-pirehana [[Monoteisma|monoteista]], dia i Ahura Mazda irery no hany [[Andriamanitra (tokana)|Andriamanitra]] fa i Ahriman na Angra Mainyu kosa tsy andriamanitra fa fanahy ratsy. Ny [[zervanisma]] dia mampifanohitra ny kambana, dia i Ahura Mazda sy i Angra Mainyu, nefa ambonin'ireo i Zurvana (na ny Fotoana) izay ray niteraka azy ireo. Ny [[manikeisma]], izay mampifanohitra ny tsara sy ny ratsy mandrakizay, dia doalista koa. Teo amin'ny tantaran'ny [[fivavahana kristiana]] dia doalista ny [[bogomilisma]], ny [[katarisma]], ny [[gnostisisma]], ny marsionisma[[markionisma]] ary ny [[paolisianisma]].
 
== Jereo koa: ==