Antiôkia: Fahasamihafan'ny versiona
Contenu supprimé Contenu ajouté
k Tsipelina |
k Rohy Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday |
||
Andalana faha-1:
I '''[[Antiokia]]''' dia tanàna manan-tantara miorina eo amoron'ny renirano Oronta akaikin'ny tanànan'i Antakya ao [[Torkia]]. Tamin'ny andron'ireo [[Apostoly roa ambin'ny folo|Apostoly]] sy taoriany dia lasa ivon-toeran'ny [[Kristianisma|fivavahana kristiana]] tany ivelan'i [[Palestina]] ilay tanàna. Ao no niaingan'ny fitondrana landy. Nanomboka tamin'ny taonjato faha-6 dia maro ireo firenena nifandimby namabo an'i Antiokia:
* babon'ny [[Persia|Persiana]] izy tamin'ny taona 540 taor. J.K.;
* azon'ny [[Arabo (olona)|Arabo]] tamin'ny taona 636;
* tamin'ny taona 969 dia ny Bizantina no nanjaka taminy;
* ny Torka Seljokida no nandimby an'ireo tamin'ny taona 1084;
* tonga tao ka naka azy koa ireo Kristiana nanao [[Kroazada]] tamin'ny taona 1098;
* avy eo ireo Mamelòka tamin'ny taona 1268.
Nisy ady sy horohoron-tany nandritra
== Tantarany ==
=== I Antiokia tamin'ny andron'ny Seleokida ===
Naorin'i Seleokosy I Nikatora tamin'ny taona 300 tal. J.K. i Antiokia. I Seleokos I no nandimby an'i [[Aleksandra Lehibe]]. Natao hoe ''Antiokia'' ny anaran'ilay tanàna ho fahatsiarovana sy ho fanomezam-boninahira an'i Antiokosy sady lasa renivohitr'i Siria tao amin'ny Empira seleokida. ''Ἀντιόχεια'' / ''Antiokheia'' ("tananan'i Antiokosy") no fiantsoana azy amin'ny [[Fiteny grika|teny grika]].
Eo amin'ny fihaonan'ny lalana falehan'
Ny Grika sy ny Siriana no mponina maro an'isa ao Antiokia nefa ahitana [[Jiosy
=== I Antiokia tamin'ny andron'ny Romana ===
Babon'ny Romana i Antiokia tamin'ny taona 64 tal. J.K. ka nanamboarany tempoly sy lapa ary toeram-pilalaovana tantara an-tsehatra
Taorian'ny fahazoa'i Pompey an'i Antiokia tamin'ny taona 64 taor. J.K. dia lasa renivohitry ny faritanin'i Siria io tanàna io. Natao hoe "Satroboninahitry ny Tany Antsinanana" i Antiokia. Tamin'ny nitondran'i Tiberio dia nisy mponina eo amin'ny 500 000 i Antiokia sady lasa tanan-dehibe fahatelo teo amin'ny Empira romana aorian'i Roma sy i Aleksandria.
Maro ireo emperora nifandimby izay nanamboatra toera-masina sy tempoly ho an'ny andriamaniny, ao koa ireo nanamboatra toeram-piandroana rano mafana, ny nanamboatra lalana anaty tanàna, sary vongana ho an'ireo andriamaniny, lapa sns. tao Antiokia. Matetika i Antiokia no lasa toeram-ponenana
Niadian'ny [[Persia|Persiana]] sy ny Romana i Antiokia teo anelanelan'ny taona 252 sy 540 ka indraindray lasan'ny Persiana indrainjdray miverina amin'y Romana. Tamin'ny nahazoan'ny Persiana an'i Antiokia dia nasesitany tany [[Iràna]] ny ankabetsahan'ny mponina tao.
=== I Antiokia kristiana ===
Tamin'ny andron'ireo [[Apostoly roa ambin'ny folo|Apostoly]] dia nitoriana ny [[Vaovao Mahafaly]]
I Antiokia, izay tsy tokony hafangaro amin'i Antiokia any Pisidia, dia lasa
Tao Antiokia no nitoeran'ireo patriarka kristiana tany Atsinanana izay nilaza fa nandova an'i [[Petera]] izay voalazan'ny [[lovantsofina]] fa [[eveka]] voalohan'io tanàna io.
Araka ny tantara taty ariana, atao hoe ''Legenda aurea'' ("''Ny Angano volamena''"), dia lasa eveka voalohan'i Antiokia ny apostoly Petera rehefa avy nanova ho kristiana ny andriandahy nitondra tao. Tamin'ny fiantombohan'ny taonjato faha-2 dia voalamina tsara ny fiangonan'i Antiokia ka i [[Ignatio avy any Antiokia|Ignatio]] (na [[Ignasy avy any Antiokia|Ignasy]]) no evekany nanomboka tamin'ny taona 69 taor. J.K.
Tokony ho tamin'ny taona 270 dia nizara ny Kristiana tao Antiokia ka ny sasany nomba an'i Paoly avy any Samosata izay mandà ny maha Andriamanitra an'i Kristy sady mampianatra fa olona nirahin'Andriamanitra fotsiny izy; fa
Nihanihen-daza i Antiokia teo amin'ny lafiny fivavahana kristiana rehefa nihanandroso i [[Konstantinopoly]] sy natsangana ho patriarkata i Jerosalema. Lasa lefy hery ny fiangonan'i Antiokia vokatr'ireo "[[fampianaran-diso]]" toy ny [[Arianisma (teolojia)|arianisma]] sy ny [[nestorianisma]] ary ny [[monofizitisma]].
Tamin'ny taonjato faha-4 sy faha-5 dia nisy sekoly teolojika izay nandray anjara tamin'ny fifandirana teolojika tamin'izany fotoana izany izay nanohana ny tokony handraisana ara-bakiteny ny zavatra voasoratra ao amin'ny [[Biboly]]. Nalaza tamin'izany i Diodora avy any Tarsy, i Teodoro avy any Mopsoestia (atao hoe koa Teodoro avy any Antiokia), i Teodoreto avy any Kiro ary indrindra i Joany Krisostomo. Nanohitra indrindra ny sekolin'i Aleksandria izay nanohana ny fandraisana an-tsarinteny (alegorika) ny [[Soratra Masina]] izany.
=== Andro Antenantenany ===
Nisy horohorontany nadrava ny tanàna tamin'ny taona 526, ka olona miisa 250 000 no tra-pahavoazana tamin'izany, avy eo babon'ny
Azon'ny Persiana sasanida tamin'ny taona 614 i Antiokia avy eo azon'i Heraklio indray nefa nalain'ny Arabo tamin'y taona 638 nandritra ny naha kalifa an'i Omar. Lasa tanana bizantina indray i Antiokia tamin'ny taona 966 tamin'ny nahazoan'i Nikeforo II Fokasy azy. Avy tao amin'io tanàna io ny emperora bizantina Konstantino Monomako (na Konstantino IX).
Tokony ho taonjato iray taty aoriana, tamin'ny taona 1084 dia lasan'ny Torka seljokida ny tanàna.
Azon'ireo Kristiana nanao [[kroazada]] i Antiokia tamin'ny taona 1098 rehefa avy natao fahirano nandritra ny valo volana. Taorian'ny fandresen'i Saladin tamin'ny ady tao Hattin tamin'ny taona 1187. Azon'ilay soltana mamelòka atao hoe Baybars ny tanàna tamin'ny taona 1268 ka tapitra tamin'izay ny fisian'ny kristianisma tao Siria.
=== Andro Vaovao ===
Azon'ny Torka i Antiokia tamin'ny taona 1489 ka nasiany tobi-milisy (torka: ''Yeniçeri''). Lasa tanana mitokana i Antiokia ka tsy nandalovan'ny lalana fivezivezen'ny varotra mankany Alepo (fr.: ''Alep''; angl: ''Aleppo''; arabo: ''Ḥalab''), tanàna any Siria. Ireo sambo avy any Eoropa dia mampidina entana ao Aleksandreta na Iskenderona (torka: ''İskenderun'') tamin'ny taonjato faha-17. Ny entam-barotra dia nandray ny lalana makany Alepo izay ahitana solontena eoropeana ka isan'izany ny an'i Frantsa nanomboka tamin'ny nanjakan'i François I. Tsy ao Antiokia intsony no nanaovana ny raharaham-barotra fa any an-kafa.
Tamin'ny taona 1832 dia nalain'i Ibrahim Pacha tamin'ny anaran'ny rainy Muhammad Ali (fr.: ''Mehemet'' ''Ali''), lefitry ny mpanjakan'i Ejipta, i Antiokia. Naverina tamin'ny Torka i Antiokia nandritra ny "filaminan'i Kotahia" (Kütahya) nanomboka tamin'ny taona 1833. Ahitana vahoaka sy foko isan-karazany ao Antiokia. Ny ankamaroany dia Siriana, mihabetsaka koa ireo voanjo torka, ahitana vahoaka kristiana betsaka koa ao, indrindra
Izany fahasamihafan'ny foko misy ao izany dia niteraka fifandrafian'ny mponina tao Antiokia tamin'ny fanombohan'ny taonjato faha-20. Nisafidy ny hanohitra tamin'ny fampiasana fitaovam-piadiana ny Armeniana izay niharan'ny fanenjehana tamin'ny taona 1915 ka nihataka teny amin'i Mosa Dagh ("Tendrombohitr'i Mosesy"), eo anelanelan'ny tanànan'i Antiokia sy ny ranomasina, ary notaterin'ny tafika an-dranomasina frantsay efa tamin'ny fotoana farany hiala avy ao.
|