Sadoseo: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Andalana faha-1:
Ny '''[[Sadoseo]]''' dia ireo mpikambana amin'ny antoko iray amin'ny efatra lehibe amin'ny firehan'ny [[fivavahana jiosy]] tamin'ny [[Andro Taloha]] tao [[Jodea]] tamin'ny taonjato faha-2 tal. J.K. sy taonjato voalohany taor. J.K. Tsy inoany ny [[fitsanganan-ko velona]]. Tsy ekeny koa ny lovatsofin'ny [[Fariseo]] izay maneho fomba fijery ntaolo kokoa ny lalàna sy ny fivavahana.
 
== Ny anarany ==
Avy amin'ny [[Fiteny latina|teny latina]] hoe ''Sadducaei'' izay avy amin'ny [[Fiteny hebreo|teny hebreo]] hoe צְדוּקִים‬ / ''Ṣĕdûqîm / Tsedukim'' ny teny hoe ''Sadoseo''. Io teny hebreo io indray dia avy amin'ny anaran'ilay mpisorona atao hoe צדוק / ''Tsadok'' (hagasina hoe: ''Sadoka'' na ''Tsadoka'' na ''Zadoka'').
 
== Tantarany ==
 
==== Fiaviany ====
Iantsoana ny mpitondra fivavahana sasany tamin'ny vanimpotoan'ny [[Tempolin'i Jerosalema|Tempoly]] Voalohany koa ny hoe ''Sadoseo'' (ka isan'izany ny mpisoronabe atao hoe Sadoka). Ny Sadoseo dia mpikambana ao amin'ny sekoly na antoko jiosy izay niforona tamin'ny taonjato voalohany tal. J.K., ary nahazo io anarany io avy tamin'ny anaran'i Zadoka na Sadoka, mpisorona voalaza ao amin'ny [[Testamenta Taloha]], ao amin'ny [[Boky faharoan'i Samoela]] (2Sam. 15.24-29), izay niaina tamin'ny naha mpanjaka an'i [[Davida (Baiboly)|Davida]] sy i [[Solomona|Salomona]] ka ny taranany atao hoe Zadokita dia fianakaviana mpisorona.
 
Tsy misy afa-tsy andalana roa ao amin'ny [[Tanakh]] (Baiboly hebreo) izay miresaka ny amin'ny antoko-mpisorona tarihin'i Zadoka mpisoronabe, dia ny ao amin'ny [[Bokin'i Ezekiela]] izay mampifandray mivantana ny mpikambana ao amin'io antoko io sy ny fitondram-pivavahana (Ezek. 43.19) ary manao ireo zanak'i Zadoka ho ny mpiantoka ny fahamarinan'ny finoana tamin'ny vanimpotoan'ny [[Fahababoana tany Babilona|Fahababoana]] tany Babilona (Ezek. 48.11).
 
==== Tamin'ny taojato faha-2 tal J.K. ====
I [[Flavio Josefa]] dia miresaka ny amin'ny fisian'ny Sadoseo tamin'ny vanimpotoana nanapahan'i Joany Hirkana I (134-104 tal. J.K.)<ref><small>Flavius Josèphe, ''[[:fr:Antiquités_judaïques|Antiquités judaïques]]'', XIII, 288 à 298.</small></ref>. Azo fantarina ihany anefa ny fotoana nipoiran'ny fihetsiketsehan'ny Sadoseo ka tamin'ny fiantombohan'ny taonjato faha-2 tal J.K. izany tamin'ny niakaran'i Simona II teo amin'ny fitondrana tamin'ny nahazoan'ny Seleokida an'i [[Jodea]]<ref><small>Talmud, ''Pirqé Avot'', I et II.</small></ref>.
 
Nanohana ny fanjakazakan'ireo Seleokida ny Sadoseo ka nifandrafy tamin'ny fitondrana hasmôneana mba hahatonga azy ireo hikambanana kokoa amin'ny fanjakan'i Heroda I.
Andalana faha-19:
Ny Sadoseo, izay avy amin'ireo saranga ambony ao amin'ny mpisorona<ref><small>Pierre Maraval et Simon Claude Mimouni, ''Le christianisme ancien des origines à Constantin'', éd. P.u.f./Nouvelle Clio, 2007, <abbr>p.</abbr> 34.</small></ref>, dia nifanohitra tamin'ny [[Fariseo]] ary tokony ho sahala amin'izany koa tamin'ny [[Eseniana]]. Naripaky ny [[Zelota]] sy ny [[Sikara]] izy ireo tamin'ny Ady voalohany nifanaovan'ny Jiosy sy ny Romana teo anelanelan'ny taona 66 sy 73<ref><small>Simon Claude Mimouni, ''Le judaïsme ancien du <abbr>vie</abbr> siècle avant notre ère au III<abbr>e</abbr> siècle de notre ère : Des prêtres aux rabbins'', éd. P.u.f./Nouvelle Clio, 2012, <abbr>p.</abbr> 233.</small></ref>. Nanjavona ny Sadoseo tamin'ny faharavan'ny Tempoly Faharoa tamin'ny taona 70 taor. J.K.
 
Taorian'ny fandravana ny [[Tempolin'i Jerosalema]] tamin'ny taona 70 dia tsy voaresaka firy intsony ny Sadoseo afa-tsy ao amin'ny [[Talmoda]]. Tamin'ny taonjato faha-7 dia nisy fikambanana notarihin'i Abu Isa (avy ao Ispahan) tao [[Persia]] izay nilaza tena ho Sadoseo<ref><small>S. Szyszman, ''Le Karaïsme'', éd. L'Âge d'Homme.</small></ref>. Ny [[karaisma]], tamin'ny fiantombohany tamin'ny taonjato faha-8, dia isan'ny mpanara-dia an'i Anan ben David izay mpikambana ao amin'ireo mitonon-tena ho Sadoseo ireo.
 
==== Taty aoriana ====
Mbola nisy ireo izay niresaka ny amin'i Zadoka tamin'ny taonjato faha-10 tao amin'ny boky atao hoe ''Sefer Tsadok'' nosoratan'ny olonkedryolonkendry karaita atao hoe Ya'akov al-Qirqisani.
 
Nisy soratra hita tamin'ny taona 1910, raha noheverina fa rava tanteraka ny fampianaran'ny Sadoseo hatramin'ny taonjato maro, dia nahita ny Soratr'i Damasy izay nadika tamin'ny taonjato faha-12 i Solomon Schechter. Izany soratra izany dia mampahatsiahy ny fiantraikan'ny fampianaran'ny Sadoseo eo amin'ny fiarahamonina karaita.
Andalana faha-29:
 
==== Ny fampianarana ny lalàna ====
Ny antokon'ny Sadoseo dia antokon'olona avy amin'ny saranga ambony, izay tsy manaiky afa-tsy ny [[Torah]], ka mandà ny fivoasana sy ny fanitarana ny lalàna ataon'ireo [[mpanoradalàna]]. Mitsipaka ny fivoasan'ny Fariseo ny Torah, indrindra ny Talmoda naterak'izany, ny Sadoseo. Izao no amintinan'i Flavio Josefa an'izany: "Ny Fariseo dia nampita tamin'ny vahoaka fitsipika sasantsasany azony avy tamin'ireo razambeny, tsy voasoratra tao amin'ny lalàn'i Mosesy, izay nolavin'ny Sadoseo noho izany izay nihevitra fa ny fitsipika voasoratra ao ihany no tokony horaisina ho manankery, ary tsy voatery hotandremana ireo fitsipika azo avy amin'ny lovantsofin'ny razana."<ref><small>Nadika avy amin'ny teny frantsay: ''Antiquités judaïques'', XIII-297.</small></ref> Tsy midika izany fa mpandray ara-bakiteny izay voasoratra ny Sadoseo. Nanao fivoasana am-bava ny Sadoseo nefa nitsipaka ny [[lovantsofina]] ivelan'ny Torah, indrindra ny fivoasana ataon'ireo antoko hafa<ref><small>E. P. Sanders, ''Judaism. Practice and Belief.'', Trinity Press International, 1996.</small></ref>.
 
==== Ny any ambadik'izao fiainana hita maso izao ====
Miavaka amin'ny [[Fariseo]] ny Sadoseo noho izy ireo tsy mino ny [[fitsanganan'ny tena amin'ny maty]] (na ny [[Fitsanganan-ko velona (kristianisma)|fitsanganan-ko velona]]). Ny Sadoseo dia tsy mino ny [[Tsy feteza-maty|tsy feteza-matinmati]]<nowiki/>n'ny fanahin'olombelona sady mandà ny fisian'ny [[anjely]].
 
Araka ny fampianaran'ny [[jodaisma]] mahazatra dia mankany amin'ny fanjakan'ny maty, any amin'ny Sheol ("fiainan-tsy hita", ao amin'ny [[Baiboly protestanta amin'ny teny malagasy|Baiboly malagasy protestanta]]) ny olona maty, ary mitoetra ao tahaka ny aloka. Ny [[Bokin'i Joba]] dia ahitana izao soratra izao:
 
"<small>7</small> Tsarovy fa rivotra ny aiko: ary tsy hahita soa intsony ny masoko. <small>8</small> Tsy hahita ahy intsony ny mason'izay mijery ahy: Ny masonao hizaha ahy, fa tsy ho ao aho. <small>9</small> Tahaka ny rahona misava ka levona, dia tahaka izany koa, izay midina any amin'ny fiainan-tsi-hita tsy mba hiakatra intsony" (Joba 7.7-9).