Eseniana: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
k Sora-matevina
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Andalana faha-1:
Ny '''[[Eseniana]]''' dia ireo olona tao amin'ny antoko mpanaraka ny [[jodaisma]] tamin'ny vanimpotoan'ny Tempoly Faharoa izay niroborobo nanomboka tamin'ny taonjato faha-2 tal. J.K. sady nanomboka fanta-pisiana tamin'ny taonjato voalohany tao [[Palestina]].
 
Araka an'i [[Flavio Josefa]] dia iray amin'ireo antoko telo lehibe teo amin'ny fiarahamonina jiosy tao Palestina ny Eseniana (ny roa hafa dia ny [[Fariseo]] sy ny [[Sadoseo]]). Fikambanan'olona miaina anaty fahantrana an-tsitrapo ny Eseniana sady manatanteraka filomana an-drano isan'andro (sahala amin'ny [[batisa]]) sady mifady ny fahafinaretana eto amin'izao tontolo izao.
 
Nalaza ny Eseniana tamin'izao vaninandro vaovao izao noho ny fahitana ny tahirim-boky ara-pivavahana nanomboka tamin'ny taona 1947 izay nomena ny anarana hoe "[[Soratanam-piraketan'ny Ranomasina Maty]]", ka zato eo ho eo amin'ny 870 no mety ho soratry ny Eseniana, na an'antoko mitovitovy aminy izay nitondra ny anarana hoe ''Yahad'' ("Firaisana") ao amin'ny soratra miisa telopolo eo. Na dia izany aza dia tsy ifanarahan'ny mpikaroka rehetra izany fampitoviana ny Eseniana amin'ny YahadIahady izany.
 
Niparitaka ny Eseniana taorian'ny fandrodananfandravan'i Tito ny [[Tempolin'i Jerosalema]] tamin'ny taona 70 taor. J.K. Mety niisa 4 000 izy ireo tao Palestina sy Egipta ary Siria. Ny fikambanana lehibe indrindra, izay nisy maromaro, dia nonina teny amoron'ny [[Ranomasina Maty]]. Mahaleo tena ny fikambanana tsirairay izay mivelona amin'ny fambolena sy ny asan-tanana<ref name=":0"><small>"Esséniens", ''Microsoft Encarta 2009''. 1993-2008 Microsoft Corporation</small></ref>.
 
Manandrantra avo ny fitiavana an'Andriamanitra sy ny fitiavana ny hatsaram-panahy ary ny fitiava-namana ny fampianaran'ny Eseniana. Miombom-pananana izy ireo. Mitandrina ny [[Sabata (jiosy)|Sabata]] sy ny fahadiovana ara-pivavavahana izy ireo ka mandro amin'ny rano mangatsiaka sy mitondra fitafiana fotsy. Tsy mianiana izy ireo afa-tsy alohan'ny hiditra ho mpikambana. Fadîny ny manao sorona biby sy manamboatra fitaovam-piadiana ary ny manao raharaham-barotra<ref name=":0" />.