Diôfizisma: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
k Tsipelina
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy sns
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Andalana faha-1:
Ny [[diofizisma|'''diofizisma''']] na [[Diofizisma|'''diofizitisma''']] dia fampianarana [[Kristolojia|kristolojika]] noraisin'ny konsily ekiomenika fahefatra, dia ny [[Konsily tao Kalkedona]] tamin'ny taona 451 izay manambara ny maha tokana an'i [[Jesosy|Kristy]] manana fomba ([[Natiora (teolojia)|natiora]]) roa tsy mifangaro sy tsy miova ary tsy mizara no tsy misaraka.
 
== Fiforonan-teny ==
Ny teny hoe ''diofizisma'' na ''diofizitisma'' dia avy amin'ny [[teny grika]] hoe ''δυοφυσιτισμός'' / ''duofusitismos'' izay azo rasaina amin'ny teny hoe ''δυο'' / ''duo (''midika hoe "roa") sy ny hoe φύσις / ''phusis'' (midika hoe "fomba", "natiora").
 
== Tantaran'ny diofizisma ==
Andalana faha-8:
 
== Foto-pampianarana ==
Ny diofizisma, izay hita ao amin'ny [[Fiekem-pinoan'i Kalkedona]], dia mitory Kristy iray manana fomba (natiora na sobstansa) roa izay tsy mifangaro sy tsy miova ary tsy mizara no tsy misaraka. Inty ilay [[Fanekem-pinoana|fiekem-pinoana]]:
 
"Araka ireo Ray masina izany, izahay dia mampianatra amim-piraisam-peo fa mitory Zanaka iray sady tokana, dia ny Tomponay Jesosy Kristy, ilay tanteraka amin'ny maha Andriamanitra azy, sy tanteraka amin'ny maha olombelona azy, Andriamanitra tokoa ary olona tokoa misy fanahy misaina sy vatana, mitovy maha izy azy amin'ny Ray araka ny maha Andriamanitra azy sy mitovy maha izy azy amintsika araka ny maha olombelona azy, manahaka antsika amin'ny lafiny rehetra afa-tsy amin'ny fahotana, nateraky ny Ray talohan'ny fotoana rehetra araka ny maha Andrimanitra azy, ary amin'ny andro farany izy tenany ilay (nateraka) ho antsika sy ho an'ny famonjena antsika avy amin'ny Maria Virjiny, Renin'Andriamanitra araka ny maha olombelona azy, Kristy iray sady tokana, Zanaky ny Tompo, izay hany nateraka, ekena fa manana fomba (natiora) roa, tsy mifangaro, tsy miova, tsy mizara ary tsy misaraka, ny mahasamihafa ireo fomba roa ireo dia tsy foanan'ny fiombonana, ny toetran'ny fomban'ny natiora tsirairay dia voatahiry sady mandray anjara amin'ny persona sy hipostazy iray, dia Kristy tsy mivaky sy tsy misaraka ho persona roa, fa Zanaka iray sady tokana, tokana nateraka, Andriamanitra Teny, Tompo Jesosy Kristy."