Eglizy Katôlika Apôstôlika Rômanina (Madagasikara): Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
k Tsipelina
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
k Tsipelina sns
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Andalana faha-1:
[[Sary:Antananarivo Church.jpg|vignette|Katedralin'Antananarivo]]
Ny [[Eglizy Katolika Apostolika Romana (Madagasikara)|'''Eglizy''' '''Katolika''' '''Apostolika''' '''Romana''' eto Madagasikara]] dia isan'ny [[Fiangonana katolika]] maneran-tany izay eo ambany fitarihana ara-panahin'ny [[Papa]] ao Roma. Misy mpivavaka maherin'ny 4.000.000 eo ho eo io fiangonana io, izany hoe iray ampahefatry ny mponin'ny Nosy. Misy [[arsidiosezy]] dimy sy [[diosezy]] iraika amby roapolo ny eto Madagasikara. Fivavahana voalohany eto Madagasikara ny Fiangonana katolika raha ny habetsahan'ny mpino no jerena. Mampiavaka ny Fiangonana katolika koa ireo trano fiangonana goavam-be izay nalana tahaka indrindra tamin'ny fiangonana vahiny amin'ny endriny sy ny bikany. Marihina fa misy [[lakroa]] avokoa ny Fiangonana katolika.
 
Ny trano fiangonana katolika tranainy indrindra eto madagasikara dia ao amin'ny nosy Sainte-Marie tokony ho 150 km ao ampita avaratr'i Toamasina.
Andalana faha-7:
 
==== Faha mpanjaka ====
Ny fivavahana katolika dia nentin'ny misiônera tamin'ny taona efa taloha be teto Madagasikara. Ny [[katolisisma]] dia efa nisy nitondra teto amin'ny Nosy hatramin'ny faran'ny taonjato faha-16, sady efa nisy ny nanandrana nanao asa misiona tamin'ny taona 1540 avy eo tamin'ny nahatongavan'ireo [[Dominikana (katolisisma)|Dominikana]] tamin'ny taona 1580 ary ny [[Zezoita]] tamin'ny taona 1610. Tsy nahitam-pahombiazana kely izany raha tsy tany amin'ny taona 1642.
 
Tonga ny moanina (na monka) [[Lazarista]] tamin'ny taona 1643 ka niforona tamin'ny taona 1643 no naorin'ny Papa [[Orbano VIII]] ny Prefektiora Apostolikan'i Madagasikara. Nofaranan'izy ireo anefa ny misionany aty Madagasikara tamin'ny taona 1674 noho ny haratsian'ny toetany sy ny tsy fitiavan'ny mponina azy ireo.
 
Maro ireo misionera katolika frantsay novonoina tamin'ny taona 1674 ary taorian'io dia norarana ny fivavahana katolika tamin'ny fanombohan'ny taonjato faha-19. Maty martira tamin'ny taona 1832 i Henri de Solages ary heverina fa rain'ny Fiangonana katolika malagasy izy. Misy toerana fanaovana fivahiniana masina natokana ho azy ny ao [[Toamasina]]<ref><small>Claire Le Moine, "[https://www.la-croix.com/Religion/Actualite/L-Eglise-de-Madagascar-veut-creer-un-lieu-de-pelerinage-national-2014-01-28-1097725 L’Église de Madagascar veut créer un lieu de pèlerinage national]" [[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=http%3A%2F%2Fwww.la-croix.com%2FReligion%2FActualite%2FL-Eglise-de-Madagascar-veut-creer-un-lieu-de-pelerinage-national-2014-01-28-1097725 tahiry]], tao amin'ny ''La Croix'', 28 Janoary 2014 (notsidihina 19 Aogositra 2017).</small></ref>.
Andalana faha-16:
 
==== Faha fanjanahan-tany ====
Niroborobo tokoa ny Fiangonana katolika teto Madagasikara tamin'ny andron'ny fanjanahan-tany na dia teo aza ny fandroahana ireo misionera frantsay. Ny andry niorenany moa dia ramatoa [[Victoire RASOAMANARIVO|Rasoamanarivo]] [[Victoire RASOAMANARIVO|Victoire]] (1848-1894), vehivavy nahery fo tokoa teo amin'ny lafintamin'ny fijoroana vavolombelon'ny finoana. Tsy niasa irery anefa izy fa nampian'i [[Frera Louis Raphael RAFIRINGA|Frera Rafiringa Raphael Louis]] tamin'izany. Marihina fa izy ireo dia samy nasandratra ho [[Olontsambatra (katolisisma)|olontsambatra]] avokoa. Teo ihany koa ny fifaninanana tamin'ny [[Protestantisma eto Madagasikara|Fiangonana protestanta]] ka tsy mora tamin'ireo Katolika tany amboalohany ny nifikitra tamin'ny fiangonany.
 
Teo anelanelan'ny taona 1896 sy 1898 ny fiangonana katolika dia nanomboka nametraka fandaminana ary tamin'ny taona 1925 dia afaka nanao fanosorana [[Pretra (katolika)|pretra]] teratany malagasy. Efa nahatratra 100 000 ny mpino katolika tamin'ny taona 1900. Tamin'ny taona 1939 no voahosotra ny pretra malagasy voalohany, dia i Ignatius Ramarosandratana, izay nohosorana ho eveka tany Roma, tamin'ny andron'ny [[Papa [[Pio XII]]. Tamin'ny taona 1947 dia novonoin'ny mpitondra politika tamin'izay ny katekista [[Lucien Botovasoa]] <ref><small>[https://www.ofmcap.org/it/documenti-ofmcap/cause-in-corso/cause-extra-ordine/404-lucien-botovasoa-1908-1947-n-prot-2998 Lucien Botovasoa (1908-1947)]</small></ref> <ref><small>[http://press.vatican.va/content/salastampa/it/bollettino/pubblico/2017/05/04/0295/00670.html Promulgazione di Decreti della Congregazione delle Cause dei Santi]</small></ref>. Tamin'ny taona 1969 dia nanana ny kardinaliny[[Kardinaly|kardinali]]<nowiki/>ny manokana amin'izay ny Fiangonana katolika eto Magadasikara, dia tsy iza fa i Jérôme Louis Rakotomalala.
 
==== Fahaleovanten'i Madagasikara ====
Naorin'ny [[Papa [[Joany XXIII]] ny Nonsiatora Apostolika teto Madagasikara tamin'ny 23 Septambra 1960. Nitsangana ny [[Fiombonan'ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara]] (FFKM) tamin'ny taona 1980, izay nanery ny Fanjakana malagasy mba hanomboka hampihatra ny [[demokrasia]] amin'izay tamin'ny taona 1991 tamin'ny alalan'ny fihetseham-bahoaka ka ny mpitarika tamin'izany fanovana izany dia ny Kardinaly Armand Gaétan Razafindratandra.
 
Namangy an'i Madagasikara ny Papa [[Joany Paoly II|Papa Joany Paoly II]] tamin'ny taona 1989 ary ny kardinaly Pietro Parolin, Sekreteram-Panjakana ao [[Vatikàna]], dia nitsidika an'Antananarivo tamin'ny taona 2017<ref><small>"[https://madagascar-tribune.com/L-eglise-catholique-en-plein-dans,22813.html L’église catholique en plein dans la politique"] [[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=https%3A%2F%2Fmadagascar-tribune.com%2FL-eglise-catholique-en-plein-dans%2C22813.html tahiry]], 23 Janoary 2017 (notsidihina ny 19 Aogositra 2017).</small></ref>
 
Tamin'ny taona 2017 dia nitsikera ny fanaovana politika nisy hatrizay teto Madagasikara ny Fiangonana katolika ka betsaka ny fanafihana nahazo ireo toeram-pitokanana sy ny fikambana pretra<ref><small>"[http://www.rfi.fr/afrique/20170427-madagascar-attaques-contre-religieux-catholiques-multiplient-antsirabe Madagascar : les attaques contre des religieux catholiques se multiplient]" [[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=http%3A%2F%2Fwww.rfi.fr%2Fafrique%2F20170427-madagascar-attaques-contre-religieux-catholiques-multiplient-antsirabe tahiry]], ''RFI'', 27 avril 2017 (notsidihina ny 19 Aogositra 2017)</small></ref>.
 
Ny solontenan'ny Papa eto Madagasikara, ny [[Nonsy apostolika|Nonsy Apostolika]], hatramin'ny 13 Avrily 2015, dia ny Mgr Paolo Rocco Gualtieri<ref><small>''[http://press.vatican.va/content/salastampa/it/bollettino/pubblico/2015/04/13/0266/00579.html#nun Nomina del Nunzio Apostolico in Madagascar].'' In: ''Tägliches Bulletin.'' Presseamt des Heiligen Stuhls, 13 April 2015, (notsidihina ny 30. Mey 2015).</small></ref>.
 
== Statistika ==
Andalana faha-38:
Tamin'ny faran'ny taona 2004 dia izao ny tarehimarika momba ny Eglizy katolika eto Madagasikara:
 
* [[paroasy]] miisa 317;
* [[pretra]] miisa 1134;
* [[relijiozy]] miisa 3771;
* toeram-pampianarana miisa 3316;
* fikambanana moanaompanao asa soa miisa 349;
* mpino katolika miisa 4 582 644 izay 23,59%n'ny mpoina eto amin'ny Nosy.
 
Andalana faha-48:
 
* paroasy miisa 315;
* [[eveka]] miisa 27;
* pretra diosezana miisa 556;
* pretra amin'ny fikambanana hafa miisa 673;
* [[Moanina|moana]] miisa 420;
* relijiozy miisa 4100.
 
Andalana faha-58:
=== Arsidiosezy sy diosezy ===
[[Sary:Antsirabe - église.JPG|vignette|296x296px|Katedralin'Antsirabe]]
Mizara ho [[arsidiosezy]] dimy sy [[diosezy]] roa amby roapolo ny Eglizy katolika eto Madagasikara ka ireto avy izany:
 
==== Arsidiosezin'Antananarivo ====
 
* Diosezin'AntsirabéAntsirabe
* Diosezin'i Miarinarivo
* Diosezin'i Tsiroanomandidy
Andalana faha-104:
==== Filoha ====
 
*[[Aseveka]] Jérôme Rakotomalala (1965 - 1966);
*Aseveka Gilbert Ramanantoanina, SJ (1966 - 1971)
*Mgr Albert Joseph Tsiahoana (1971 - 1974)
Andalana faha-115:
*Mgr Désiré Tsarahazana, archevêque, depuis novembre 2012
 
==== Eveka : ====
 
* Ambanja : Mgr Rosario Vella