Porima: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Jodaisma
 
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
Ny '''Porima''' dia fety jiosy avy amin'ny [[Baiboly]] sady naorin'ireo Raby izay ahatsiarovana ny zava-niseho tantaraina ao amin'ny [[Bokin'i Estera]], dia tsy inona fa ny fanafahana mahagaga ny Jiosy tamin'ny fandringanana nokononkononin'i Hamana ilay Agadita tao amin'ny Empira persiana tamin'ny fotona nanjakan'i Ahasoerosy na Asoerosy (na Kserksesy I). Ankalazaina isan-taona amin'ny faha-14n'ny volana Adara izany amin'ny [[tetiandro hebreo]], izay mifandrify amin'ny tenantenan'ny volana Febroary na Marsa ao amin'ny [[tetiandro gregoriana]].
[[Sary:Fazuelos sephradic.jpg|vignette|Deblas]]
 
[[Sary:Homemade hamantaschen2.jpg|vignette|Sofin'i Hamàna]]
Maro ireo fombafomba amam-panao natovona an'ireo fomba efa voasoratra ao amin'ny Bokin'i Estera sy andidian'ny olon-kendrin'ny Mishna, indrindra ny amin'ny sakafo, ka isan'izany ilay nahandro antsoina amin'ny [[teny hebreo]] hoe אוזן המן / ''hamantaschenozen Haman'' (izay midika hoe "sofin'i Hamana") na amin'ny [[teny idisy]] hoe המן טאש / H''amantaschen'' (izay midika hoe "paosin'i Hamana") na דבלאס / ''deblas'' ary ny fanehoam-piravoravoana sy ny fampiasana zavamaneno mikorintsana amin'ny fanononana ny anaran'i Hamana.