Porima: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Jodaisma
(Tsy misy mahasamihafa)

Endrik'io pejy io tamin'ny 17 Jiona 2019 à 11:13

Ny Porima dia fety jiosy avy amin'ny Baiboly sady naorin'ireo Raby izay ahatsiarovana ny zava-niseho tantaraina ao amin'ny Bokin'i Estera, dia tsy inona fa ny fanafahana mahagaga ny Jiosy tamin'ny fandringanana nokononkononin'i Hamana ilay Agadita tao amin'ny Empira persiana tamin'ny fotona nanjakan'i Ahasoerosy na Asoerosy (na Kserksesy I). Ankalazaina isan-taona amin'ny faha-14n'ny volana Adara izany amin'ny tetiandro hebreo, izay mifandrify amin'ny tenantenan'ny volana Febroary na Marsa ao amin'ny tetiandro gregoriana.

Maro ireo fombafomba amam-panao natovona an'ireo fomba efa voasoratra ao amin'ny Bokin'i Estera sy andidian'ny olon-kendrin'ny Mishna, indrindra ny amin'ny sakafo, ka isan'izany ny hamantaschen na deblas ary ny fanehoam-piravoravoana sy ny fampiasana zavamaneno mikorintsana amin'ny fanononana ny anaran'i Hamana.