Finoana silamo: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Andalana faha-1:
[[Sary:Mosque.jpg|vignette|330x330px]]
Ny [[Finoana silamo|'''Finoana''' '''silamo''']] (amin'ny teny arabo: الإسلام / ''Alʾislām'') dia [[finoana abrahamika]] mifototra amin'ny finoana an' [[Andriamanitra]] tokana farany izay tokana (tsy manompo olo-masina na mpaminany) ary amin'ny [[Kor'any]] izay heverin'ny mpino silamo fa boky nandraiketana ny tenin'Andriamanitra (''Allah'', amin'ny teny arabo) ara-bakiteny natao sora-tononina. Ny Kor'any dia nambara tamin'i [[Mohamady]] izay fantatry ny silamo ho mpaminan'Andriamanitra, tany [[Arabia Saodita|Arabia]] tamin'ny taonjato fahafito. Ny fampianarana fototry ny finoana silamo dia ny ''tawhid'', izany hoe ny finoana an'[[Monoteisma|Andriamanitra tokana]] izay tsy ahitana fanompoana hafa afa-tsy ny fanompoana an'Andriamanitra.
 
== Ny sampana lehiben'ny fivavahana silamo ==
Mizara sampana telo lehibe ny fivavahana silamo, dia ny sonisma sy ny shiisma ary ny karijisma.
 
=== Ny sonisma ===
Ny sonisma no sampana lehibe indrindra ao amin'ny finoana silamo izay ahitana ny 90%n'ny mpino silamo maneran-tany. Iray amin'ny sampana telo lehiben'ny finoana silamo ny sonisma, ka ny roa hafa dia ny [[shiisma]] sy ny [[karijisma]]. Miavaka amin'ireo sampana hafa ireo ny sonisma noho ny fomba fiheverany ny fivavahana. Matetika dia lazaina ho "Miozolmana ortodoksa" ny Sonita.
 
=== Ny shiisma ===
Ny shiisma dia sampan'ny finoana silamo izay manaiky fa i Ali sy ny taranany no mpandimby an'i Mohamady. Ny Shiita dia 10% hatramin'ny 15%n'ny vakoaka miozolmana maneran-tany, ka ny ankamaroany dia monina ao [[Iràna]] sy [[Iràka]] ary ao Bareina. Shiita dia manana mpitondra fivavahana ahitana ambaratongam-pitondrana.
 
=== Ny karijisma ===
Ny karijhisma dia sampan'ny finoana silamo izay teraka tamin'ny fanelanelanana natao tamin'i Ali sy i Mu'awiya raha avy nidy tao Siffin izy ireo tamin'ny taona 657. Atao hoe Karijita (arabo: خوارج / ''Khawāridj'') ny mpino silamo ao aminy.
 
== Jereo koa ==