Jodaisma rabinika: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Andalana faha-23:
 
== Ny sampan'ny jodaisma rabinika ==
Ny jodaisma rabinika no be mpanaraka indrindra ao amin'ny jodaisma, hany ka raha miresaka ny amin'ny jodaisma dia izy no tonga ao an-tsain'ny maro voalohany ka lasa ampitovizina aminy. Tsy ranoray tanteraka anefa ny jodaisma rabinika fa misy sampam-pirehana telo izay samy manana ny fivoasany ny fomban'ny fanambaran-tenan'Andriamanitra, ny fahazoany ny maha zava-dehibe ny fanapaha-kevitry ny raby, eny fa na ny famaritana ny atao hoe jodaisma rabinika aza. Ireto avy izy ireo: ny jodaisma nohavaozina sy ny jodaisma mandala ny nolovanampitahiry ary ny jodaisma ortodoksa.
 
=== Ny jodaisma nohavaozina ===
Ny jodaisma nohavaozina dia sampan'ny jodaisma rabinika izay niseho tao Alemaina tamin'ny taonjaton'ny Fahazavana, tao amin'ny fihetsiketsehan'ny Haskala notarihin'i Moses Mendelssohn. Maro ireo firehana nipoitra tamin'izany izay namporisika ny Jiosy handray ny fandrosoana amin'izao andro ankehitriny izao sady hifanerasera amin'ny fiarahamonina ivelan'ny an'ny Jiosy. Indraindray koa ny jodaisma nohavaozina dia atao hoe jodaisma liberaly na jodaisma progresista.
 
=== Ny jodaisma mpitahiry ===
Ny jodaisma mpandala ny nentin-drazana, izay atao hoe koa Masorti, dia firehan'ny jodaisma rabinika izay mnadray ny fotokevitry ny fanavaozana nefa tsy mandray izany ho lasan-davitra loatra na lalina loatra. Ny fihetsiketsehana masorti dia mitonion-tena ho firehana afovoany izay manome lanja ny fahefan'ny Talmud nefa manaraka ny fitsipika amin'ny fomba tsy hentitra loatra sady tsy mila fanajana amin'ny pitsopitsony ireo fanapahan-kevitra tany aloha, ka izany no mahatona ireo rabiny halalaka kokoa amin'ny fivoasany ny Halaka. Ao Etazonia sy ao Kanada no tena ahitana ny jodaisma mpandala ny nentin-drazana.
 
=== Ny jodaisma ortodoksa ===
Ny jodaisma ortodoksa dia firehan'ny jodaisma rabinika izay mihevi-tena ho hany mandray tokoa ny finoana sy ny fanaon'ny Jiosy mandala ny Lalàna voasoratra sy ny Lalàna am-bava nampitain'i Mosesy teo amin'ny tendrombohitra Sinay, miaraka amin'ny fivoasana ireo lalàna ireo. Heverin'ny Jiosy ortodoksa ho mihataka amin'ny lala-marina ny Jiosy hafa rehetra izay atao ny ho manao fampianaran-diso. Ny teny hoe "ortodoksa" dia napetak'ireo Jiosy manaraka ny jodaisma nohavaozina tamin'izy ireo ka misy ny manaiky an'izany ary misy ny tsy tia an'izany fa misafidy ny teny hoe ''Haredi''.