Tendrombohitra Garizima: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Namafa soratra tsy ilaina
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
k Tsipelina
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Andalana faha-2:
Ny '''tendrombohitra Garizima''' na '''tendrombohitra Gerizima''' dia tendrombohitra ao [[Jordania Andrefana]] eo akaikin'i Nablosa ao amin'ilay faritra atao hoe [[Samaria]] ao amin'ny [[Baiboly]]. Io tendrombohitra io dia toerana masina ho an'ny [[Samaritana]]. Voasoratra ao amin'ny [[Torah samaritana]] io tendrombohitra io fa tsy hita ao amin'ny [[Torah|Torah jiosy]].
 
Amin'ny [[fiteny hebreo samaritana]] izy dia atao hoe Ar-Garzim io tendrombohitra io, amin'ny [[fiteny arabo]] dia جبل جرزيم / Jabal Jarizīm, na جبل الطور‎ / ''Jabal et Tur,'' amin'ny [[Fiteny hebreo|fiteny hebreo jiosy]] kosa dia הַר גְּרִיזִּים / ''Har Gerizim.''
 
Mirefy 881 metatra ny tendrombohitra Garizima ary mideza dia mideza ny ao amin'ny ilanytahezany avaratra sady rakotra ahitra ny tampony. Isan'ireo tendrombohitra avo indrindra ao [[Jordania Andrefana]] sy ao [[Isiraely|Israely]] izy. Misy loharano mangatsiatsiaka mivoaka ny eny amin'ny fotony rehefa [[lohataona]]. Tanàna madinika roa no miorina eo amin'ny tahezany, dia i Kiryat Luza (tanàna samaritana) sy i Har Brakha (tanàna jiosy) (hebreo: הַר בְּרָכָה, izay midika hoe "Tendrombohitry ny Fitahiana").
 
== Firesahana an'i Gerizima ao amin'ny Baiboly ==
Andalana faha-19:
== Tantara ==
[[Sary:Nablus panorama-cropped enhanced.jpg|vignette|263x263px|Ny tanànan'i Nablosa eo amin'ny tendrombohitra Garizima]]
Tany amin'ny taona 330 tal. J.K. tany ho any ny vahoaka samaritana dia nanorina tempoly teo an-tampon'ny tendrombohitra Gezirima izay nanjary foibentoeran'ny fivavahana samaritana (na [[samaritanisma]]), sahala amin'ny [[Tempolin'i Jerosalema]] izay foibentoeran'ny fivavahana jiosy (na [[jodaisma]]). Io tempoly io dia naorina taloha kelin'ny famaboan-tanàna nataon'i [[Aleksandra Lehibe|Aleksardra Lehibe]] <ref><small>Ursula Schattner-Rieser (chargée de cours d'araméen et de grammaire comparée des langues sémitiques à l'ELCOA de l'Institut catholique de Paris, et chargée de conférences d’"hébreu qumrânien et dialectes araméens des premiers siècles" à l'École pratique des hautes études en Sorbonne) Des Samariens au bon Samaritain, ou le plus petit groupe ethnico-religieux.</small></ref> na taoriana kelin'izany <ref name=":0"><small>Araka ny lahatsoratra "Samaritans" ao amin'ny ''Jewish Encyclopedia,'' 1901-1906.</small></ref>. Voahodidina manda fiarovana, araka ny [[Bokin'ny Makabeo]], io tempoly io tamin'izany fotoana izany. Noravan'ilay mpanjaka hasmoneana atao hoe Joany Hirkana I <ref><small>I Joany Hirkana I dia zanakalahy faharoan'i Simona Makabeo sady mpisorom-be tao amin'ny Tempolin'i Jerosalema tamin'ny faran'nytaonjato faharoa tal. J.K.</small></ref> tamin'ny taonjato faharoa tal. J.K. io tempoly io (taona 108 tal. J.K.).
 
Araka ny fisavana ny tao ambanin'ny tany sy araka ny loharanon-kevitra tamin'ny [[Andro Taloha]] dia nisy tempoly naorina ho an'i Zeosy ([[Andriamanitra (anarana iombonana)|andriamanitra]] grika: Ζεύς / ''Zeús'') teo amin'io toerana io tamin'ny andron'ny emperora romana Hadriano (latina: ''Imperator Cæsar Traianus Hadrianus Augustus''). Rehefa niova ho amin'ny fivavahana kristiana ny Empira bizantina dia nanery ireo vahoaka vitsy anisa mba hanaraka ny [[fivavahana kristiana]] araka ny heveriny ho ny tena izy. Ny emperora Zeno (latina : ''Flavius Zeno Perpetuus Augustus''), izay nanjaka hatramin'ny taona 474 ka hatramin'ny 491 dia nanenjika ny [[Jiosy]] sy ny [[Samaritana]] sady nandrodana ny tempoly samaritana (fanidroany izany) izay tsy voaorina intsony<ref name=":0" />.
[[Sary:Samaritans marking Passover on Mount Gerizim, West Bank - 20060418.jpg|vignette|276x276px|Samaritana manao fivahiniana masina mandritra ny [[Paska jiosy|Paska]] eo amin'ny tendrombohitra Garizima.]]
Rehefa tonga fivavahana matanjaka indrindra ny fivavahana kristiana teo amin'ny empira romana dia tsy navela hankeny amin'ny tendrombohitra Gerizima ny Samaritana. Fiangonana voaaro manda no naorina teo an-tampony. Isan'ny niteraka ny fikomian'ny Samaritana izany izay notarihin'i Joliano bena Sabara tamin'ny taonjato faha-6, dia fikomiana narahana famaizana mahery vaika ka saika nandripaka tanteraka ny Samaritana tao avaratr'i [[Palestina]] izay tsy nisy sisa afa-tsy mponina vitsy dia vitsy.
 
Na dia noravana aza ny tempolin'ny Samaritana dia nijanona ho foiben'ny fivavahana samaritana ny tendrombohitra Garizima hatramin'izao. Izany no mahatonga ny mpisorom-be samaritana tsy maintsy honina manodidina an'ilay tendrombohitra. FidinaIo mpisorona io dia fidina avy amin'ireo fianakaviana (na "trano") mpisorona "izay heverina fa taranak'i [[Aarona]], rahalahin'i [[Mosesy]]"<ref><small>"The Socio politics of the Samaritans in the Palestinian Occupied Territories", par les <abbr>Dr</abbr> Hussein Ahmad Yousef et Iyad Barghouti, ''An-Najah National University''.</small></ref>.
 
Saika ny Samaritana rehetra no monina tao amin'ny vakin-tanàn'i Nablosa (izay nantsoina hoe Sekema na Sikema tany aloha), ao Jordania Andrefana, eo ambanin'ny tendrombohitra Garizima, izay tsy ananany zo manokana. Ny mpanjakan'i Jordania atao hoe Hussein (nanjaka 1952--1999) dia nividy tany teo amin'ilay tendrombohitra kaizay nomeny ny vahoaka samaritana. Nanorin-tanàna teo ny Samaritana izayka nomenynanome nyanarana anaranaazy hoe Kiryat Luza (hebreo: קרית לוזה; arabo: قرية لوزة‎). Ankehitriny io faritra io dia lasa foiben'ny fiainana ara-panahin'ny vahoaka samaritana manontolo ka eo no onenan'ny mpisorom-be. Zava-dehibe amin'ny Samaritana ny fanapehanfanapahan-kevitry ny mpanjaka Hussein. Ahitana [[sinagoga]] ny ao amin'io tanàna io. Ny Samaritana ao Nablosa dia tsy monina ao Kiryat Luza avokoa, nefa noho ny afitsok'ireo Intifada roa dia maro aminy no nanorim-ponenana teo amin'ny faritra milamina kokoa eo amin'ny tendrombohitra Garizima<ref><small>Ny ''Intifada'' dia fihetsiketsehana nataon'ny vahoaka hanoherana ny tafika israeliana izay nitoby teo amin'ireo faritra azon'ny Israeliana sy tamin'ny faritra nomena ny Fahefana palestiniana toa ny faritr'i Gaza sy i Jordania Andrefana.</small></ref>.
 
Miteny arabo andavanandro ny Samaritana ao [[Jordania Andrefana]] nefa mampiasa fiteny hebreo samaritana rehefa amin'ny fanompoam-pivavahana.
 
== Loharano sy fanamarihana ==