Samaritana: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Andalana faha-2:
Ny '''[[Samaritana]]''' dia vahoaka monina ao [[Isiraely|Israely]] sy [[Sisjordania]] ka ao [[Samaria]], tanàna ao amin'ny tapany avaratr'i [[Palestina]], no tany nonenan'ireo razany izay nanjaka tao mandraka amin'ny taonjato faha-5. Tsy milaza ny tenany ho [[Jiosy]] izy ireo nefa mihevi-tena ho taranaky ny [[Israelita]] fahiny nonina tao amin'ny [[Fanjakan'i Israely (Samaria)|Fanjakan'i Israely]] tao avaratra tao Samaria. Misy ny Jiosy mihevitra azy ireo ho taranak'olona vahiny tsy Israelita. Na tamin'ny andro mifanandrify amin'ny zavatra tantaraina ao amin'ny [[Testamenta Vaovao]] dia navakavahan'ny Jiosy ny Samaritana. Ny [[Isiraely|Fanjakan'i Israely]] amin'izao fotoana izao anefa dia manao ny Samaritana ho Jiosy.
 
Manana fivavahana mifanakaiky amin'ny [[Jodaisma|fivavahana jiosy]] azy manokana, atao hoe ''samaritanisma'', ny Samaritana, nefa ny boky dimy voalohany ao amin'ny [[Baiboly]] ihany (atao hoe [[Pentateoka]]), fa tsy ny [[Baiboly hebreo]] manontolo, no ekeny ho [[Soratra Masina]]. Ny tendrombohitra [[Tendrombohitra Garizima|Gerizima]] no tendrombohira masina fa tsy i Ziona na Siona. Manana ny abidiny manokana koa izy ireo dia ny [[abidy samaritana]] izay tsy mitovy amin'ny [[abidy hebreo]]. Amin'izao fotoana izao dia misy ny Samaritana israeliana sy ny Samaritana jordaniana ary ny Samaritana palestiniana. Vitsy izy ireo satria tamin'ny taona 2007 dia 796 no isany.
 
== Jereo koa: ==