Tendrombohitra Garizima: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanisy sary
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Namafa soratra tsy ilaina
Andalana faha-21:
Tany amin'ny taona 330 tal. J.K. tany ho any ny vahoaka samaritana dia nanorina tempoly teo an-tampon'ny tendrombohitra Gezirima izay nanjary foibentoeran'ny fivavahana samaritana (na samaritanisma), sahala amin'ny [[Tempolin'i Jerosalema]] izay foibentoeran'ny fivavahana jiosy (na [[jodaisma]]). Io tempoly io dia naorina taloha kelin'ny famaboan-tanàna nataon'i [[Aleksandra Lehibe|Aleksardra Lehibe]] <ref><small>Ursula Schattner-Rieser (chargée de cours d'araméen et de grammaire comparée des langues sémitiques à l'ELCOA de l'Institut catholique de Paris, et chargée de conférences d’"hébreu qumrânien et dialectes araméens des premiers siècles" à l'École pratique des hautes études en Sorbonne) Des Samariens au bon Samaritain, ou le plus petit groupe ethnico-religieux.</small></ref> na taoriana kelin'izany <ref name=":0"><small>Araka ny lahatsoratra "Samaritans" ao amin'ny ''Jewish Encyclopedia,'' 1901-1906.</small></ref>. Voahodidina manda fiarovana, araka ny [[Bokin'ny Makabeo]], io tempoly io tamin'izany fotoana izany. Noravan'ilay mpanjaka hasmoneana atao hoe Joany Hirkana I <ref><small>I Joany Hirkana I dia zanakalahy faharoan'i Simona Makabeo sady mpisorom-be tao amin'ny Tempolin'i Jerosalema tamin'ny faran'nytaonjato faharoa tal. J.K.</small></ref> tamin'ny taonjato faharoa tal. J.K. io tempoly io (taona 108 tal. J.K.).
 
Araka ny fisavana ny tao ambanin'ny tany sy araka ny loharanon-kevitra tamin'ny [[Andro Taloha]] dia nisy tempoly naorina ho an'i Zeosy (andriamanitra grika: Ζεύς / ''Zeús'') teo amin'io toerana io tamin'ny andron'ny emperora romana Hadriano (latina: ''Imperator Cæsar Traianus Hadrianus Augustus''). Rehefa niova ho amin'ny fivavahana kristiana ny Empira bizantina dia nanery ireo vahoaka vitsy anisa mba hanaraka ny [[fivavahana kristiana]] araka ny heveriny ho ny tena izy. Ny emperora Zeno (latina : ''Flavius Zeno Perpetuus Augustus''), izay nanjaka hatramin'ny taona 474 ka hatramin'ny 491 dia nanenjika ny [[Jiosy]] sy ny Samaritana sady nandrodana ny tempoly samaritana (fanidroany izany) izay tsy voaorina intsony (2)<ref name=":0" />.
[[Sary:Samaritans marking Passover on Mount Gerizim, West Bank - 20060418.jpg|vignette|276x276px|Samaritana manao fivahiniana masina mandritra ny [[Paska jiosy|Paska]] eo amin'ny tendrombohitra Garizima.]]
Rehefa tonga fivavahana matanjaka indrindra ny fivavahana kristiana teo amin'ny empira romana dia tsy navela hankeny amin'ny tendrombohitra Gerizima ny Samaritana. Fiangonana voaaro manda no naorina teo an-tampony. Isan'ny niteraka ny fikomian'ny Samaritana izany izay notarihin'i Joliano bena Sabara tamin'ny taonjato faha-6, dia fikomiana narahana famaizana mahery vaika ka saika nandripaka tanteraka ny Samaritana tao avaratr'i [[Palestina]] izay tsy nisy sisa afa-tsy mponina vitsy dia vitsy.
 
Na dia noravana aza ny tempolin'ny Samaritana dia nijanona ho foiben'ny fivavahana samaritana ny tendrombohitra Garizima hatramin'izao. Izany no mahatonga ny mpisorom-be samaritana tsy maintsy honina manodidina an'ilay tendrombohitra. Fidina avy amin'ireo fianakaviana (na "trano") mpisorona "izay heverina fa taranak'i [[Aarona]], rahalahin'i [[Mosesy]]" (4)<ref><small>"The Socio politics of the Samaritans in the Palestinian Occupied Territories", par les <abbr>Dr</abbr> Hussein Ahmad Yousef et Iyad Barghouti, ''An-Najah National University''.</small></ref>.
 
Saika ny Samaritana rehetra no monina tao amin'ny vakin-tanàn'i Nablosa (izay nantsoina hoe Sekema na Sikema tany aloha), ao Jordania Andrefana, eo ambanin'ny tendrombohitra Garizima, izay tsy ananany zo manokana. Ny mpanjakan'i Jordania atao hoe Hussein (nanjaka 1952--1999) dia nividy tany teo amin'ilay tendrombohitra ka nomeny ny vahoaka samaritana. Nanorin-tanàna teo ny Samaritana izay nomeny ny anarana hoe Kiryat Luza (hebreo: קרית לוזה; arabo: قرية لوزة‎). Ankehitriny io faritra io dia lasa foiben'ny fiainana ara-panahin'ny vahoaka samaritana manontolo ka eo no onenan'ny mpisorom-be. Zava-dehibe amin'ny Samaritana ny fanapehan-kevitry ny mpanjaka Hussein. Ahitana sinagoga ny ao amin'io tanàna io. Ny Samaritana ao Nablosa dia tsy monina ao Kiryat Luza avokoa, nefa noho ny afitsok'ireo Intifada roa dia maro aminy no nanorim-ponenana teo amin'ny faritra milamina kokoa eo amin'ny tendrombohitra Garizima<ref><small>Ny ''Intifada'' dia fihetsiketsehana nataon'ny vahoaka hanoherana ny tafika israeliana izay nitoby teo amin'ireo faritra azon'ny Israeliana sy tamin'ny faritra nomena ny Fahefana palestiniana toa ny faritr'i Gaza sy i Jordania Andrefana.</small></ref>.