Tendrombohitra Garizima: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra sy nanisy rohy
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-2:
Ny '''tendrombohitra Gerizima''' dia tendrombohitra ao [[Jordania Andrefana]] eo akaikin'i Nablosa ao amin'ilay faritra atao hoe [[Samaria]] ao amin'ny [[Baiboly]]. Io tendrombohitra io dia toerana masina ho an'ny [[Samaritana]]. Voasoratra ao amin'ny [[Torah samaritana]] io tendrombohitra io fa tsy hita ao amin'ny [[Torah|Torah jiosy]].
 
Mirefy 881 metatra ny tendrombohitra Garizima ary mideza dia mideza ny ao amin'ny ilany avaratra sady rakotra ahitra ny tampony. Isan'ireo tendrombohitra avo indrindra ao [[Jordania Andrefana]] sy ao [[Isiraely|Israely]] izy. Misy loharano mangatsiatsiaka mivoaka ny eny amin'ny fotony rehefa lohataona. Tanàna madinika roa no miorina eo amin'ny tahezany, dia i Kiryat Luza (tanàna samaritana) sy i Har BrachaBrakha (tanàna jiosy) (hebreo: הַר בְּרָכָה, izay midika hoe "Tendrombohitry ny Fitahiana").
 
== Firesahana an'i Gerizima ao amin'ny Baiboly ==
Ao amin'ny [[Bokin'ny Deoteronomia]] (na Deoterônômy) sy ny [[Bokin'i Josoa]] (na Jôsoe) ary ao amin'ny [[Bokin'ny Mpitsara]] dia ahitana andalana miresaka ny amin'ny tendrombohitra Gerizima.
 
Deoteronomia 11.29: "''Ary rehefa entin'i Jehovah Andriamanitrao ianao ka tafiditra any amin'ny tany izay alehanao holovana, dia ny fitahiana no hotononinao eo an-tendrombohitra Gerizinia, ary ny fanozonana kosa eo an-tendrombohitra Ebala''."
Deoteronomia 11.29: ""
 
Deoteronomia 27.12: ""
 
Josoa 6.33:
Andalana faha-16:
 
== Tantara ==
Tany amin'ny taona 330 tal. J.K. tany ho any ny vahoaka samaritana dia nanorina tempoly teo an-tampon'ny tendrombohitra Gezirima izay nanjary foibentoeran'ny fivavahana samaritana (na samaritanisma), sahala amin'ny [[Tempolin'i Jerosalema]] izay foibentoeran'ny fivavahana jiosy (na [[jodaisma]]). Io tempoly io dia naorina taloha kelin'ny famaboan-tanàna nataon'i [[Aleksandra Lehibe|Aleksardra Lehibe]] (1)<ref><small>Ursula Schattner-Rieser (chargée de cours d'araméen et de grammaire comparée des langues sémitiques à l'ELCOA de l'Institut catholique de Paris, et chargée de conférences d’"hébreu qumrânien et dialectes araméens des premiers siècles" à l'École pratique des hautes études en Sorbonne) Des Samariens au bon Samaritain, ou le plus petit groupe ethnico-religieux.</small></ref> na taoriana kelin'izany (2)<ref name=":0"><small>Araka ny lahatsoratra "Samaritans" ao amin'ny ''Jewish Encyclopedia,'' 1901-1906.</small></ref>. Voahodidina manda fiarovana, araka ny [[Bokin'ny Makabeo]], io tempoly io tamin'izany fotoana izany. Noravan'ilay mpanjaka hasmoneana atao hoe Joany Hirkana I (zanakalahy faharoan'i Simona Makabeo sady mpisorom-be tao amin'ny Tempolin'i Jerosalema tamin'ny faran'nytaonjato faharoa tal. J.K.) tamin'ny taonjato faharoa tal. J.K. io tempoly io (taona 108 tal. J.K.).
 
Araka ny fisavana ny tao ambanin'ny tany sy araka ny loharanon-kevitra tamin'ny [[Andro Taloha]] dia nisy tempoly naorina ho an'i Zeosy (andriamanitra grika: Ζεύς / ''Zeús'') teo amin'io toerana io tamin'ny andron'ny emperora romana Hadriano (latina: ''Imperator Cæsar Traianus Hadrianus Augustus''). Rehefa niova ho amin'ny fivavahana kristiana ny Empira bizantina dia nanery ireo vahoaka vitsy anisa mba hanaraka ny [[fivavahana kristiana]] araka ny heveriny ho ny tena izy. Ny emperora Zeno (latina : ''Flavius Zeno Perpetuus Augustus''), izay nanjaka hatramin'ny taona 474 ka hatramin'ny 491 dia nanenjika ny [[Jiosy]] sy ny Samaritana sady nandrodana ny tempoly samaritana (fanidroany izany) izay tsy voaorina intsony (2)<ref name=":0" />.
 
Rehefa tonga fivavahana matanjaka indrindra ny fivavahana kristiana teo amin'ny empira romana dia tsy navela hankeny amin'ny tendrombohitra Gerizima ny Samaritana. Fiangonana voaaro manda no naorina teo an-tampony. Isan'ny niteraka ny fikomian'ny Samaritana izany izay notarihin'i Joliano bena Sabara tamin'ny taonjato faha-6, dia fikomiana narahana famaizana mahery vaika ka saika nandripaka tanteraka ny Samaritana tao avaratr'i [[Palestina]] izay tsy nisy sisa afa-tsy mponina vitsy dia vitsy.