Tendrombohitra Garizima: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Pejy momba an'i Palestina
 
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra sy nanisy rohy
Andalana faha-1:
[[Sary:Gerizim.jpg|vignette|314x314px|Ny tendrombohitra Gerizima]]
Ny '''tendrombohitra Gerizima''' dia tendrombohitra ao [[Jordania Andrefana]] eo akaikin'i Nablosa ao amin'ilay faritra atao hoe [[Samaria]] ao amin'ny [[Baiboly]]. Io tendrombohitra io dia toerana masina ho an'ny [[Samaritana]]. Voasoratra ao amin'ny [[Torah samaritana]] io tendrombohitra io fa tsy hita ao amin'ny [[Torah|Torah jiosy]].
 
Mirefy 881 metatra ny tendrombohitra Garizima ary mideza dia mideza ny ao amin'ny ilany avaratra sady rakotra ahitra ny tampony. Isan'ireo tendrombohitra avo indrindra ao [[Jordania Andrefana]] sy ao [[Isiraely|Israely]] izy. Misy loharano mangatsiatsiaka mivoaka ny eny amin'ny fotony rehefa lohataona. Tanàna madinika roa no miorina eo amin'ny tahezany, dia i Kiryat Luza (tanàna samaritana) sy i Har Bracha (tanàna jiosy).
 
Tanàna madinika roa no miorina eo amin'ny tahezany, dia i Kiryat Luza (tanàna samaritana) sy i Har Bracha (tanàna jiosy).
 
== Firesahana an'i Gerizima ao amin'ny Baiboly ==
Ligne 18 ⟶ 16 :
 
== Tantara ==
Tany amin'ny taona 330 tal. J.K. tany ho any ny vahoaka samaritana dia nanorina tempoly teo an-tampon'ny tendrombohitra Gezirima izay nanjary foibentoeran'ny fivavahana samaritana (na samaritanisma), sahala amin'ny Tendrombohitr[[Tempolin'i Jerosalema]] izay foibentoeran'ny fivavahana jiosy (na [[jodaisma]]). Io tempoly io dia naorina taloha kelin'ny famaboan-tanàna nataon'i [[Aleksandra Lehibe|Aleksardra Lehibe]] na taoriana kelin'izany (2). Voahodidina manda fiarovana, araka ny [[Bokin'ny Makabeo]], io tempoly io tamin'izany fotoana izany. Noravan'ilay mpanjaka hasmoneana atao hoe Joany Hirkana I (zanakalahy faharoan'i Simona Makabeo sady mpisorom-be tao amin'ny Tempolin'i Jerosalema tamin'ny faran'nytaonjato faharoa tal. J.K.) tamin'ny taonjato faharoa tal. J.K. io tempoly io (taona 108 tal. J.K.).
 
Araka ny fisavana ny tao ambanin'ny tany sy araka ny loharanon-kevitra tamin'ny [[Andro Taloha]] dia nisy tempoly naorina ho an'i Zeosy (andriamanitra grika: Ζεύς / ''Zeús'') teo amin'io toerana io tamin'ny andron'ny emperora romana Hadriano (latina: ''Imperator Cæsar Traianus Hadrianus Augustus''). Rehefa niova ho amin'ny fivavahana kristiana ny empiraEmpira bizantina dia nanery ireo vahoaka vitsy anisa mba hanaraka ny [[fivavahana kristiana]] araka ny heveriny ho ny tena izy. Ny emlperoraemperora Zeno (latina : ''Flavius Zeno Perpetuus Augustus''), izay nanjaka hatramin'ny taona 474 ka hatramin'ny 491 dia nanenjika ny [[Jiosy]] sy ny Samaritana sady nandrodana ny tempoly samaritana (fanidroany izany) izay tsy voaorina intsony (2).
 
Rehefa tonga fivavahana matanjaka indrindra ny fivavahana kristiana teo amin'ny empira romana dia tsy navela hankeny amin'ny tendrombohitra Gerizima ny Samaritana. Fiangonana voaaro manda no naorina teo an-tampony. Isan'ny niteraka ny fikomian'ny Samaritana izany izay notarihin'i Joliano bena Sabara tamin'ny taonjato faha-6, dia fikomiana narahana famaizana mahery vaika ka saika nandripaka tanteraka ny Samaritana tao avaratr'i [[Palestina]] izay tsy nisy sisa afa-tsy mponina vitsy dia vitsy.
 
Na dia noravana aza ny tempolin'ny Samaritana dia nijanona ho foiben'ny fivavahana samaritana ny tendrombohitra Garizima hatramin'izao. Izany no mahatonga ny mpisorom-be samaritana tsy maintsy honina manodidina an'ilay tendrombohitra. Fidina avy amin'ireo fianakaviana (na "trano") mpisorona "izay heverina fa taranak'i [[Aarona]], rahalahin'i [[Mosesy]]" (4).
 
Saika ny Samaritana rehetra no monina tao amin'ny vakin-tanàn'i Nablosa (izay nantsoina hoe Sekema na Sikema tany aloha), ao Jordania Andrefana, eo ambanin'ny tendrombohitra Garizima, izay tsy ananany zo manokana. Ny mpanjakan'i Jordania atao hoe Hussein (nanjaka 1952--1999) dia nividy tany teo amin'ilay tendrombohitra ka nomeny ny vahoaka samaritana. Nanorin-tanàna teo ny Samaritana izay nomeny ny anarana hoe Kiryat Luza (hebreo: קרית לוזה; arabo: قرية لوزة‎). Ankehitriny io faritra io dia lasa foiben'ny fiainana ara-panahin'ny vahoaka samaritana manontolo ka eo no onenan'ny mpisorom-be. Zava-dehibe amin'ny Samaritana ny fanapehan-kevitry ny mpanjaka Hussein. Ahitana sinagoga ny ao amin'io tanàna io. Ny Samaritana ao Nablosa dia tsy monina ao Kiryat Luza avokoa, nefa noho ny afitsok'ireo Intifada roa (fihetsiketsehana nataon'ny vahoaka hanoherana ny tafika israeliana izay nitoby teo amin'ireo faritra azon'ny Israeliana sy tamin'ny faritra nomena ny Fahefana palestiniana toa ny faritr'i Gaza sy i Jordania Andrefana) dia maro aminy no nanorim-ponenana teo amin'ny faritra milamina kokoa eo amin'ny tendrombohitra Garizima.
 
Miteny arabo andavanandro ny Samaritana ao Jordania Andrefana nefa mampiasa fiteny hebreo samaritana rehefa amin'ny fanompoam-pivavahana.