Fahateraham-baovao (kristianisma): Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
k Sora-matevina
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Andalana faha-1:
Ny [[Fahateraham-baovao (kristianisma)|'''fahateraham'''-'''baovao''']] dia zavatra tsapan'ny olona iray izay milaza fa niaina fiterahana ara-panahy noho ny asan'ny [[Fanahy Masina]] taorian'ny fibebahany amin'ny fahotany ka nahatonga azy hihavana indray amin'Andriamanitra. Aorian'ny fahateraham-baovaon'ny fanahiny dia atsoina hoe "zanak'Andriamanitra" io olona io. Izany fahatsapana momba ny fiovam-po izany dia singa iray lehibe ao amin'ny [[kristianisma evanjelika]].
 
== Ny fahateraham-baobao ao amin'ny Evanjelisma ==
Miaiky ny asam-panavotan'i Kristy amin'ny alalan'ny fieken-keloka sady misafidy manokana ny hanolotra ny fiainany amin'i Jesosy mba hahazo ny fonomezam-pahasoavan'ny famonjena izay mifandray amin'ny fahateraham-baovao ny [[Evanjelisma|Kristiana evanjelika]]. Ny batisan'ny olon-dehibe [[Anabatisma|anabatista]] dia matetika manambara izany fanapahan-kevitra izany.
 
=== Ny fahateraham-baovao ao amin'ny Pentekotisma ===
Araka ny finoan’ny [[Pentekotisma|Pentekotista]] dia hitoetra ao amin’ny olon-drehetra voavonjy marina ny [[Fanahy Masina]] sady miasa amin’ny alalan’izy ireo. Ny olona izay avy novonjena tamin’ny alalan’ny fahateraham-baovao mitohy dia miova tsikelikely ka amin’ny farany dia hiray amin’ny Tenan'i Kristy amin’ny fiombonany amin’ny Fiangonana. Ny fahateraham-baovao dia mahatonga ny Kristiana ho vaovao sy hohamarinina ary ny asa fanamasinana ataon’ny Fanahy Masina dia manomboka amin’izay. Ny lalan’ny famonjena (latina: ''ordo saluto'') (dingana mankany amin’ny famonjena) dia mitarika amin'ny famonjena ny fanahy.