Pentekôtisma: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
k Tsipelina sns
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Andalana faha-1:
[[Sary:Congreso Nacional Juvenil3.jpg|vignette|303x303px]]
Ny '''[[Pentekotisma]]''', izay atao hoe koa [[Pentekotisma|'''Fihetsiketsehan'ny''' '''Pentekosta''']], dia fireham-pinoana kristiana [[Evanjelisma|ara-pilazantsara]] (evanjelika) vokatry ny [[Fifohazam-panahy]] notarihin'ny pastora amerikana Charles Fox Parham sy William Joseph Seymour tao [[Etazonia]] tamin'ny taona 1906. Io fihetsiketsehana io dia manana izao toetra izao: manome lanja manokana ny [[Baiboly]], ny fahaterahana indray, ny [[batisan'ny [[Fanahy Masina]], ny [[Fanomezam-pahasoavan'ny Fanahy Masina|fanomezam-pahasoavan'ny Fanahy Masina]], ny [[Batisan'ny mino|batisan'ny olon-dehibe]] amin'ny maha vavolombelona an-tsitrapo azy, ny fananana saina tia mamita iraka (misiona), ny fanokanan-tena ara-pitondran-tena amin'ny fiainana, ny fahaleovan-tenan'ny fiangonana isan-toerana, ny fisarahan'ny Fiangonana sy ny Fanjakana. Ny Pantekotisma dia mitovy amin'ny [[Fihetsiketsehana karismatika evanjelika|Fihetsiketsehana karismatika]], nefa nivoatra taloha kokoa (indrindra ny tao Etazonia). Ny Kristiana karismatika, indrindra ireo tamin'ny fotoana niantombohan'ireo fihetsiketsehana ireo, dia samy nitoetra tsy niala amin'ny fiangonany avy. Miteny tsy fantatra ny Pentekotista sady mazoto mifady hanina.
 
== Teolojia pentekotista ==
Ny [[teolojia]] pentekotista dia tsy miavaka amin’ny teolojian’ny Fiangonana ara-pilazantsara, afa-tsy ny amin-javatra vitsivitsy.
 
=== Ny Baiboly: fahefana tampony sady farany momba ny finoana ===
Andalana faha-22:
Ny Pentekotista dia manantitra ny amin’ny [[Fanomezam-pahasoavan'ny Fanahy Masina|fanomezam-pahasoavana avy amin'ny Fanahy Masina]] (izay heveriny ho fisehoan'Andriamanitra ara-panahy amin'ny fomba mitohy eo amin'ny tantaran'ny olombelona sy amin'ny tantaram-piainany), noho ny fahasoavana mahagaga ilain'ny Kristiana tsirairay mba hahafahany mandray anjara amin’ny fanompoana ampanaovin’ny Fiangonana<ref><small>Allan Anderson, ''An Introduction to Pentecostalism: Global Charismatic Christianity'', Cambridge University Press, UK, 2013, p. 19</small></ref>. Ireto avy ireo fanomezam-pahasoavana ireo:
 
* ny '''teny fahendrena''': teny na hafatra mahagaga omenomena anyny olona iray;
 
* ny '''teny fahalalana''': fahafahana hahazo tsara ny tian'ny Soratra Masina ho lazaina sy ny foto-pampianarana kristiana
Andalana faha-28:
* ny '''finoana''';
 
* ny '''fanasitranana mahagaga''' amin’ny alalan’ny [[fametrahan-tanana]]: fanasitranananaretinafanasitranana aretina tsy sitran'ny fitsaboana moderina<ref><small>Jôrg Stolz, « "Le Seigneur va guérir une multitude d'entre vous ce matin". Une étude de cas d'un atelier de guérison pentecôtiste », in ''Quêtes de santé''. ''Entre soins médicaux et guérisons spirituelles'' (Nicole Durisch, Ilario Rossi et Jôrg Stolz éd.), Labor et Fides, 2007, p. 67-86</small></ref>;  miankina amin’ny sitrapon’Andriamanitra sy ny finoana izany satria raha tsy misy ny finoana dia tsy misy ny [[fahagagana]].
 
* ny '''faminaniana''';
Andalana faha-34:
* ny '''fahafantarana fanahy samy hafa''';
 
* ny '''fitenenana amin’ny fiteny samy hafa tsy fantatra''': porofo voalohan'ny Batisan'ny Fanahy io; ny ankamaroan'ny fiangonana pentekotista dia mihevitra fa ny tsy fanaovana teny tsy fantatra dia midika tsy fahatanterahan'ny Batisan'ny Fanahy Masina; isan'io koa ny fahazoana amin'ny fomba mahagaga ny teny lazaina amin'ny tenimfitenim-pirenena vahiny.
 
=== Ny amin'Andriamanitra ===
Andalana faha-43:
 
==== Ny Pentekotisma tsy trinitariana ====
Ny Pentekotisma tsy trinitariana dia mampianatra fa tsy persona telo samy hafa miray sobstansa ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. Niseho amin'ny endriky ny Ray Andriamanitra tamin'ny andron'ny [[Famoronana (finoana sy fedrà)|Famoronana]], tamin'ny endriky ny Zanaka (Jesosy Kristy) tamin'ny [[Fahatongavana ho nofo|nahatongavany ho nofo]], ary Fanahy Masina amin'ny asany ao amin'ny fiainan'ny mino<ref><small>Jereo: "[https://web.archive.org/web/20080216034825/http://ourworld.compuserve.com/homepages/pentecostal/One-Top.htm The Son in Biblical Terminology" in Chapter 5 of David Bernard The Oneness of God] (tahiry) 2008-02-16 at the Wayback Machine.. Notsidihina tamin'ny 13/06/2017.</small></ref>. Karazana [[modalisma]] ny teolojia pentekotista tsy trinitariana momba an'Andriamanitra. Ataon'ireo Pentekotista trinitariana ho mpanao [[fampianaran-diso]] (heretika) ireo Pentekotista tsy mino ny Trinite.
 
== Ny Sakramenta na Ordonansa ==
Roa ny [[Sakramenta]] (na Ordonansa) ao amin’ny Pentekotista, dia ny [[Batisan'ny mino]] sy ny [[Fanasan'ny Tompo|Fanasan’ny Tompo]]<ref><small>Chris Green, ''Pentecostal Ecclesiology: A Reader'', BRILL, Netherlands, 2016, p. 148</small></ref>. HoaHo an'ny Pentekotista sasany dia Ordonansa koa ny [[fifanasan-tongotra]].
 
==== Ny Batisan'ny mino ====
Andalana faha-52:
 
==== Ny Fanasan’ny Tompo ====
Ny fiheveran'i KalvinoCalvin ny [[Fanasan'ny Tompo]] ihany no noraisin’ny Pentekotista ka fahatsiarovana ny Sorona Masina nataon'i Kristy izany sy fanavaozana ny Fanekem-pihavanana vaovao ary fotoana isehoan'ny finoan'ny izay miara-misakafo sady mandini-tena amim-pibebahana. Inoany fa fiasam-pahasoavana sy fiderana izany nefa tsipahiny ny fiheverana ny fanasan’ny Tompo ho zavatra atao hahazoana [[famelan-keloka]].
 
== Ny fielezan'ny pentekotisma ==
Araka ny tarehimarika omen'ny Pew Research Center dia miisa any amin'ny 279 000 000 any ho any ny mpino pentekotista maneran-tany. Ireto avy ireo firenena ahitana betsaka ny Pentekotisma:
 
* '''Ameriaka''' : indrindra i Etazonia, i Kanada, i Brezily, i Shily, i Nikaragoa, i Kolombia ary i Arzantina.