Hazaela: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanohy
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanohy
Andalana faha-1:
I '''Hazaela''' dia mpanjakan'i Arama-Damaskosy (na Arama-Damasy) tamin'ny taona 842 hatramin'ny 805 tal. J.K. Araka ny voalazan'ny Baiboly dia tandapa izy talohan'ny haha mpanjaka azy. Nandritra ny fanapahany dia lasa fanjakana lehibe i Arama-Damaskosy izay nanapaka ny ampahany lehibe amin'i Siria sy i Palestina.
 
== Fitantarana ao amin'ny Baiboly ==
Ao amin'ny [[Boky voalohan'ny Mpanjaka]] no iresahana voalohany an'i Hazaela izay nanirahan'Andriamanitra an'i [[Elia]] hanosotra azy ho mpanjakan'i Arama-Damaskosy. Taona maro taty aoriana dia narary i Bena-Hadada II mpajakan'i Arama-Damaskosy ka naniraka an'i Hazaela tandapany miaraka amin'ny fanomezana nankany amin'ny [[Elisa]] (na Elisea) , mpaminany nandimby an'i Elia. Naniraka an'i Hazaela koa i Elisa hilaza amin'i Bena-Hadada fa ho sitrana izy, nefa nambarany an'i Hazaela fa ho faty amin'ny fomba hafa ihany i Bena-Hadada na dia sitrana aza. Ny ampitson'io dia niverina tany ami'min'i Bena-Hadada tany Damaskosy i Hazaela ka namono azy ary nandrombaka ny fanjakana.
 
Nandritra ny 37 taona nanjakany dia nitarika ny [[Arameana]] hiady amin'ny tafik'i [[Jehorama (mpanjakan'i Israely)|Jehorama]] mpanjakan'i [[Fanjakan'i Israely (Samaria)|Isrely]] sy ny tafik'i [[Ahazia (mpanjakan'i Jodà)|Ahazia]] mpanjakan'i [[Fanjakan'i Jodà|Jodà]]. Taorian'ny nandreseny azy ireo tao Ramota any Galaada (na Ramota-Gileada) dia afaka nisakana ny fanafihan'ny [[Asiriana]] koa i Hazaela ka naka ny ampahan-tanin'i Israely any atsinanan'i [[Jordana (ony)|Jordana]], sy nahazo an'i Gata, tanànan'ny [[Filistina]] ary niezaka naka koa an'i Jerosalema.