Bokin' i Nehemia: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Rohy
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Andalana faha-1:
[[Sary:PikiWiki Israel 14284 Jerusalem Wall.jpg|vignette|271x271px|''Ny mandan'i Jerosalema,'' sary avy amin'ny PikiWiki Israel, taona 2011.]]
Ny '''Bokin’i Nehemia''' dia boky ao amin’ny [[Tanakh]] (Baiboly hebreo) sy ao amin’ny [[Testamenta Taloha]] ao amin’ny [[Baiboly]] kristiana. Mitantara ny fikasan’i [[Nehemia]] hanangana ny manda efa nirodana indray ny boky. Araka ny voasoratra ao dia nanendry an’i Nehemia ho governoran’i Joda i [[Artakserksesy]], mpanjakan'i [[Persia]], mba hahatanterahany ny faniriany nefa nisy ny tsy nankasitraka izany, dia [[Jiosy]] (na Jody) sasany sy ireo governoran’ny tanàna nifanakaiky taminy. Vita ihany ny manda. Nanao fanarenana ara-tsosialy sy ny ara-pivavahana i Nehemia. Tanatin’ny roa ambin’ny folo taona no nanatanterahany izany rehetra izany. Rehefa niverina tao Jerosalema indray izy dia nahita fa nikorosy fahana ny fiainan’ny Jiosy tamin’ny fanambadiana vehivavy [[Jentilisa|hafa firenena]], ka nitoetra tao Jerosalema i Nehemia mba hampihatra indray ny Lalàn’i [[Mosesy]].
 
== Ny anaran'ny boky ==
Andalana faha-79:
 
=== Fanadiovana ny tanàna (11 – 13) ===
Nanao fanadiovana ny tanàna sy nanohy ny fanavaozana ara-pivavahana koa i Nehemia: fandroahana ireo [[Jentilisa|tsy Jiosy]] avy ao amin’ny fiangonan’Andriamanitra, fandraràna ny fanaovan-draharaha amin’ny andro [[Sabata (jiosy)|sabata]], fandraràna ny fanambadiana olana hafa firenena.
 
Niverina any Sosa i Nehemia ka nahazo alalana indray hiverina any Jerosalema. Nitsidika an’i Jerosalema fanindroany i Nehemia 12 taona taty aoriana ka hitany fa niverina amin’ny fanaony taloha indray ny Jiosy tao Jerosalema.