Tetiandro mozilmana: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Rohy
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Andalana faha-1:
Ny [[tetiandro miozolmana|'''tetiandro''' '''miozolmana''']] na '''tetiandro silamo''' dia [[tetiandro]] ampiasain'ny fivavahana silamo ka ny iray [[Volana (fotoana)|volana]] ao aminy, izay mitovy amin'ny fitsingerenan'ny [[Volana]] amin'ny Tany, dia misy 29 na 30 andro ary ny iray taona misy 354 na 355 andro. Tetiandro [[Tetiandro manara-bolana|manara-bolana]] tanteraka ny tetiandro miozolmana. Ny fanombohan'ny volana tsirairay dia mifanandrify amin'ny fotoan'ny tsinam-bolana hitan'ny maso. Ampiasaina indrindra amin'ny fankalazana fety amin'ny [[Fivavahana silamo|fivavahana silamo]] ny tetiandro miozolmana. Tsy misy ny fampifanandrifiana ny taona silamo amin'ny tsingerim-pihodinan'ny [[Tany]] amin'ny [[Masoandro]] na amin'ny [[fizaran-taona]]; noho izany dia tsy misy koa ny volana fanampiny (volana faha-13), tsy tahaka ny ao amin'ny [[tetiandro manara-bolana sy masoandro]] toy ny [[tetiandro hebreo]].
 
Ny taona 1 amin'ny tetiandro miozolmana dia mifanandrify amin'ny taona 622 taor. J.K. amin'ny [[tetiandro gregoriana]] ary ny andro voalohany dia mifanandrify amin'ny 15 na 16 Jolay tamin'io taona 622 io. Andro voalohany amin'ny volana ''Muharram'' izany. Io no andro voalohany tamin'ny fifindrà-monin'ny mpaminany [[Mohamady]] sy ireo mpanaraka azy avy ao Maka hankany Iatriba (tanàna fantatra amin'ny anarana hoe Madîna amin'izao fotoana izao). Izany fifindrà-monina izany no atao hoe ''Hiǧrah'' (هجرة) amin'ny teny arabo. Folo taona taorian'io andro io no nampiasana ny tetiandro miozolmana. Atao hoe التقويم الهجري‎ / ''at-taqwīm al-hijrī'' io tetiandro io amin'ny teny arabo.
Andalana faha-76:
* [[Finoana silamo]]
*[[Tetiandro]]
*[[Tetiandro malagasy]]