Bokin' i Jôsoa: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Andalana faha-22:
 
== Ny fizaràna ny boky ==
Azo zaraina roa na telo ny Bokin'i Josoa, ka ny fizaràna voalohany dia mahafaoka ny toko voalohany hatramin'ny toko faha-12.

Ny fizaràna faharoa dia manomboka eo amin'ny toko faha-13 hatramin'ny toko faha-21. Ny fizarana fahatelo dia manomboka eo amin'ny toko faha-22. Raha fizaràna roa fotsiny no atao dia manomboka amin'ny toko faha-13 ka miafara amin'ny toko faha-24 ny fizaràna faharoa. Misy koa ny mizara ny boky ho efatra na mihoatra aza.
 
=== Ny nahazoan'ny Zanak'i Israely ny tany Kanana (Jos. 1 - 12) ===
[[Sary:Tissot The Taking of Jericho.jpg|vignette|''Ny fakana ny mandan'i Jeriko'', nataon'i James Jacques Joseph Tisso]]
Ny fizaràna voalohany izay mitantara ny nahazoan'ny [[Zanak'i Israely]] ny tany nampanantenain'Andriamanitra azy, dia ny tany [[Kanaana (faritra)|Kanana]]. Betsaka ireo tanàna azon'ny Israelita noho ny fanampian'Andriamanitra azy ka ny sasany amin'izany dia azo tamin'ny fomba [[Fahagagana|mahagaga]]. Ohatra amin'izany ny nandrodanana ny mandan'i [[Jeriko]] (na Jerikao) tamin'ny alalan'ny fitsofana trompetra, ny nampijanonan'Andriamanitra ny [[masoandro]] sy ny [[volana]] mba hanohizan'ny Israelita ny ady ka handreseny, ny nandatsahan'Andriamanitra [[havandra]] handripaka ny miaramilan'ireo firenena fahavalo, sns. Io fizaràna io ihany koa no maneho fa tsy manampy ny Zanak'i Israely Andriamanitra rehefa tsy manaja ny [[Fanekem-pihavanana]] izy ireo. Izany, ohatra, no naharesy azy tamin'ny ady nataony tao Ay (na Hay) (Jos. 7.1-12).
 
=== Ny fizaràna ny tany tamin'ireo fokon'i Israely (Jos. 13 - 21) ===
Amin'ity fizaràna ity no ilazana ny [[Fokon'i Israely|foko roa ambin'ny folo]] sy ny antsipiriany momba ny anjara tany nomena azy ireo tsirairay. Nisy ny foko izay efa nahazo ny anjarany tamin'i [[Mosesy]] (na [[Môizy]]) talohan'ny nidirana tao Kanana. Ambara ao koa ny fomba nizarana ny tany, dia ny fanaovana antsapaka. Nisy koa ny fanokanana tanàna fialokalofan'izay nahafaty olona tsy nahy. Ny [[Fokon'i Levy|Levita]] ihany no tsy nahazo anjara tany manokana fa nomena tanàna maneranaao amin'ny foko hafa rehetra.
 
=== Ny hafatra farany nataon'i Josoa (Jos. 21 - 24) ===
Efa antitra i [[Josoa]] tamin'ny nahavitana ny fakàna sy ny fizaràna ny tany [[Kanaana (faritra)|Kanana]] ka nanao hafatra farany ny amin'ny tsy tokony hanaovanhakan'ny [[Zanak'i Israely]] tahaka ny fanaon'ireo firenena manodidina azy sy, ny tsy hifangaroany aminy, ny tokony hitandremany ny lalàna, ary ny fampahatsiahivany ny halehiben'ny herin'Andriamanitra sy ny fanatanterahany ireo fampanantenana izay nataon'Andriamanitra. Nilaza koa i [[Josoa]] fa raha misaraka amin'Andriamanitra ny Israelita ka manompo andriamani-kafa dia ho tonga ireo firenena manodidina ka handripaka azy. Nitady ny valin-tenin'ireo [[Israelita]] i Josoa ho fanamafisana ilay Fanekem-pihavanana eo amin'Andriamanitra sy ny Zanak'i Israely. Nilaza iretsy farany fa hanompo an'Andriamanitra.
 
== Jereo koa ==