Dalila: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Pejy momba ny Baiboly
 
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanisy sary sy nanitsy tsipelina
Andalana faha-1:
[[Sary:Alexandre Cabanel - Samson and Delilah.jpeg|vignette|326x326px|''Mampatory an'i Samsona eo amin'ny lohaliny i Dalila'', sary nataon'i Alexandre Cabanel (taona 1878)]]
I '''Dalila''' dia vehivavy resahina ao amin'ny Baiboly izay isan'ireo vehivevyvehivavy nampitondra faisana ny [[Zanak'i Israely]] noho izy nasain'ny fahavalon'i Israely, ny [[Filistina]], hamantara ny tsiambaratelon'ny herin'i [[Samsona]] izay niraiki-pitia taminy. Ao amin'ny [[Bokin'ny Mpitsara]] toko faha-16 no ahitana ny fitantarana ny amin'i Samsona sy i Dalila. Atao hoe דְּלִילָה / Dalila io anarana io amin'ny teny hebreo ka midika hoe "mpitari-dalana", fa amin'ny teny arabo kosa dia '''دلیله''' izay midika hoe "jejojejo".
 
Tao amin'ny lohasahan'i Soreka no nahitan'i Samsona an'i Dalila izay naharaiki-pitia azy. Ny andrianan'ny Filistina fahavalon'i Israely dia nampanantena sekely volafotsy zato sy arivo an'i Dalila raha hitany ny tsiambaratelon'ny hery lehibe ananan'i Samsona. Intelo i Dalila no nangataka tamin'i Samsona ny mba hahalala ilay tsiambaratelo tamin'i Samsona izay nadainga taminy hatranihatrany. Tamin'ny faninefany dia nambaran'i Samsona azy ilay tsiambaratelon'ny heriny izay mitoetra ao amin'ny volony tsy notapahina hatramin'ny fahaterahany noho izy natokana ho nazira ho an'Andriamanitra.
[[Sary:SamsonDelilahcaravaggio.jpg|vignette|''Noharatan'i Dalila ny lohan'i Samsona'', sary nataon'i Caravaggio, taonjato faha-17.]]
 
Namadika azy amin'izay i Dalila ka naniraka tany amin'ireo andriandahy filistina mba hilaza amin'izy ireo fa efa fantany ny tsiambaratelon'ny herin'i Samsona. Nomen'izy ireo an'i Dalila amin'izay ireo vola nampanantenaina. Nampatorin'i Dalila teo amin'ny lohaliny i Samsona avy eo notapahiny ireo tokom-bolony fito voarandrana. Niala tamin'i Samsona amin'izay ny heriny sy ny fanampian'Andriamanitra azy. Tonga ny Filistina ka nisambotra azy sy nanapotsitra ny masony roa ary nanipy azy tao an-tranomaizina tany Gaza.