Bokin' ny Deoterônômia: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Rohy
Andalana faha-2:
 
== Anaran'ny boky ==
Ny hoe ''Deoteronomia'' na ''Deoterônômy'' dia avy amin'ny [[teny grika]] hoe ''Δευτερονόμιον'' / ''Deuteronómion'', izay avy amin'ny teny roa nakambana hoe ''Δευτερος'' ("faharoa") sy ''νόμoς ''("lalàna). "Lalàna faharoa" ny dika ara-bakitenin'ny hoe ''Δευτερονόμιον.'' Raha ny marina dia tsy lalàna faharoa no hita ao amin'ity boky mitondra io lohateny io ity fa firesahana fanindroany sy fanamafisana ny lalàna efa voalaza rahateo ao amin'ireo boky mialoha azy. Ny [[Tanakh]] dia manondro azy amin'ny hoe ספר דְּבָרִים ''/ Sefer Devarim'' ("ireo teny") izay avy amin'ny andian-teny fanombohan'ilay boky manao hoe "''Aleh ha-devarim''", midika hoe "Izao ireo teny". Hafohezina amin'ny hoe ''דְּבָרִים'' / ''Devarim'' ("Teny") izany.
 
== Fizaràn'ny boky ==
Andalana faha-8:
 
=== Ny lahateny fampidirana (1 – 4) ===
Ampahatsiahivina indray eto ny diadian'ny Zanak'i Israely tao amin’ny tany efitra, izay niainga avy eo amin’ny tendrombohitra [[Tendrombohitra Horeba|Horeba]] (na [[Tendrombohitra Sinay (Baiboly)|Sinay]]) hatrany Kadesy ka hatrany Moaba.
 
=== Ny didy folo sy ny fanazavana ny fampiharana azy (5 – 11) ===
Andalana faha-14:
 
=== Ireo fehezan-dalàna ivon'ny boky (12 – 26) ===
NatokotraNatolotra ny fehezan-dalàna deoteronomika: lalàna hifehezana ny fanompoana hataon’i Israely (Deo. 12 – 16). Nomena ireo fitsipika hifehy ny fiangonana sy ireo mpitarika fivavahana (Deo. 17 – 18). Nomena koa ireo fitsipika ara-piarahamonina (Deo. 19 – 25). Natao ny fanekem-pankatoavana (Deo. 26).
 
=== Fanavaozana manetriketrika ny fanekena (27 – 30) ===
Fitahiana no ho an’izay mitandrina ny lalàna fa ozona kosa no ho an’izay mandika izany (Deo. 27 – 28). Nanao lahateny famaranana momba ny fanekena teo amin’ny lemak’i Moaba i [[Mosesy]] (na Moizy) izay ahitana ireo lalàna rehetra ao amin’ny Fehezan-dalàna Deotronomikadeotronomika (Deo. 12 – 26) taorian’izay nomena tao Horeba. Namporisihina indray i Israely mba hanaja ny lalàn’Andriamanitra (Deo. 29 - 39).
 
=== Ny famindram-pitantanana sy ny nahafatesan’i Mosesy (31 – 34) ===
Napetraka handimby an’i Mosesy i [[Josoa]] (na JosoeJôsoe). Natolotr’i Mosesy an’ireo [[Levita]] (foko-mpisorona) ny Lalàna. Niakatra teny amin’ny tendrombohitra Nebo (na Pisgah) i Mosesy ka teo no nahafatesany sy nandevenan’Andriamanitra azy. Mifarana amin’ny tonon-kira atao hoe ''[[Hiran'i Mosesy|Hiran’i Mosesy]]'' sy ''[[Tsodranon'i Mosesy]]'' ny fitantarana izany zava-nitranga izany (Deo. 31-34).
 
== Jereo koa ==