Menarana varahina: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Pejy momba ny Baiboly
 
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Andalana faha-1:
[[Sary:Tissot The Brazen Serpent.jpg|vignette|316x316px|Ny menarana varahina, nataon'i James Tissot, taona 1896–1902]]
Ny '''menarana varahina''' dia sari-menarana vita amin'ny metaly voasokitra izay nataon'i [[Mosesy]] na Moizy araka ny nandidian'Andriamanitra, mba hahasitrana ny ferin'ireo nokekerin'ny menarana tany an-tany efitra. Itoeran'ny [[Fahasoavana (finoana)|fahasoavan]]'Andriamanitra sy ny fahefany izany menarana varahina izany ka mahasitrana izay mijery azy. Amin'ny teny hebreo dia atao hoe ''נחשתן'' / ''neḥushtān'' izany, izay midika hoe "varahina".
 
Hita ao amin'ny [[Boky faharoanBokin'ny MpanjakaNomery]] (2MpanjNom. 1821.4-9) sy ny [[BokinBoky faharoan'ny NomeryMpanjaka]] (Nom2Mpanj. 2118.4-9) izany tantara izany ary ampahatiahivina ao amin'ny [[Evanjelin'i Joany]] (Joa. 3.14-16) amin'ny famitahana azy amin'i [[Jesosy]] izay nihantona teo amin'ny hazofijaliana.
 
== Ny menarana varahina ao amin'ny Baiboly ==
 
=== Ao amin'ny Testamenta Taloha ===
"4 ''Ary niala tany an-tendrombohitra Hora izy ka nahazo ny lalana mankany amin'ny Ranomasina Mena hanodidina ny tany Edoma; dia kivy ny fanahin'ny olona noho ny lalana''. 5 ''Ary niteny nanome tsiny an'Andriamanitra sy Mosesy ny olona ka nanao hoe: Nahoana no nentinao niakatra avy tany Egypta amin'ny lalan'ny mpisafo-tany izahay ho faty atỳ an-efitra? fa tsy misy mofo na rano atỳ ary mahamonamonaina ny fanahinay itony mofomofo foana itony.'' 6 ''Ary Jehovah dia nampandeha ny menaran'afo teny amin'ny olona, ka nanaikitra ny olona ireny; dia nahafatesana be ny olona Isiraely.'' 7 ''Dia nankeo amin'i Mosesy ny olona ka nanao hoe: Efa nanota izahay, fa efa niteny nanome tsiny an'i Jehovah sy ianao. Ifony amin'i Jehovah izahay mba hanesorany ny menarana aminay. Dia nifona ho an'ny olona Mosesy.'' 8 ''Ary hoy Jehovah taminy: Manaova menaran'afo, ka ahantòny amin'ny hazo lava, ary izay rehetra voakaikitra dia ho velona, raha mijery izany.'' 9 ''Dia nanao menarana varahina Mosesy ka nanantona azy tamin'ny hazo lava; ary izay olona voakaikitry ny menarana ka nijery ilay menarana varahina dia velona''." (Nom. 21.4-9)
 
"I''zy no nandrava ny fitoerana avo sy namakivaky ny tsangam-baton-tsampy sy nikapa ny Aserahany ary nanorotoro ny menarana varahina izay nataon'i Mosesy; fa ny Zanak'Isiraely efa nandoro ditin-kazo manitra tamin'iny hatramin'izany andro izany aza; ary ny anarany nataony hoe Nehostana''." (2Mpanj. 18.4)
 
=== Ao amin'ny Testamenta Vaovao ===
"14 ''Ary tahaka ny nanandratan'i Mosesy ny menarana tany an-efitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak'olona'', 15 ''mba hanana fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy''. 16 ''Fa toy izao izay rehetra mino Azy no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very , fa hanana fiainana mandrakizay.''" (Jao. 3.14-16)