Teôlôjia: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Aucun résumé des modifications
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Andalana faha-18:
 
==== Ao amin'ny Jodaisma ====
Ny tsy nisian'ny fahefana politika misaraka amin'ny fivavahana dia nahatonga ny fandinihana teolojika tsy ho hita afa-tsy tao amin'ny ny tontolo sy ny fiarahamonina ary ny [[sinagoga]], fa tsy nisy toeram-pampianarana manokana, ka isan'izany ireo ady hevitra ifanaovan'ireo Raby momba ny lalàna jiosy sy ny fanaovana heviteny amin'ny [[Torah]]. Zava-dehibe ho an'ny teolojia kristiana sy silamo ary jiosy amin'izao ny teolojian'ny jiosy fahizay<ref><small>Randi Rashkover, '[https://archive.is/20120709141057/http://findarticles.com/p/articles/mi_m2096/is_4_49/ai_58621576 A Call for Jewish Theology'], ''Crosscurrents'', Winter 1999,</small></ref>.
 
Ny teolojian'ny jodaisma dia [[Teolojia apofatika|apofatika]]: tsy miseho manontolo fa amin'ny ampahany Andriamanitra tamin'ny fotoan'ilay roimemy mirehitra (Eksodosy 3.13-14) raha nanonona ny anarany izay tsy hay tononina ao amin'ilay fehezanteny hoe: [[Iahveh|אֶֽהְיֶ֖ה אֲשֶׁ֣ר אֶֽהְיֶ֑ה / ''Ehieh Asher Ehieh'']]. Sady tokana izy no tsy azo fantarina ([[Isaia]] 40.25). Ny tsy fisian'ny zavatra azo ampitahaina aminy sy ny fampitahana azy amin-javatra hafa dia norainsin'i Maimonida izay nanoratra hoe: "Tsy vatana Andriamanitra ary tsy manam-pifanahafana na amin'inona na amin'inona, eo aminy sy ny zavatra noforoniny", ary "ny fisiany tsy tahaka ny azy ireo", ka noho izany dia "tsy samy atao hoe "fisiana" ny fisiany sy ny fisian'izay zavatra ivelany afa-tsy noho ny fitovian'endri-teny"<ref><small>Maïmonide, ''Le Guide des égarés'' Livre I, chap. XXXV.</small></ref>.