Loteranisma: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Andalana faha-17:
==== ''Sola Gratia'' ====
Izany fanambaràna izany dia midika fa ny olombelona dia tsy voavonjy amin'ny alalan'ny asany, na ara-pitondrantena izany na amin'ny fitiavam-bavaka. I Lotera dia naniry ny hanorina fifandraisana misy fitokisana amin'Andriamanitra fa tsy fifandraisana miorina amin'ny fatahorana sy ny fahamelohana intsony. Ny fanasan'ny Tompo (eokaristia) izay ankalazaina isaky ny fanomoam-pivavahana ahitana toriteny dia mampahatsiahy antsika fa Andriamanitra dia fitiavana amin'izao fotoana izao no azo tsapain-tanana ao amin'ny asa azo tsapain-tanana nataon'ny Zanany izay nanolo-tena hamonjena ny olombelona.
 
==== ''Sola Fide'' ====
Ny asa tsara ataon'ny olona dia tsy mandray anjara amin'ny fanavotana azy fa ny finoana irery ihany. Izany finoana izany dia ny finoana ny fahafatesan'i [[Jesosy Kristy]] mitondra fanavotana teo amin'ny hazofijaliana noho ny fahotan'ny olombelona izay miaiky azy ho mpamonjy. Ny finoana irery ihany fa tsy ny foto-pampianaram-pinoana na ny asa tsara ataon'ny olombelona.
 
==== ''Sola Scriptura'' ====
Ny [[Baiboly]] no fahefana fara tampony sady tokana tsy maintsy ankatoavin'ny Kristiana sy ny Fiangonana amin'ny finoany sy ny fiainana maha Kristiana azy. Ny [[Baiboly]] no mirakitra ny tenin'Andriamanitra ka izy irery ihany no mpanoro lalana ho an'ny finoana sy ny fiainana.
 
==== ''Solus Christus'' ====
Ny famonjena ny fanahin'ny olombelona dia tsy maitsy mandalo amin'i Kristy mivantana sy amin'ny alalany irery ihany. I Jesosy Kristy no hany mpanelanelana fa tsy ny mpitondra fivavahana na ny olomasina na ny anjely. Ny ''Solus Christus'' dia manambara koa fa ny famonjena ny fanahin'ny olombelona dia tsy amin'ny alalan'ny fanelanelanan'ny andrim-pivavahana (latina; ''institutio'') na ny sisan-javatra navelan'ny maty (latina: ''reliquiae'').
 
== Jereo koa ==