Epistily ho an' ny Galatiana: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Rohy
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Andalana faha-1:
Ny [[Epistily ho an'ny Galatiana|'''Epistily''' '''ho''' '''an'ny''' '''Galatiana''']] na [[Epistily ho an'ny Galatiana|'''Taratasin'i''' '''Masindahy''' '''Paoly''' '''ho''' '''an'ny''' '''Galatianina''']] dia boky hita ao amin'ny [[Baiboly]], ao amin'ny [[Testamenta Vaovao]] izay isan'ny atao hoe [[epistily]]. Taratasy nalefan'ny Apostoly [[Paoly (apostoly)|Paoly]] ho an'ny fiangonana kristiana tany [[Galatia]] izany. Teo anelanelan'ny taona 50 sy 60 no nanoratana azy.
 
== Ny anaran'ny boky ==
''Επιστολή προς Γαλάτες / Epistolê pros Galates'' no anarany amin'ny [[teny grika]] ary ''Epistula ad Galatas'' kosa amin'ny [[Fiteny latina|teny latina]].
 
Ny Protestanta malagasy sy ny ankamaroan'ny Kristiana malagasy tsy katolika dia manao hoe ''Epistily ho an'ny Galatiana'' (hafohezina amin'y hoe ''Galatiana'') fa ny Katolika malagasy kosa manao azy hoe ''Epistolà'' na ''Taratasin'i Masindahy Paoly'' ''ho an'ny Galatianina'' (hafohezina amin'ny hoe ''Galatianina'').
 
== Famintinana ==
Vao eny am-piandohanan'ny taratasy i Paoly dia manambara ny tenany ho [[apostoly]] marina ary ny fampianarany dia fampianarana marina (Gal. 1.1-10). Nisy mantsy ireo izay nilaza fa apostoly sandoka manao fampianarana tsy izy i Paoly. Ny asa famitana iraka ataon'i Paoly dia avy amin'i Kristy sady nahazo fankatoavana avy amin'ireo Apostoly ao Jerosalema izy (Gal. 1.18 - 12.10). Nanitsy an'i [[Petera]] i Paoly raha nitsahatra tamin'ny fiaraha-misakafo tamin'ny Kristiana [[jentilisa]] izay tsy nanaraka ny [[Lalàn'i Mosesy]] (Gal. 2.1-18). Ny [[finoana irery ihany]], hoy i Paoly, no mahavonjy, hatramin'ny andron'i [[Abrahama]] izany tamin'ny nahazoany fampanantenana avy amin'Andriamanitra. Mijiro vavolombelona i Paoly fa velon'ny finoany an'i [[Jesosy|Kristy]] (Gal. 2.19-20).
 
== Fizaràn'ny boky: ==