Epistily ho an' ny Efesiana: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Rohy
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Rohy
Andalana faha-1:
Ny [[Epistily ho an'ny Efesiana]] na [[Epistily ho an'ny Efesiana|Taratasin'i Masindahy Paoly ho an'ny Efezianina]] dia boky hita ao amin'ny [[Baiboly]], ao amin'ny [[Testamenta Vaovao]] izay isan'ny atao hoe [[epistily]]. Taratasy nalefan'ny Apostoly [[Paoly (apostoly)|Paoly]] ho an'ny fiangonana kristiana tany Efesosy na Efezy na [[Efeso]] izany. Tokony ho teo anelanelan'ny taona 60 sy 63 no nanoratana azy.
 
== Anaran'ny boky ==
Andalana faha-7:
Manomboka ny taratasiny amin'ny fampahatsiahivana ny hevi-dehiben'ny hafany i Paoly. Maty teo amin'ny hazo fijaliana i [[Jesosy|Kristy]] mba hanafaka antsika (Efes. 1.7-8). Nefa natsangan'Andriamanitra tamin'ny fahafatesana i Kristy ka mipetraka eo an-kavanan'Andriamanitra izao, ary any izy no manjaka amin'izao rehetra izao. Hanapaka ny Tontolo ho avy koa i Kristy (Efes. 1.20-21).
 
Mitondra ny [[Jiosy]] sy ny [[Jentilisa]] ho amin'ny toerana iray i Jesosy Kristy ka mandrava ny efitry ny fifankahalana izay manasaraka azy ireo (Efes. 2.14) ary mampiray azy ireo ho samy isan'ny Fiangonana masina itoeran'ny [[Fanahin'Andriamanitra]] (Efes. 2.22). Drafitra mandrakizain'Andriamanitra izany (Efes. 3.11).
 
Tsy misy afa-tsy Tompo iray sy Fanahin'Andriamanitra iray ary Andriamanitra iray izay tsy iza fa ny Ray izay Rain'ny olombelona rehetra (Efes. 4.45). Midika izany fa tokony hamela ny Fanahy hampiray fo azy ireo ny Kristiana mba hiainany am-piadanana (Efes. 4.3). Ivon'ity taratasy ity ny amin'ny maha iray ny Kristiana ao amin'i Kristy. Tokana ny Finoana ary tokana ny [[Batisa]], izay maha toy ny vatana iray ny mpino rehetra.