Iahveh: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
Rohy
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitsy sy nanitatra kely
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Andalana faha-1:
'''[[Iahveh]]''' no anarana iantsoana ny Andriamanitry ny [[Zanak'i Israely]]. Fanoratra ihany koa ny hoe '''''Yahweh''''' na '''''Iahvé''''' na '''''Yahveh'''''. Amin'ny [[Baiboly]] protestanta malagasy]] sy ny [[Baibolin'ny Vavolombelon'i Jehovah]] dia ahitana ny hoe '''''Jehovah'''''. Ny [[Baiboly katolika malagasy]] dia ahitana ny hoe '''''Iahve'''''. Ny Baiboly hebreo ([[Tanakh]]) dia tsy ahitana afa-tsy ny renisoratra hebreo (efatra <big>יהוה (vakina avy ankavanana miankavia)</big>) izay azo soratana amin'ny litera latina hoe ''IHVH'' na ''YHWH<ref name=":0"><small>Tsy misy litera roa manavaka ny "i" amin'ny "y" ny [[abidy hebreo]] fa iray ihany dia ny ''iod''. Toraka izany koa: tsy misy litara roa manavaka ny "v" sy ny "w" dia ny ''vav'' na ''waw''.</small></ref>''.
 
== Fiforonan-teny ==
Ny hoe ''Iahveh'' dia azo avy amin'ny fanampiana [[zanatsoratra]] (''a'' sy ''e'') ny [[renisoratra]] mifanarakaraka <big>יהוה</big> ''ihvh'' (iod - he - vav - he) izay matetika soratana amin'ny sora-baventy latina hoe ''IHVH''. Renisoratra hebreo no nadika amin'ny litera latina hoe "''i"'' na "''I"'' dia ny litera hebreo ''iod''. Io litera io no nanjary soratana hoe "''j''" (vakina hoe /ʒ/ /dʒ/, na /dz/) amin'ny tenim-pirenena sasany. Ao amin'ny [[Tanakh|Baiboly hebreo]] dia ny litera efatra '''יהוה''' (HVHI) vakina avy ankavanana miankavia no voasoratra fa tsy misy zanatsoratra.
 
== Fampiasana ny anaran'Andriamanitra ==
 
=== Fanononana ny teny asehon'ny renisoratra IHVH ===
Ny fanononana ny teny asehon'ny renisoratra hebreo <big>יהוה</big> ao amin'ny Baiboly hebreo (na [[Tanakh]]) izay soratana amin'ny litera latina hoe IHVH dia tsy fantatra mazava, hoy ny mpino ào amin'ny jodaisma sy ny mpikaroka momba ny baiboly sy momba ny teny hebreo maro.
 
==== Nosoloana amin'ny hoe ''Adonay'' ====
Tao amin'ny [[Tempolin'i Jerosalema|tempoly]] jiosy dia lasa fanao ny tsy manonona ny anaran'Andriamanitra mba ho fanajana azy. Nanomboka tokony tamin'ny vanimpotoan'ny [[Fahababoana tany Babilona|fahababoana]] izany. Matetika dia nsoloananosoloana ny teny hoe ''Adonay,'' izay midika hoe "Tompo", ilay anarana rehefa mamaky teny na miresaka ny amin'Andriamanitra ny Jiosy.
 
'''Iahveh'''
 
Ny hoe ''Iahveh'' na ''Yahweh''<ref name=":0" /> dia fanononanafanoratana nifanarahana hitaavy ao amin'ireo Baiboly amin'ny tenyfiteny grikahafa natonta taty aoriana ka ampiasain'ireo mpikaroka momba ny Baiboly. Tsy iofantatra anefa nony tena fanononana[[zanapeo]] tokony hiaraka amin'ireo litera efatra ireo amin'ny teny hebreo. Ny zanapeo '''''a''''' sy '''''o''''' ary '''''e''''' dia tsy avy amin'ny teny hoe ''Adonay'' fa nifanarahana fotsiny taty aoriana sady ivelan'ny fivavahana jiosy mba hahafaha-manonona an'ilay anarana.
 
==== ''Iehovah'' na ''Jehovah'' na ''Yehowah'' ====
Mba hampahatsiahivana ny mpamaky ny fanoloana ny <big>יהוה</big> ''Ihvh'' amin'ny hoe ''Adonay'' dia nasisika ny marika manambara ny zanapeo ao amin'io teny io ka nahazoana ny hoe ''Iahovah'' (''Yahowah'') na ''Iehovah'' (''Yehowah''). Avy amin'io hoe ''Iehovah'' na ''Yehowah'' izay natao ho fampahatsiahivana ny hoe ''Adonay'' io ny hoe ''Jehovah'' hita ao amin'ny fandikana ny Baiboly sasany toy ny [[Baiboly malagasy|Baiboly protestanta amin'ny teny malagasy]]. Efa tany amin'ny taonjato faha-19 no nanomboka ny tsy fampiasanafampiasan'ny mpandika teny maro ny hoe ''Jehovah'' taorian'ny fikarohana momba ny [[Fiteny hebreo|teny hebreo]] nataon'ilay manam-pahaizana alemàna atao hoe Wilhelm Gesenius.
 
=== Fampiasana na tsy fampiasana ny hoe IHVH na YHWH ===
Ny Jiosy, izay milaza ho tsy mahafantatra ihany koa ny tena fanononana ilay anarana, dia tsy manonona azy. AminAraka ny hevitr'izy ireo dia fanajana ihany koa ny didy mifehy ny fampiasana ny anaran'Andriamanitra izay tsy azo tononina izany, dia ny didy milaza hoe: "Aza manonona foana ny anaran'i Jehovah Andriamanitrao". Amin'ny Jiosy dia fanononam-poana ny anaran'Andriamanitra ny fanononana io anarana io, na inona antony, na aiza toerana anaovana izany.
 
Ny Kristiana maro dia nanonona ary mbola misy manonona azy amin'ny endrika samihafa toy ny hoe ''Iahvé'', ''Jehovah'', sns. ary ireo asasoratra fikarohana dia mampiasa ny hoe ''Yahweh''. Taty aoriana dia maro ny Baiboly kristiana tsy ahitana intsony na ny hoe ''Iahve'' na ny hoe ''Jehovah'' fa nanolo azy amin'ny hoe ''Tompo''. Ny ankamaroan'ireo Baiboly protestanta amin'ny teny frantsay dia mampiasa ny hoe ''l'Eternel'' ("ny Mandrakizay"). Ny mpandika tenin'ny Baibolin'ny [[Vavolombelon'i Jehovah]] (''Ny Soratra Masina - Fandikan-Tenin'ny Tontolo Vaovao'') dia nitazona ny anarana hoe ''Jehovah''.
 
Nanomboka tamin'ny naha-Papa an'i [[Benoît XVI|Benoa XVI]] (taona 2005) dia tsy manononananoratra intsony ny hoe ''Iahve'' ny Eglizy Katolika mba ho fanajana ny [[Jiosy]] izay tsy manonona io anarana io.
 
=== Ny anarana hoe ''IHVH'' ao amin'ny Torah ===
Ao amin'ny [[Torah]], izay fitambaran'ny boky dimy voalohany ao amin'ny Baiboly, ny anarana iantsoana an'Andriamanitra dia indraindray ny hoe ''Iahveh'' na ''Yahweh'' ary indraindray koa dia ny hoe ''Elohim''. Heverin'ny mpikaroka Julius Wellhausen ho avy amin'ny loharano atao hoe ''[[Tahirin-kevitra iahvista|Iahvista]]'' na ''Jahvista'' (hafohezina amin'ny hoe ''J'') ireo lahatsoratra ao amin'ny Torah izay manao ny anaran'Andriamanitra hoe ''Iahveh'' na ''Yahveh'' ireo. Izany dia anehoany fa tsy olon-tokana no nanoratra na tsy loharano tokana no nanovozana izay voasoratra ao amin'ireo boky ao amin'ny Pentateoka fa samihafa. Ny manampy an'io [[Tahirin-kevitra iahvista|Loharano iahvista]] (J) io dia ny [[Tahirin-kevitra elohista|Loharano elohista]] (E) sy ny [[Tahirin-kevitra deoteronomista|Loharano deoteronomista]] (D) ary ny [[Tahirin-kevitry ny mpisorona|Loharanon'ny mpisorona]] (P). Mifanohitra amin'ny lovantsofina izay milaza an'i Mosesy ho mpanoratra tokana ny Torah izany.
 
== Ny hevitr'ilay anarana ==