Sola Scriptura: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
k Voambolana
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Andalana faha-1:
Ny andian-teny latina hoe '''''Sola scriptura''''', izay midika hoe "amin'ny alalan'ny Soratra irery" sady adikan'ny teolojiana protestanta miteny malagasy amin'ny hoe "'''Soratra Masina irery ihany'''" dia enti-manondro ilay foto-pampianaranaainga fototra protestanta izay milaza fa ny [[Baiboly]] no fahefana fara tampony sady tokana izay tsy maintsy ankatoavin'ny Kristiana sy ny Fiangonana amin'ny finoany sy ny fiainana maha Kristiana. Misy dimy ireo andian-teny manomboka amin'ny teny hoe ''Sola'' ka iray amin'izany ny "Sola scriptura".
 
Ny [[Baiboly]] no mirakitra ny tenin'Andriamanitra ka izy irery ihany no manana fahefana teolojika sady mpanoro lalana ho an'ny finoana sy ny fiainana. Izany no fintinina amin'ny hoe "ny Soratra Masina irery ihany". Ny toriteny ataonan'ny mpanao raharaham-piangonana voaofana tamin'izany, indrindra voaofan'ny [[Fanahy Masina]], no manazava azy. Amin'ny alalan'ny fijoroana ho vavolombelona ampitainy no amaritany fitsipi-piainana izay ahatakarana sy iasan'ny andraikitry ny tsirairay.