Sola gratia: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Pejy momba ny finoana kristiana
 
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Rohy
Andalana faha-1:
'''Sola gratia''' na '''Fahasoavana irery ihany'''
 
Tsy mendrika ny famonjena azony avy amin' [[Andriamanitra (tokana)|Andriamanitra]] ny olombelona, nefa nomen'Andriamanitra azy maimaimpoana amim-pitiavana izany. Izany koa no mahatonga ny olona ho afaka mitia. Noho izany, nyNy maha izy azy ny olona iray eo anatrehan'Andriamanitra dia tsy miankina amin'ny fitiavany an'Andriamanitra na noho ny toetra tsara ananany na ny fahamendrehany na ny toerany eo amin'ny fiarahamonina. Izany no itenenan'ny Protestanta hoe "ny [[Fahasoavana (kristianisma)|fahasoavana]] irery ihany" (latina: ''Sola gratia'').
 
== Ny fahasoavana ao amin'ny kristianisma ==
Ao amin'ny [[fivavahana kristiana]], ny fahasoavana ([[Fiteny grika|grika]]: ''χάρις'' / ''kharis'') dia fanampiana avy amin'Andriamanitra omena ny olombelona mba hahazoany famonjena, izany hoe ny fahafahana amin'ny fanamelohana sy ozona mandrakizay. Mety hifandray amin'ny famelan-keloka sy amin'ny fitiavana ary amin'ny hatsaram-pon'Andriamanitra ny fahasoavana. Tany Andrefana dia nodinihin'ireo [[Teolojia|teolojiana]] ny fifandraisan'ny fahasoavana sy ny safidin'ny olombelona; ka niadian-kevitra sy nifanoheran'izy ireo ny fahombiazana na ny fahampian'ny fahasoavana hahazoana famonjena. Niteraka fiheverana ny fanendren'Andriamanitra rahateo izay ho voavonjy na ny tsy ho voavonjy ([[predestinasiona]]) ny fiheverana ny fahasoavana.
 
Ho an'ny [[Protestantisma|Protestanta]] dia ilazana ny fanomezana ny olombelona ny famonjena maimaimpoana ao amin'i [[Jesosy|Jesosy Kristy]] izay mitarika ho amin'ny finoana izany. Ny maha izy azy ny olona iray eo anatrehan'Andriamanitra dia tsy miankina amin'ny fitiavany an'Andriamanitra na noho ny toetra tsara ananany na ny fahamendrehany na ny toerany eo amin'ny fiarahamonina, fa ny fahasoavana irery ihany (latina: ''Sola gratia'').
 
== Ny ''Sola gratia'' ao amin'ny loteranisma ==
Izany fanambaràna izany dia midika fa ny olombelona dia tsy voavonjy amin'ny alalan'ny asany, na ara-pitondrantena izany na amin'ny fitiavam-bavaka. I [[Martin Lotera|Lotera]] dia naniry ny hanorina fifandraisana misy fitokisana amin'Andriamanitra fa tsy fifandraisana miorina amin'ny fatahorana sy ny fahamelohana intsony. Ny [[fanasan'ny Tompo]] (eokaristia) izay ankalazaina isaky ny fanomoam-pivavahana ahitana toriteny dia mampahatsiahy antsika fa Andriamanitra dia fitiavana amin'izao fotoana izao no azo tsapain-tanana ao amin'ny asa azo tsapain-tanana nataon'ny [[Zanak'Andriamanitra|Zanany]] izay nanolo-tena hamonjena ny olombelona.
 
== Jereo koa ==