Fanavaozana prôtestanta: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanisy sary
Andalana faha-1:
[[Sary:Lucas Cranach (I) workshop - Martin Luther (Uffizi).jpg|vignette|332x332px|I ''Martin Lotera'' tamin'ny taona 1529, sary nataon'i Lucas Cranach der Ältere.]]
Ny '''[[Fanavaozam-piangonana]]''', izay atao hoe koa [[Fanavaozam-piangonana|Reformasiona]] na [[Fanavaozam-piangonana|Reforma]], dia fihetsiketsehana ara-pivavahana tamin'ny taonjato faha-16 tao amin'ny [[Kristianisma Tandrefana|Fiangonana Tandrefana]] izay nanapitra ny fahambonian'ny [[Papa]] eo amin'ny fitondram-piangonana sady sady niafara tamin'ny fiforonan'ire [[Protestantisma|Fiangonana protestanta maro]]. Ny Fanavaozam-piangonana dia vokatry ny faniriana ny hiverina amin'ny loharano nipoiran'ny [[Kristianisma]]. Te hanome lanja ny fivavahana sy ny fiainana ara-tsosialy amin'ny fomba fijery hafa koa ireo mpanavao fiangonana (na reformatora).
 
Ny Reformasiona dia ahitana taratra ny fanahian'ny fanahin'olombelona<ref><small>Paul Faure, ''La Renaissance'', PUF, 1986, <abbr>p.</abbr> 108</small></ref>, ny amin'ny famonjena, izay ivon'ny fisaintsainan'ireo mpanavao finoana, izay namaky bantsilana ny fahasimban'ny fiarahamonina manontolo nateraky ny fivarotana ny indolzantsa. Nanararaotra ny firoborobon'ny fanaovana pirinty ny mpanavao finoana mba hanaparitahany ny [[Baiboly]] amin'ny fitenin'ny olona andavanandro (indrindra amin'ny [[Fiteny alemana|fiteny alemàna]]<nowiki/>taorian'ny fandikan-teny nataon'i [[Martin Lotera]]), sady naneho fa io boky io dia tsy miresaka ny amin'ny olomasina, na ny amin'ny fanaovana fotoam-pivavahana amin'ny [[Maria (renin'i Jesoa)|Virjina]], na ny amin'ny afo fandiovana. Ny fakana hevitra avy amin'ny Baiboly ho filamatra anefa no isan'ny zavatra nanetsika ireo mpanavao finoana. Izany foto-kevitra izany, izay fantatra amin'ny [[Fiteny latina|teny latina]] hoe ''Sola scriptura'' ("ny [[Soratra Masina]] irery ihany"), no nitari-dalana azy ireo.
 
 
 
Natombok'i Martin Lotera fony izy monka (na moanina) katolika tamin'ny 31 Oktobra 1517 tao amin'ny Empira Masina sy i Ulrich Zwingli tao Zorika, avy eo i Martin Bucer tao Strasborga ary taty aoriana i Jean Calvin tao Parisy sy tao Jeneva ny Reformasiona ka nahazo ny ampahany be tamin'i Eoropa Avaratra-Andrefana. Nandamoka ny ezaka fampihavanana natao tamin'izay ka teraka ny fivakisana teo amin'ny [[Katolisisma|Fiangonana katolika]]<nowiki/>romana sy ireo [[Protestantisma|Fiangonana protestanta]]. Ny Reforma nataon'ny Fiangonana katolika hanoherana izany izay nonomboka tamin'ny konsily tao Tredenta (na Trenta) dia tsy nahatafaverina afa-tsy ampahany amin'ny mponina efa niova ho protestanta.