Volambita: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitsy tsipelina
Andalana faha-2:
Ny '''Volambita''' dia iray amin'ireo volana ao amin'ny [[tetiandro malagasy]] ahitana volana mitondra anarana amin'ny [[teny sanskrita]]. Misy ny milaza fa volana voalohany ao amin'ny faritra nampisa anaram-bolana avy amin'ny fiteny sanskrita io Volambita io nefa misy koa ny milaza zavatra hafa tsy mitovy amin'izay. Ireto ny anaram-bolana avy amin'ny [[Fiteny sanskrity|teny sankrita]] raha ny Volasira no anombohana: ''Volasira, Faosa, Volamaka, Hiahia, Sakamasay, Sakave, Volambita, Asaramanara, Asara, Vatravatra, Asotry'' ary ''Hatsiha''<ref><small>Miovaova isam-paritra ireo anarana ireo sady mety tsy hitovy ny fotoana isehoan'ny volana mitovy anarana.</small></ref>. Miovaova isam-paritra ireo anarana ireo sady mety tsy hitovy ny fotoana isehoan'ny volana mitovy anarana. Marihina fa tsy anaram-bintana ny ''Volambita'' fa anaram-bolana.
 
== Fotoana tondroina amin'ny anarana hoe ''Volambita ''==
=== Laharan'ny Volambita ao amin'ny tetiandro malagasy ===
Tsy tokana ny laharan'ny Volambita (sy ny volana hafa rehetra miaraka aminy) fa miovaova isam-paritra na arakaraka ny mpilaza. Misy ny milaza fa volana voalohany ao amin'ny taona izy satria mifanandrify amin'ny [[lohataona]]. Ireo izay mankalaza taom-baovao malagasy lohataona dia milaza fa amin'ny 22 Septambra no anompbohananombohan'izany volana Volambita izany. Ny fankalazana ny fiandohan'ny lohataona dia lazan'izy ireo fa natao tamin'ny faritra maro teto Madagasikara. Misy ny milaza fa volana faha-11 izy<ref>[[wikt:volambita|''Wiktionary'', "Volambita"]].</ref>.
 
Ny Volambita sakalava koa dia tsy voatery hifanandrify tanteraka amin'ny Volambita tandroy na Volambita betsileo. Ny volana rehetra ao amin'ny lohataona dia nety natao Volambita tamin'ny fotoana faha mpanjaka, araka ny voasoratry ny mpahay tantara. Samy ao anaty lohataona ny Volambita samihafa fa tsy amin'ny fizaran-taona samy hafa.
 
=== Volana malagasy amin'ny teny arabo mifanandrify amin'ny Volambita ===
Raha [[Tetiandro manara-bolana sy masoandro|manara-bolana sy masoandro]] tokoa ny tetiandro malagasy mampiasa ny anaran'[[antokon-kintana]] avy amin'ny [[Fiteny arabo|teny arabo]] dia volana tokana na roa mifanarakaraka tsy miova no mifanandrify amin'ny Volambita. Araka ny filazan'ny sasany dia ny volana [[Adimizana]] no mifanandrify amin'ny Volambita. Misy koa anefa milaza fa ny volana [[Adalo]] no mifanandrify amin'izany<ref><small>Jobily Rakotoson, "L'art divinatoire, parole d'un sage", in ''Madagascar fenêtres'', p.95.</small></ref> <ref><small>[http://icalendrier.fr/calendriers-saga/calendriers/malgache "Le calendrier malgache"] ''iCalendrier.fr''</small></ref>.Raha [[Tetiandro manara-bolana|manara-bolana]] fotsiny ny tetiandro malagasy mampiasa ny anaram-bolana amin'ny teny arabo dia miovaova ny volanvolana mifandrify amin'ny Volambita fa tsy raikitra ka tsy miverina ny fifanandrifiana raha tsy afaka 33 taona gregoriana.
 
== Fankalazana taom-baovao amin'ny lohataona ==
Andalana faha-20:
=== Fanamarinana ara-pitenenana sy ara-boajanahary ===
[[Sary:Cuculus rochii rochii 1888.jpg|vignette|Kankafotra (siantifika: ''Coculus rochii'')]]
Milaza ny mpankalaza taom-baovao lohataona fa ny fiandohan'ny lohataona no tena taom-baovao malagasy satria miandoha na manomboka eo ny [[taona]]. Amin'ny maha fotoana fiandohan'ny taona azy indrindra, hoy izy ireo, no nanomezan'ny [[Ntaolo|Ntaolo malagasy]] azy ny anarana hoe ''lohataona'' (misy koa ny manao hoe ''lohatao'' na ''lohataogno''). Mbola hita taratra ao amin'ny anaran'ilay vorona atao hoe ''taotaonkafa'', ''kankafotra''na ''taotaokafo'' (anarana ara-tsiansa: ''Cuculus poliocephalus rochii''), izay ataon'ny [[Ntaolo]] malagasy fa manambara ny fahatongavan'ny taona hafa, izany hoe taona vaovao izany rehefa maneno amin'ny fiandohan'ny [[lohataona]]<ref><small>"Kankafotra" ao amin'ny ''Dictionnaire malgache et encyclopédie de Madagascar''.</small></ref>. Hita amin'ny angano izany<ref><small>"Le kankafotra et la vintrsy" ao amin'ny ''Agir avec Madagascar''</small></ref> ary hita koa amin'ny ohabolana<ref><small>"Proverbe: Kankafotra" ao amin'ny ''Dictionnaire malgache et encyclopédie''</small></ref> <ref><small>"Ohabolana misy teny hoe kankafotra", in ''Ohabolana.org''</small></ref>sy ny fitenenana maro<ref><small>"Taona, taon-kafa ... volan-kakafotra", ao amin'ny ''Newsmada''.</small></ref> <ref><small>Arnold Van Gennep, ''Tabou et totémisme à Madagascar'', Paris, 1904, p.263</small></ref> ary ny tonon-kalo<ref><small>Miarantsoa Anicet, "Tsy taom-baovao" ao amin'ny ''Tononkalo malagasy''.</small></ref> na hainteny<ref><small>Leonard Fox (ed.), ''Hainteny: The Traditional Poetry of Madagascar'', Bucknell University Press,U.S., 1990, p. 272.</small></ref> tranainy na vaovao.
[[Sary:Cuculus rochii (cropped).JPG|vignette|Kankafotra na Taotaonkafa (siantifika: ''Coculus rochii'')]]
Amin'io fotoana io, hoy ny mpomba ny taom-baovao lohataona, dia manomboka velom-bolo ny zavaboary manontolo, fa tsy ny olombelona ihany, manomboka mitsiry ny ravin'ireo zavamaniry manintsan-dravina, mihamaro ny vorona misiotsioka, manomboka ny fiasan-tany sns, mivoaka avy any anaty tany ireo biby mpilevina ririnina. Tsy ny malagasy ihany no nankalaza ny [[lohataona]] fa firenena maro koa, ka ny volana Marsa, raha ny marina, dia fiandohan'ny lohataona any amin'ny ila-bolantany avaratra, fa ny aty atsimo kosa amin'ny volana Septambra.