Fanandroana malagasy: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
Nanampy
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanisy loharano
Andalana faha-11:
 
==== Alakamisy ====
Andro voalohany ao amin'ny fanandroana sy tetiandro malagasy ny andro [[Alakamisy]]<ref><small>Jobily Rakotoson, "L'Art divinatoire, paroles d'un sage" in ''Madagascar fenêtres'', p. 93.</small></ref>. Ny teny hoe ''Alakamisy'' na ''Lakamisy'' na ''Kamisy'' dia avy amin'ny teny arabo hoe الخميس / ''al-khamīs'' izay midika hoe "andro fahadimy".
 
Araka ny finoan'ny [[Ntaolo]] malagasy dia andro tsara ny Alakamisy fa manantena hisy. Andro fisantarana izay atao (fanorenan-trano, fivohan'ny tafika amin'ny ady) sy tsara anaovana fampakaram-bady. Tsy tsara andevenana ny andro Alakamisy.
Andalana faha-19:
 
==== Asabotsy ====
Andro fahatelo ny andro [[Asabotsy]]. Ny teny hoe ''Asabotsy'' na ''Sabotsy'' dia avy amin'ny teny arabo hoe السبت / ''as-sabt'' izay avy amin'ny teny hebreo hoe שָׁבַת / ''shabbat'' na avy amin'ny teny hebreo hoe ''shabbos'' izay samy manondro ny andro Asabotsy sady midika hoe "andro fitsaharana" na "andro fialan-tsasatra". Andro "mibontsina" ny Asabotsy, araka ny finoan-drazana malagasy, ka natokana hitomaniana sy hamoizana ny maty.
 
==== Alahady ====