Ekinôksa: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Pejy momba ny haikintana sy ny haibolantany
 
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Rohy
Andalana faha-1:
Ny '''ekinoksa''' dia fotona ao amin'ny taona izay amakivakian'ny [[masoandro]] ny velarana foronin'ny [[fehiben-tany]] ao amin'ny habakabaka ka mahatonga ny masoandro hoatry ny mifindra avy amin'ny ila-bolantany atsimo mankamin'ny ila-bolantany avaratra na ny mifamadika amin'izany. Amin'ny fotoan'ny ekinoksa no mampitovy ny halavan'ny andro amin'ny halavan'ny alina, araka ny fahalalan'ny olona niaina talohan'ny vanimpotoana nampandroso ny siansa. Ny teny hoe ''ekinoksa'' dia avy amin'ny [[teny frantsay]] hoe ''equinoxe'', izay avy amin'ny [[teny latina]] hoe ''æquinoctium'', ka ny hoe ''æqui- d''ia avy amin'ny teny latina hoe ''æquus'' dia midika hoe "mira" fa ny -''noctium'' kosa dia avy amin'ny teny latina hoe ''nox, noctis'' izay midika hoe "alina".
 
Misy roa karazana ny ekinoksa, dia ny ekinoksa amin'ny [[lohataona]] sy ny ekinoksa amin'ny [[fararano]]. Ny ekinoksa amin'ny fararano dia mitranga amin'ny volana Marsa (miovaova eo anelanelan'ny 19 sy 21 Marsa) any amin'ny ila-bolantany avaratra fa amin'ny volana Septambra (miovaova eo anelanelan'ny 21 sy 24 Septambra) kosa any amin'ny ila-bolantany atsimo. Ny ekinoksa amin'ny lohataona dia mitranga amin'ny volana Septambra (miovaova eo anelanelan'ny 21 sy 24 Septambra) any amin'ny ila-boloantany avaratra fa amin'ny volana Marsa (miovaova eo anelanelan'ny 19 sy 21 Marsa) kosa any amin'ny ila-bolantany atsimo.