Volambita: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanisy sary
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Tsipelina
Andalana faha-21:
[[Sary:Cuculus rochii rochii 1888.jpg|vignette|Kankafotra (siantifika: ''Coculus rochii'')]]
Milaza ny mpankalaza taom-baovao lohataona fa ny fiandohan'ny lohataona no tena taom-baovao malagasy satria miandoha na manomboka eo ny [[taona]]. Amin'ny maha fotoana fiandohan'ny taona azy indrindra, hoy izy ireo, no nanomezan'ny [[Ntaolo|Ntaolo malagasy]] azy ny anarana hoe ''lohataona'' (misy koa ny manao hoe ''lohatao'' na ''lohataogno''). Mbola hita taratra ao amin'ny anaran'ilay vorona atao hoe ''taotaonkafa'', ''kankafotra''na ''taotaokafo'' (anarana ara-tsiansa: ''Cuculus poliocephalus rochii''), izay ataon'ny Ntaolo malagasy fa manambara ny fahatongavan'ny taona hafa, izany hoe taona vaovao izany rehefa maneno amin'ny fiandohan'ny [[lohataona]]<ref><small>"Kankafotra" ao amin'ny ''Dictionnaire malgache et encyclopédie de Madagascar''.</small></ref>. Hita amin'ny angano izany<ref><small>"Le kankafotra et la vintrsy" ao amin'ny ''Agir avec Madagascar''</small></ref> ary hita koa amin'ny ohabolana<ref><small>"Proverbe: Kankafotra" ao amin'ny ''Dictionnaire malgache et encyclopédie''</small></ref> <ref><small>"Ohabolana misy teny hoe kankafotra", in ''Ohabolana.org''</small></ref>sy ny fitenenana maro<ref><small>"Taona, taon-kafa ... volan-kakafotra", ao amin'ny ''Newsmada''.</small></ref> <ref><small>Arnold Van Gennep, ''Tabou et totémisme à Madagascar'', Paris, 1904, p.263</small></ref> ary ny tonon-kalo<ref><small>Miarantsoa Anicet, "Tsy taom-baovao" ao amin'ny ''Tononkalo malagasy''.</small></ref> na hainteny<ref><small>Leonard Fox (ed.), ''Hainteny: The Traditional Poetry of Madagascar'', Bucknell University Press,U.S., 1990, p. 272.</small></ref> tranainy na vaovao.
[[Sary:Cuculus rochii (cropped).JPG|vignette|Kankafotra na TaontaonkafaTaotaonkafa (siantifika: ''Coculus rochii'')]]
Amin'io fotoana io, hoy ny mpomba ny taom-baovao lohataona, dia manomboka velom-bolo ny zavaboary manontolo, fa tsy ny olombelona ihany, manomboka mitsiry ny ravin'ireo zavamaniry manintsan-dravina, mihamaro ny vorona misiotsioka, manomboka ny fiasan-tany sns, mivoaka avy any anaty tany ireo biby mpilevina ririnina. Tsy ny malagasy ihany no nankalaza ny [[lohataona]] fa firenena maro koa, ka ny volana Marsa, raha ny marina, dia fiandohan'ny lohataona any amin'ny ila-bolantany avaratra, fa ny aty atsimo kosa amin'ny volana Septambra.