Volambita: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanisy sary
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Tsipelina
Andalana faha-1:
Ny '''Volambita''' dia iray amin'ireo volana ao amin'ny [[tetiandro malagasy]] ahitana volana mitondra anarana amin'ny [[teny sanskrita]]. Misy ny milaza fa volana voalohany ao amin'ny faritra nampisa anaram-bolana avy amin'ny fiteny sanskrita io Volambita io nefa misy koa ny milaza zavatra hafa tsy mitovy amin'izay. Ireto ny anaram-bolana avy amin'ny [[Fiteny sanskrity|teny sankrita]] raha ny Volasira no anombohana: ''Volasira, Faosa, Volamaka, Hiahia, Sakamasay, Sakave, Volambita, Asaramanara, Asara, Vatravatra, Asotry'' ary ''Hatsiha''<ref><small>Miovaova isam-paritra ireo anarana ireo sady mety tsy hitovy ny fotoana isehoan'ny volana mitovy anarana.</small></ref>. Miovaova isam-paritra ireo anarana ireo sady mety tsy hitovy ny fotoana isehoan'ny volana mitovy anarana. Marihina fa tsy anaram-bintana ny ''Volambita'' fa anaram-bolana.
 
== Fotoana tondroina amin'ny ananaranaanarana hoe Volambita ==
=== Laharan'ny Volambita ao amin'ny tetiandro malagasy ===
Tsy tokana ny laharan'ny Volambita (sy ny volana hafa rehetra miaraka aminy) fa miovaova isam-paritra na arakaraka ny mpilaza. Misy ny milaza fa volana voalohany ao amin'ny taona izy satria mifanandrify amin'ny [[lohataona]]. Ireo izay mankalaza taom-baovao malagasy lohataona dia milaza fa amin'ny 22 Septambra no anompbohan'izany volana Volambita izany. Ny fankalazana ny fiandohan'ny lohataona dia lazan'izy ireo fa natao tamin'ny faritra maro teto Madagasikara. Misy ny milaza fa volana faha-11 izy<ref>[[wikt:volambita|''Wiktionary'', "Volambita"]].</ref>.