Volambita: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nandamina
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Andalana faha-4:
Tsy tokana ny laharan'ny Volambita (sy ny volana hafa rehetra miaraka aminy) fa miovaova isam-paritra na arakaraka ny mpilaza. Misy ny milaza fa volana voalohany ao amin'ny taona izy satria mifanandrify amin'ny [[lohataona]]. Ireo izay mankalaza taom-baovao malagasy lohataona dia milaza fa amin'ny 22 Septambra no anompbohan'izany volana Volambita izany. Ny fankalazana ny fiandohan'ny lohataona dia lazan'izy ireo fa natao tamin'ny faritra maro teto Madagasikara. Misy ny milaza fa volana faha-11 izy<ref>[[wikt:volambita|''Wiktionary'', "Volambita"]].</ref>.
 
Ny Volambita sakalava koa dia tsy voatery hifanandrify tanteraka amin'ny Volambita tandroy na Volambita betsileo. Ny volana rehetra ao amin'ny lohataona dia nety natao Volambita tamin'ny fotoana faha mpanjaka, araka ny voasoratry ny mpahay tantara. Samy ao anaty lohataona ny Volambita samihafa fa tsy amin'ny fizaran-taona samy hafa.
 
== Volana malagasy amin'ny teny arabo mifanandrify amin'ny Volambita ==
Raha [[Tetiandro manara-bolana sy masoandro|manara-bolana sy masoandro]] tokoa ny tetiandro malagasy mampiasa ny anaran'[[antokon-kintana]] avy amin'ny [[Fiteny arabo|teny arabo]] dia volana tokana na roa mifanarakaraka tsy miova no mifanandrify amin'ny Volambita. Araka ny filazan'ny sasany dia ny volana [[Adimizana]] no mifanandrify amin'ny Volambita. Misy koa anefa milaza fa ny volana Adalo no mifanandrify amin'izany<ref><small>Jobily Rakotoson, "L'art divinatoire, parole d'un sage", in ''Madagascar fenêtres'', p.95.</small></ref> <ref><small>[http://icalendrier.fr/calendriers-saga/calendriers/malgache "Le calendrier malgache"] ''iCalendrier.fr''</small></ref>.Raha [[Tetiandro manara-bolana|manara-bolana]] fotsiny ny tetiandro malagasy mampiasa ny anaram-bolana amin'ny teny arabo dia miovaova ny volan mifandrify amin'ny Volambita fa tsy raikitra ka tsy miverina ny fifanandrifiana raha tsy afaka 33 taona gregoriana.
 
== Fankalazana taom-baovao amin'ny lohataona ==
 
==== Fotoam-pankalazana ny taom-baovao lohataona ====
Talohan'ny taona 2016 dia efa nisy ny nanao fankalazana ny taombaovao lohataona tao Antananarivo. Nanomboka tamin'ny taona 2016 dia nisy ny fankalazana taom-baovao malagasy iraisam-paritra izay atao amin'ny volana [[Septambra]] ka tapaka fa amin'ny tsinam-bolan'ny Septambra no anatanterahana izany. Nanapaka ireo mpankalaza taom-baovao lohataona, taty aoriana, tamin'ny taona 2018, fa ankalazaina isaky ny 22 Septambra ny taom-baovao malagasy ho an'ny faritra rehetra eto Madagasikara<ref><small>"Taom-baovao iraisan’ny Malagasy rehetra Nankalazaina teny Ambohimanga, omaly" - ''Tia Tanindrazana''</small></ref>. Io volana Septambra io dia iray amin'ireo volana ao amin'ny fizaran-taona [[lohataona]]. Natao hoe ''Volambita'' rahateo ity vaninandro ity.
 
Araka ireo mpankalaza taom-baovao malagasy lohataona dia ny fiantombohan'ny lohataona dia atao hoe Volambita any amin'ny faritra maro eto Madagasikara izay nampiasa ny anaram-bolana amin'ny [[Fiteny sanskrity|teny sanskrity]]<ref><small>Constant HAMES (coll.), ''Coran et talismans - Textes et pratiques magiques en milieu musulman'', 2007, p. 240.</small></ref>. Tsy vao tamin'io taona 2018 io tsy akory, hoy izy ireo, no nanombohan'ny Malagasy nankalaza ny taom-baovao lohataona.
Raha [[Tetiandro manara-bolana|manara-bolana]] fotsiny ny tetiandro malagasy mampiasa ny anaram-bolana amin'ny teny arabo dia miovaova ny volan mifandrify amin'ny Volambita fa tsy raikitra ka tsy miverina ny fifanandrifiana raha tsy afaka 33 taona gregoriana.
 
'''Fanamarinana ara-pitenenana sy ara-boajanahary'''
 
Milaza ny mpankalaza taom-baovao lohataona fa ny fiandohan'ny lohataona no tena taom-baovao malagasy satria miandoha na manomboka eo ny [[taona]]. Amin'ny maha fotoana fiandohan'ny taona azy indrindra, hoy izy ireo, no nanomezan'ny [[Ntaolo|Ntaolo malagasy]] azy ny anarana hoe ''lohataona'' (misy koa ny manao hoe ''lohatao'' na ''lohataogno''). Mbola hita taratra ao amin'ny anaran'ilay vorona atao hoe ''taotaonkafa'', ''kankafotra''na ''taotaokafo'' (anarana ara-tsiansa: ''Cuculus poliocephalus rochii''), izay ataon'ny Ntaolo malagasy fa manambara ny fahatongavan'ny taona hafa, izany hoe taona vaovao izany rehefa maneno amin'ny fiandohan'ny [[lohataona]]<ref><small>"Kankafotra" ao amin'ny ''Dictionnaire malgache et encyclopédie de Madagascar''.</small></ref>. Hita amin'ny angano izany<ref><small>"Le kankafotra et la vintrsy" ao amin'ny ''Agir avec Madagascar''</small></ref> ary hita koa amin'ny ohabolana<ref><small>"Proverbe: Kankafotra" ao amin'ny ''Dictionnaire malgache et encyclopédie''</small></ref> <ref><small>"Ohabolana misy teny hoe kankafotra", in ''Ohabolana.org''</small></ref>sy ny fitenenana maro<ref><small>"Taona, taon-kafa ... volan-kakafotra", ao amin'ny ''Newsmada''.</small></ref> <ref><small>Arnold Van Gennep, ''Tabou et totémisme à Madagascar'', Paris, 1904, p.263</small></ref> ary ny tonon-kalo<ref><small>Miarantsoa Anicet, "Tsy taom-baovao" ao amin'ny ''Tononkalo malagasy''.</small></ref> na hainteny<ref><small>Leonard Fox (ed.), ''Hainteny: The Traditional Poetry of Madagascar'', Bucknell University Press,U.S., 1990, p. 272.</small></ref> tranainy na vaovao.
 
Amin'io fotoana io, hoy ny mpomba ny taom-baovao lohataona, dia manomboka velom-bolo ny zavaboary manontolo, fa tsy ny olombelona ihany, manomboka mitsiry ny ravin'ireo zavamaniry manintsan-dravina, mihamaro ny vorona misiotsioka, manomboka ny fiasan-tany sns, mivoaka avy any anaty tany ireo biby mpilevina ririnina. Tsy ny malagasy ihany no nankalaza ny [[lohataona]] fa firenena maro koa, ka ny volana Marsa, raha ny marina, dia fiandohan'ny lohataona any amin'ny ila-bolantany avaratra, fa ny aty atsimo kosa amin'ny volana Septambra.
 
== Jereo koa: ==
 
* [[Taom-baovao malagasy]]
* [[Alahamady]]
* [[Alahamadibe]]
 
== Loharano sy fanamarihana ==