Nebokadnetsara II: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Aucun résumé des modifications
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Andalana faha-1:
I [[Nebokadnetsara II|'''Nebokadnetsara''']] na [[Nebokadnetsara II|'''Nebokadnezara''']] na [[Nebokadnetsara II|'''Nabokôdônôzôra''']] dia mpanjakan'i [[Babilona]] tanelanelan'ny taona 605 sy 562 tal. JK. Nitarika ny amin'nytafika babiloniana izy rehefa hifarana ny fitondran'i Nabopolasara rainy ka tamin'ny taona 605 dia resiny tao Karkemisa ao Siria ny Egiptiana. Nanafika matetika niankandrefana tany Siria sy Palestina sy Egipta ary Arabia izy. Resiny ny tafik'i [[Fanjakan'i Jodà|Jodà]] tamin'ny taona 597 tal. J.K. ka azony i Jerosalema ary nentiny ho [[Fahababoana tany Babilona|babo any Babilona]] ny mpanjaka [[Joiakima]] sy ny vahoakany maro koa. Nisy ny fikomiana nanohitra azy tao amin'ny [[Fanjakan'i Jodà]] tamin'ny taona 599-587 tal. J.K. ka famaizana mahatsiravina no nasetriny izany izay nanaovany sesitany [[Jiosy]] maro indray tany Babilona. Nataony fahirano mandritra ny 13 taona ny tananan'i Tiro any Foinikia ary nanafika an'i Egipta koa izy tamin’ny taona 568 tal J.K. Maty tamin'ny taona 562 tal J.K. i Nebokadnetsara ka i Avela-Mardoka (na Amela-Merodaka) no nandimby azy.
 
== Ny anarany ==
Amin'ny [[fiteny babiloniana]] dia ''Nabûkudurrîutsur'' no fiantsoana an'i Nebokadnetsara. Avy amin'ny fitenenana [[Akady|akadiana]] hoe ''Nabou-kudurri-usur'' ny anaran'i Nebokadnetsara. Io dia midika hoe "Ry Nabo, arovy ny lahimatoako !". I Nabo dia [[Andriamanitra (anarana iombonana)|andriamanitry]] ny fahendrena babiloniana sady zanaky ny andriamanitra Mardoka (''Marduk''). Ny [[Tanakh|Baiboly hebreo]] dia manao azy hoe נבכדנאצר / ''Nebukadné’tsar'' fa amin'ny [[teny grika]] kosa dia ''Ναβουχοδονόσωρ'' / ''Naboukhodonósôr''. Ny [[Arabo (olona)|Arabo]] manoratra hoe نبوخذنصر / ''Nibûḫaḏniṣṣar''.
 
Ny [[Baiboly katolika malagasy]] dia manoratra hoe ''Nabokôdônôzôra'' (manakaiky ny [[Fiteny frantsay|teny frantsay]] hoe ''Nabuchodonosor'') fa ny [[Baiboly protestanta amin'ny teny malagasy|Baiboly protestanta malagasy]] manao hoe ''Neboladnezara'' (manakaiky ny teny anglisy hoe ''Nebuchadnezzar'') ary ny [[Baiboly DIEM]] manao hoe ''Nebokadnetsara'' (manakaiky ny [[Fiteny hebreo|teny hebreo]] hoe ''Nebukadné’tsar'').
 
== Jereo koa: ==