Loteranisma: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
Tsipelina sy rohy
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Andalana faha-4:
Ahitana fiangonana loterana koa ny any amin'ny faritra na firenena hafa toa an'i Alzasa, i Lorena, i Madagasikara, i Namibia, i Polonia ary ireo firenena balta. Mahakasika ny finoan'ny Kristiana loterana sy ireo Fiangonana loterana ary ny antontan-tsoratra momba ny teolojia sy ny anjara asanan'ny fiangonana ny loteranisma. Harena iombonan'ny Fanavaozam-piangonana protestanta ny teolojian'i Lotera.
 
== Jereo koa:Fiforonan-teny ==
Ny anarana hoe ''loterana'' dia teny fanaratsiana an'i Lotera nataon'ny ilay teolojiana skolastika alemàna atao hoe Johann Maier von Eck nandritra ny Adihevitra tao Leipzig tamin'ny volana Jolay 1519<ref name=":0"><small>Espín, Orlando O. and Nickoloff, James B. ''An introductory dictionary of theology and religious studies''. Collegeville, Minnesota: Liturgical Press, p. 796.</small></ref>. I Eck sy ny mpino katolilka hafa koa dia nanaraka ny fomba fanomezana anarana ireo mpanao fampianaran-diso (heretika) izay mifototra amin'ny anaran'ny mpitarika azy, ka ny hoe ''loterana'' dia napetaka hilazana ny teolojian'i Martin Lotera<ref name=":1"><small>Fahlbusch, Erwin, and Bromiley, Geoffrey William, ''The Encyclopedia of Christianity, Volume 3''. Grand Rapids, Michigan: Eerdmans, 2003. p. 362.</small></ref>.
 
I Martin Lotera dia tsy nankasitraka ny teny hoe loterana, fa nisdafidy ny hoe ''Evangelisch'' (''evanjelika'' na ''evanjelikaly'', ''ara-pilazantsara'') izay avy amin'ny teny grika hoe ''εὐαγγέλιον'' / ''euangelion'' izay midika hoe "vaovao mahafaly", izany hoe "filazantsara"<ref name=":0" />. Ny mpanaraka an'i Jean Calvin, i Ulrich Zwingli sy ny teolojiana maro hafa mifandray amin'ny Reformasiona dia nampiasa koa io teny hoe ''evangelisch'' (alemàna) na ''evangelical'' (anglisy) na ''evangélique'' (frantsay) io. Mba hanavahana ireo vondrona evanjelika na ara-pilazantsara roa ireo dia niosy ireo izay nanondro ireo vondrona roa ireo ho ''Loterana evanjelika'' (na ''Loterana ara-pilazantsara'') sy ''Nohavaozina evanjelika'' (na ''Nohavaozina ara-pilazantsara''). Rehefa ela ny ela dia tsy nampiasaina itsony ny hoe evanjelika (ara-pilazantsara). Ny mpino loterana dia nampiasa ny hoe loterana hano,droany ny tenany nanomboka tamin'ny tenantenan'ny taonjato faha-16, mba hiavahany amin'ireo vondrona evanjelika hafa toy ny Anabatista sy ny Kalvinista.
 
Tamin'ny taona 1597 dia namaritra ny hoe ''loterana'' ny teolojiana tao Wittenberg hanodroana ny fiangonana marina<ref name=":1" />.
 
== Ny foto-pampianarana loterana ==
 
=== Ny fahasoavana, ny finoana, ny Soratra Masina ary i Jesosy ===
 
==== ''Sola Gratia'' ====
Izany fanambaràna izany dia midika fa ny olombelona dia tsy voavonjy amin'ny alalan'ny asany, na ara-pitondrantena izany na amin'ny fitiavam-bavaka. I Lotera dia naniry ny hanorina fifandraisana misy fitokisana amin'Andriamanitra fa tsy fifandraisana miorina amin'ny fatahorana sy ny fahamelohana intsony. Ny fanasan'ny Tompo (eokaristia) izay ankalazaina isaky ny fanomoam-pivavahana ahitana toriteny dia mampahatsiahy antsika fa Andriamanitra dia fitiavana amin'izao fotoana izao no azo tsapain-tanana ao amin'ny asa azo tsapain-tanana nataon'ny Zanany izay nanolo-tena hamonjena ny olombelona.
 
* [[Fiangonana Loterana Malagasy]]