Fanandroana malagasy: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
Nanampy
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Andalana faha-31:
 
==== Alarobia ====
Andro fahafito ny andro [[Alarobia]]. Ny teny malagasy hoe ''Alarobia'' na ''Larobia'' dia avy amin'ny teny arabo hoe الأربعاء / ''al-’arbi‘ā’'' izay midika hoe "andro fahefatra". Amin'ny Ntaolo malagmalagas
 
asysy dia andro ratsy ny Alarobia, araka ny fitenenana hoe "Alarobia tsy miverina". Natokana ho an'ny famoizana sy ny fandevenana ny Alarobia.
 
== Ny orim-bintana ==
Andalana faha-41:
 
==== Alahamady ====
Ny [[Alahamady]] no volana sy vintana voalohany amin'ny fanandroana. sy[[Renivintana]] tetiandrony malagasyAlahamady. Avy amin'ny anaran'antokon-kintana amin'ny teny arabo hoe االحمل / ''Al-Hamal'' ("ondrilahy") ny teny hoe ''Alahamady''. Ny zoro avaratra-atsinana amin'ny trano no toerana omena azy. Io zoro io dia atao hoe zorofirarazana koa.
 
Inoana ho vintan'[[andriana]] sady vintana maha mpanjaka ny Alahamady. Ny Alahamady no vintana mahery indrindra<ref name=":0"><small>Jobily Rakotoson, "L'art divinatoire, parole d'un sage" in ''Madagascar fenêtres'', 2002, p.95.</small></ref>. Mibaby ny Alohotsy sy mitrotro ny Adalo ny Alahamady fa mifandratra amin'ny Adimizana nefa ny mitanila eo amin'ny Asombola sy Alakarabo izay iandrianany sy iarenany ny izy.
 
==== Adaoro ====
Ny [[Adaoro]] no vintana sy volana faharoa. Avy amin'ny anaran'antokon-kintana amin'ny teny arabo hoe اثور / ''Ath-Thur'' na ''Ath-Thaur'' ("ombilahy") ny hoe ''Adaoro''. [[Zanabintana]] ny Alohotsy. Ny tapany avaratra amin'ny rindrin-trano atsinanana no toerana omena azy. Inoana ho andron'afo na andro mandoro ny Adaoro. Mifandratra amin'ny Alakarabo sady mihataka sy miarina eo amin'ny Adimizana ny Adaoro.
 
==== Adizaoza ====
Vintana sy volana fahatelo ny [[Adizaoza]]. Avy amin'ny anaran'antokon-kintana amin'ny teny arabo hoe اجوزاء / ''Al-Djuza'' ("kambana") ny hoe ''Adizaoza''. Zanabintana ny Adizaoza. Ny toerana omena azy dia ny tapany atsimo amin'ny rindrin-trano antsinanana. Vintana mahery ny Adizaoza ka ny olona ateraka aminy dia "miozanozana" raha tsy alam-bintana. Ny [[Alakaosy]] no mifandratra amin' ny Adizaoza. Eo amin' ny Adizaoza no fitoeran'ny sinibe ao an-trano. Izay olona mikasa hampaka-bady, na hanorin-trano, sns., nefa sendra mifandratra amin'ny vintany ireo andro tsara fanaovana izany, dia ny Adizaoza no tokony hofidiny, fa io tsy mihetsiketsika tahaka ny sinibe, ka hampateza ny zavatra kasaina hatao.
 
==== Asorotany ====
Vintana sy volana fahefatra ny [[Asorotany]]. Avy amin'ny anaran'antokon-kintana amin'ny teny arabo hoe <big><small>ا</small></big><small>سرطان</small> / ''As-Saratan'' na ''As-Sartan'' ("foza") ny hoe ''Asorotany.'' [[Renîvintana]] ny Asorotany. Ny zoron-trano atsimo-atsinana no toerana omena azy. Andro mahery koa, araka ny finoan-drazana malagasy, ny Asorotany.
 
==== Alahasaty ====
Ny [[Alahasaty]] no vintana sy volana malagasy fahadimy. Avy amin'ny anaran'antokon-kintana amin'ny teny arabo hoe اأسد / ''Al-Asad'' ("liona") ny hoe ''Alahasaty.'' Zanabintana ny Alahasaty. Ny tapany atsinanana amin'ny rindrin-trano atsimo no toerana omena azy. Lazaina ho vinta-mpamosavy sy andron'ody ny Alahasaty. Mifandratra amin'ny Adalo sy miarina eo amin' ny Adijady ny vintana Alahasaty.
 
==== Asombola ====
Vintana sy volana fahenina ny [[Asombola]]. Avy amin'ny anaran'antokon-kintana amin'ny teny arabo hoe السنبلة / ''As-Sumbul'' ("virjina") ny hoe ''Asombola.'' [[Zanabintana]] ny Asombola. Ny tapany andrefana amin'ny rindrin-trano atsimo no toerana omena azy. "Vintam-bola" sy vintan'ny olona tia harena ny Asombola.
 
==== Adimizana ====
Ny [[Adimizana]] no vintana sy volana fahafito. Avy amin'ny anaran'antokon-kintana amin'ny teny arabo hoe اميزان / ''Al-Mizan'' ("mizana") ny hoe ''Adimizana.'' [[Renivintana]] ny Adimizana. Ny zoron-trano atsimo-andrefana no toerana omena azy. Vintana mahery ny Adimizana nefa mety ho tsara na hahafaty mbola kely an'izay ateraka aminy. Mitrotro ny Alakarabo sy mibaby ny Asombola ny Adimizana. Ny Adimizana dia mifandratra amin'ny Alahamady sady mitanila sy miarina eo amin'ny Alohotsy sy ny Adaoro.
 
==== Alakarabo ====
Ny [[Alakarabo]] no vintana sy volana fahavalo. Avy amin'ny anaran'antokon-kintana amin'ny teny arabo hoe اعقرب / ''Al-Akrab'' ("maingoka") ny hoe ''Alakarabo.'' Zanabintana ny Alakarabo. Ny tapany atsimo amin'ny rindrin-trano andrefana no toerana omena azy. Vintana tsara ny Alakarabo satria andron'ny fahavokarana. Voalaza fa teraka tamin'ny vava Alakarabo ny mpanjaka [[Ranavalona II]]. Miarina eo amin'ny Alahamady sady mifandratra amin'ny Adaoro ny vintana Alakarabo.
 
==== Alakaosy ====
Ny [[Alakaosy]] dia vintana sy volana fahasivy ao amin'ny fanandroana sy tetiandro malagasy. Avy amin'ny anaran'antokon-kintana amin'ny teny arabo hoe اقوس / ''Al-Kaus'' ("mpitifitra tsipika") ny hoe ''Alakaosy.'' Zanabintana ny Alakaosy. Ny tapany avaratra amin'ny rindrin-trano andrefana no toerana omena azy. Vintana mahery indrindra ny Alakaosy. Raha tsy alam-bintana ny zaza teraka aminy dia ahohoka ho faty fa atahorana hahafaty izay lehibe noho izy. Mifandratra amin'ny Adizaoza Alakaosy sady miarina sy miandriana eo amin'ny Asorotany ny Alakaosy.
 
Lazaina ho teraka Alakaosy ny piraiminisita [[Rainilaiarivony]] vadin'ireo mpanjakavavy merina telo nifandimby. Mba hanalana vintana azy dia napetraka teo am-bavahadim-balan'omby izy raha vao teraka. Tsy maty izy na dia nandalo teo aza ny omby nefa maro tamin'ireo fianakaviany no narary ka nampanapahin'ny ombiasa ny taolana roa amin'ny fanondro sy amin'ny fanondroadala amin'ny tanany ankavia sady nampanalavirina ny fianakaviany izy<ref><small>Annick Cohen-Bessy, ''La Prédiction ou la vie de Rainilaiarivony 1828-1896'', L'Harmattan-Tsipika, 1997.</small></ref>.
 
==== Adijady ====
Vintana sy volana fahafolo ny [[Adijady]]. Avy amin'ny anaran'antokon-kintana amin'ny teny arabo hoe اجدي / ''Al-Djadi'' ("osilahy") ny hoe ''Adijady.'' [[Renivintana]] ny Adijady. Ny zoron-trano avaratra-andrefana no toerana omena azy. Vintana mafy ny Adijady ka tsara anorenana zavatra tiana hateza satria "mijadina mafy". Mitrotro ny Adalo sy mibaby ny Alakaosy ny Adijady. Mifandratra amin'ny Asorotany sad mitanila sy miarina eo amin'ny Alahasaty sy ny Adizaoza ny Adijady.
 
==== Adalo ====
Vintana sy volana faharaika ambin'ny folo ny [[Adalo]]. Avy amin'ny anaran'antokon-kintana amin'ny teny arabo hoe ادلو / ''Al-Dalu'' ("mpandraraka rano") ny hoe ''Adalo.'' [[Zanabintana]] ny Adalo. Ny tapany andrefana amin'ny rindrin-trano avaratra no toerana omena azy. Vintan-dranomaso sy alahelo ny Adalo.
 
==== Alohotsy ====
Vintana sy volana faharoa ambin'ny folo ny [[Alohotsy]]. Avy amin'ny anaran'antokon-kintana amin'ny teny arabo hoe الحوت / ''Al-Hut'' ("trondro") ny hoe ''Alohotsy.'' Zanabintana ny Alohotsy. Ny tapany antsinana amin'ny rindrin-trano avaratra no toerana omena azy. Vintan'olona tsy mahatombin-toerana ny Alohotsy. Mifandratra amin'ny Asombola sy miarina eo amin'ny Adimizana ny vintana Alohotsy.
 
=== Ny vintana malagasy sy ny zodiaka ===
Raha manara-bolana tanteraka ny tetiandro malagasy dia tsy misy ifandraisany ny [[evan'ny zodiaka]] na ny [[antokon-kintan'ny zodiaka]] sy ny volana malagasy, afa-tsy ny fitovian'anarana.
 
Na dia atao hoe manara-bolana sy masoandro aza ny tetiandro malagasy dia mbola tsy mifanandrify ihany ny volana malagasy sy ny antokon-kintan'ny zodiaka mitovy anarana aminy.
Andalana faha-144:
 
=== Ny orim-bintana sy ny singa efatra ===
Araka an'i [[Jobily Rakotoson]]<ref name=":0" /> dia mifandray amin'ny fanandroana ny singa tsirairay, dia ny [[rano]] sy ny [[rivotra]] sy ny [[tany]] ary ny [[afo]].
 
Atao hoe vintan'ny [[rano]] ny Asorotany sy ny Alakarabo ary ny Alohotsy. Vintan'ny [[rivotra]] kosa ny Adimizana sy ny Adalo ary ny Adizaoza. Vintan'ny [[tany]] ny Adaoro sy ny Adijady ary ny Asombola. Vintan'ny [[afo]] ny Alahamady sy ny Alahasaty ary ny Alakaosy.
Andalana faha-151:
 
==== Avaratra ====
Ny avaratra ao an-trano dia vazantany natokana ho anvazantanin'ny fahefana sy ny fibaikoana ary ny fanjakana. AfovoanyAo an-trano dia atao eo afovoany mahazo avaratra ny misy ny fatana. Lafy itoeran'ny vintana [[Adalo]] sy ny [[Alohotsy]] ny avaratra.
 
==== Avaratra adrefana ====
Ny zoronlafin-tranotany avaratra-andrefana nodia toeranaatao omena nyhoe [[Adijady]] ka ny lafin-trano avaratra-andrefana no omena azy.
 
==== Avaratra atsinanana ====
Ny zoro avaratra-atsinana amin'ny trano no toerana omena zoron'ny [[Alahamady]]. IoNy zoro ioavaratra-atsinanana diaamin'ny trano no omena ny Alahamady izay atao hoe zorofirarazana koa. Atao hoe Alahamadintany ny tanana na ny faritra manandrify ny zoro Alahamady amin'ny tanana na faritra iray.
 
==== Atsinanana ====