Tetiandro manara-bolana sy masoandro: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
Ny '''tetiandro manara-bolana sy masoandro''' dia [[tetiandro]] anitana [[Volana (fotoana)|volana]] mitovy faharetana (isan'ny andro) amin'ny tsingerim-pihodinan'ny Volana amin'ny tany (29 na 30 andro) araka ny hitan'ny maso, sady ahitana volana miisa roa ambin'ny folo, nefa misy fampifanandrifiana ny tsingerin-taona amin'ny tsingerim-pihodinan'ny [[Tany]] amin'ny [[Masoandro]] na amin'ny tsingerin'ny [[fizaran-taona]].
 
Ny maro amin'ny tetiandro atao hoe manara-bolana sy masoandro. Ireto avy ireo tetiandro manara-bolana sy masoandro fantatra indrindra: ny [[tetiandro hebreo]], ny [[tetiandro samaritana]], ny [[tetiandro sinoa]], ny [[tetiandro tibetàna]] ary ny [[tetiandro hindoa]]. Ny tetiandro manara-bolana sy masoandro ny an'ny [[Hebreo (mponina)|Hebreo]] sy ny [[Sina|Sinoa]] dia ampiasaina hamaritana ny andro hanaovana firavoravoam-pivavahana na ara-pomban-drazana.
 
Misy 12 volana ny iray taona nefa indraindray dia mitombo 13. Mba hanakekezana kokoa ny tsingerim-pihodinan'ny [[Tany]] amin'ny [[Masoandro]], izay tsapa amin'ny alalan'ny tsingerin'ny [[fizaran-taona]] sy ny toeran'ny antokon-kintana eny amin'ny lanitra, dia anatsofohxana iray volana fanampiny (volana faha-13) isaky ny telo taona eo ny tetiandro manara-bolana sy masoandro. Noho izany misy ireo tetiandro ampiasana ny fifandraisan'ny telo taona amin'ny 37 volana na ny 19 taona amin'ny 235 volana (ity no atao hoe "Tsingerin'i Metona").