Tetiandro manara-bolana: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
Ny '''tetiandro manara-bolana''' dia [[tetiandro]] ahitana [[Volana (fotoana)|volana]] mitovitovy faharetana amin'ny tsingerim-pihodinan'ny [[Volana]] amin'ny [[Tany]] (29 na 30 andro) nefa tsy mampifanandrify ny tsingerin-taona amin'ny tsingerim-pihodinan'ny Tany amin'ny [[Masoandro]] na amin'ny tsingerin'ny [[fizaran-taona]]. Ny faharetan'ny tsingerim-pihodinan'ny [[Volana]] dia 29,5305882 andro nefa ny iray volana dia tsy maitsy misy andro maromaro feno (samy maharitra 24 ora) fa tsy mitovy amin'io isa eo ambony io. Ny [[tetiandro miozolmana]] no tetiandro manara-bolana tanteraka.
 
==== Ny volana ====
Matetika dia misy 29 na 30 andro ny iray volana ao amin'ny tetiandro manara-bolana (amin'ny heviny hentitra) sady tsy maintsy miisa 12 ao anatin'ny iray taona.
 
==== Ny taona ====
Maharitra 354,3670584 andro ny salam-paharetan'ny taona iray ao amin'ny tetiandro manara-bolana, nefa noho ny taona tsirairay izay tokony hisy andro feno dia maharitra 354 na 355 andro izany, izany hoe latsaka 10 na 11 andro raha mitaha amin'ny taona amin'ny [[tetiandro gregoriana]].