Evan' ny zôdiaka: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Pejy momba ny fanandroana sy ny haikintana
 
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
Nanisy rohy sy nanala rohy
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Andalana faha-6:
 
=== Alahamady ===
Ny [[Alahamady]] no vintana voalohany ao amin'ny fanandroana manaraka ny [[zodiaka]]. Ny teny hoe ''Alahamady'' dia avy amin'ny anaran'ny [[antokon-kintana]] amin'ny teny arabo hoe االحمل / ''Al-Hamal'' izay midika hoe "ondrilahy". Amin'ny faritra maro eto Madagasikara dia atao hoe ''Alahamaly'' io teny io. Ny Alahamady ao amin'ny zodiaka mikisaka (frantsay: ''zodiaque tropique'') dia eo anelanelan'ny 21 Marsa sy 20 Avrily. Ny fotoana andalovan'ny [[masoandro]] eo amin'ny [[Antokon-kintana|antokon-kintan]]'ny [[Alahamady (antokon-kintana)|Alahamady]] anefa dia manomboka amin'ny 18 Avrily hatramin'ny 13 Mey.
 
Ao amin'ny [[fanandroana malagasy]] dia vintana voalohany koa ny Alahamady ka ny zoro avaratra-atsinana amin'ny trano no toerana omena azy. Io zoro io dia atao hoe zorofirarazana koa. Misy amin'ny Malagasy ny mandray ny volana Alahamady ho volana voalohany amin'ny taona ao amin'ny [[tetiandro malagasy]].
 
=== Adaoro ===
Ny [[Adaoro]] no vintana faharoa ao amin'ny fanandroana manaraka ny [[zodiaka]]. Avy amin'ny anaran'[[Antokon-kintana|antokon-kintan']]<nowiki/>ny [[zodiaka]] amin'ny [[Fiteny arabo|teny arabo]] hoe اثور / ''Ath-Thur'' na ''Ath-Thaur'' ("ombilahy") ny hoe ''Adaoro''. Ny Adaoro ao amin'ny zodiaka mikisaka dia avy eo amin'ny 21 Mey ka miafara amin'ny 20 Jona. Ny fotoana andalovan'ny [[masoandro]] eo amin'ny [[Antokon-kintana|antokon-kintan]]'ny [[Adaoro (antokon-kintana)|Adaoro]] dia amin'ny 13 Mey hatramin'ny 21 Jona.

Ao amin'ny [[fanandroana malagasy]] dia vintana faharoa koa ny Adaoro ka ny tapany avaratra amin'ny rindrin-trano atsinanana no toerana omena azy. Zanabintana ny Adaoro. Inoana ho andron'afo na andro mandoro ny Adaoro. Mifandratra amin'ny [[Alakarabo]] sady mihataka miarina eo amin'ny [[Adimizana]] ny Adaoro.
 
 
=== Adizaoza ===
Ny [[Adizaoza]] no vintana fahatelo ao amin'ny fanandroana manaraka ny [[zodiaka]]. Avy amin'ny anaran'[[Antokon-kintana|antokon-kintan']]<nowiki/>ny [[zodiaka]] amin'ny [[Fiteny arabo|teny arabo]] hoe اجوزاء / ''Al-Djuza'' ("kambana") ny hoe ''Adizaoza''. Ny fotoan'ny Adizaoza ao amin'ny zodiaka mikisaka dia avy eo amin'ny 21 Mey ka miafara amin'ny 21 Jona. Ny fotoana andalovan'ny [[masoandro]] eo amin'ny [[Antokon-kintana|antokon-kintan]]'ny [[Adizaoza (antokon-kintana)|Adizaoza]] dia amin'ny 21 Jona hatramin'ny 20 Jolay.

Ao amin'ny [[fanandroana malagasy]] dia vintana fahatelo koa ny Adizaoza ka ny tapany atsimo amin'ny rindrin-trano antsinanana no toerana omena azy.
 
 
=== Asorotany ===
Ny [[Asorotany]] no vintana fahefatra ao amin'ny fanandroana manaraka ny [[zodiaka]] sy ao amin'ny fanandroana malagasy manara-bolana. Avy amin'ny anaran'[[Antokon-kintana|antokon-kintan']]<nowiki/>ny [[zodiaka]] amin'ny [[teny arabo]] hoe <big><small>ا</small></big><small>سرطان</small> / ''As-Saratan'' na ''As-Sartan'' ("foza") ny hoe ''Asorotany.'' Ny fotoan'ny Asorotany ao amin'ny zodiaka mikisaka dia avy eo amin'ny 22 Jona ka miafara amin'ny 22 Jolay. Ny fotoana andalovan'ny [[masoandro]] eo amin'ny antokon-kintan'ny [[AntokonAsorotany (antokon-kintana)|antokon-kintanAsorotany]]'ny Asorotany dia amin'ny 20 Jolay hatramin'ny 10 Aogositra.

Ao amin'ny [[fanandroana malagasy]] dia vintana fahefatra koa ny Asorotany ka ny zoron-trano atsimo-atsinana no toerana omena azy.
 
 
=== Alahasaty ===
Ny [[Alahasaty]] no vintana fahadimy amin'ny fanandroana manaraka ny [[zodiaka]]. Avy amin'ny anaran'[[Antokon-kintana|antokon-kintan']]<nowiki/>ny [[zodiaka]] amin'ny [[Fiteny arabo|teny arabo]] hoe اأسد / ''Al-Asad'' ("liona") ny hoe ''Alahasaty.'' Ny fotoan'ny Alahasaty ao amin'ny zodiaka mikisaka dia manomboka amin'ny 23 Jolay ka miafara amin'ny 22 Septambra. Ny fotoana andalovan'ny [[masoandro]] eo amin'ny [[Antokon-kintana|antokon-kintan]]'ny [[Alahasaty (antokon-kintana)|Alahasaty]] dia manomboka amin'ny 10 Aogositra ka miafara amin'ny 16 Septambra.

Ao amin'ny [[fanandroana malagasy]] dia vintana fahadimy koa ny Alahasaty ka ny tapany atsinanana amin'ny rindrin-trano atsimo no toerana omena azy.
 
 
=== Asombola ===
Ny [[Asombola]] no vintana fahenina amin'ny fanandroana manaraka ny [[zodiaka]]. Avy amin'ny anaran'[[Antokon-kintana|antokon-kintan']]<nowiki/>ny [[zodiaka]] amin'ny [[Fiteny arabo|teny arabo]] hoe السنبلة / ''As-Sumbul'' ("virjina") ny hoe ''Asombola.'' Ny Asombola ao amin'ny zodiaka mikisaka dia manomboka amin'ny 23 Septambra ka miafara amin'ny 22 Oktobra.

Ao amin'ny [[fanandroana malagasy]] dia vintana fahenina koa ny Asombola ka ny tapany andrefana amin'ny rindrin-trano atsimo no toerana omena azy.
 
 
=== Adimizana ===
Ny [[Adimizana]] no vintana fahafito amin'ny fanandroana manaraka ny [[zodiaka]]. Avy amin'ny anaran'[[Antokon-kintana|antokon-kintan']]<nowiki/>ny [[zodiaka]] amin'ny teny arabo hoe اميزان / ''Al-Mizan'' ("mizana") ny hoe ''Adimizana''. Ny fotoan'ny Adimizana ao amin'ny zodiaka mikisaka dia eo amin'ny 22 Septambra hatramin'ny 22 Oktobra. Ny fotoana andalovan'ny [[masoandro]] ao amin'ny fari-danitry ny antokon-kintana [[Adimizana (antokon-kintana)|Adimizana]] dia amin'ny 31 Oktobra hatramin'ny 22 Novambra. Ao amin'ny [[fanandroana malagasy]] dia vintana fahafito koa ny Adimizana ka ny zoron-trano atsimo-andrefana no toerana omena azy.
 
 
=== Alakarabo ===
Ny [[Alakarabo]] no vintana fahavalo amin'ny fanandroana manaraka ny [[zodiaka]]. Avy amin'ny anaran'[[Antokon-kintana|antokon-kintan']]<nowiki/>ny [[zodiaka]] amin'ny [[Fiteny arabo|teny arabo]] hoe اعقرب / ''Al-Akrab'' ("maingoka") ny hoe ''Alakarabo.'' Eo amin'ny 20 Novambra hatramin'ny 29 Novambra ny fotoana andalovan'ny masoandro ao amin'ny fari-danitry ny antokon-kintana [[Alakarabo (antokon-kintana)|Alakarabo]].

Ao amin'ny [[fanandroana malagasy]] dia vintana fahavalo koa izy ka ny tapany atsimo amin'ny rindrin-trano andrefana no toerana omena azy.
 
 
=== Alakaosy ===
Ny [[Alakaosy]] no vintana fahasivy amin'ny fanandroana manaraka ny [[zodiaka]]. Avy amin'ny anaran'[[Antokon-kintana|antokon-kintan']]<nowiki/>ny [[zodiaka]] amin'ny [[Fiteny arabo|teny arabo]] hoe اقوس / ''Al-Kaus'' ("mpitifitra tsipika") ny hoe ''Alakaosy.'' Amin'ny 22 Novambra hatramin'ny 21 Desambra ny fotoan'ny Alakaosy araka ny zodiaka mikisaka. Ny fotoana andalovan'ny [[masoandro]] ao amin'ny fari-danitry ny antokon-kintana [[Alakaosy (antokon-kintana)|Alakaosy]] dia amin'ny 18 Desambra hatramin'ny 18 Janoary.

Ao amin'ny [[fanandroana malagasy]] dia vintana fahasivy koa ny Alakaosy ka ny tapany avaratra amin'ny rindrin-trano andrefana no toerana omena azy.
 
 
=== Adijady ===
Ny [[Adijady]] no vintana fahafolo amin'ny fanandroana manaraka ny [[zodiaka]]. Avy amin'ny anaran'[[Antokon-kintana|antokon-kintan']]<nowiki/>ny [[zodiaka]] amin'ny [[Fiteny arabo|teny arabo]] hoe اجدي / ''Al-Djadi'' ("osilahy") ny hoe ''Adijady.'' Amin'ny 21 Desambra hatramin'ny 20 Janoary ny fotoan'ny Adijady ao amin'ny zodiaka mikisaka. Ny fotoana andalovan'ny [[masoandro]] ao amin'ny fari-danitry ny antokon-kintana [[Adijady (antokon-kintana)|Adijady]] dia eo amin'ny 19 Janoary hatramin'ny 15 Febroary.

Ao amin'ny [[fanandroana malagasy]] dia vintana fahafolo koa ny Adijady ka ny zoron-trano avaratra-andrefana no toerana omena azy.
 
 
=== Adalo ===
Ny [[Adalo]] dia vintana fahiraika ambin'ny folo amin'ny fanandroana manaraka ny [[zodiaka]]. Avy amin'ny anaran'[[Antokon-kintana|antokon-kintan']]<nowiki/>ny [[zodiaka]] amin'ny [[Fiteny arabo|teny arabo]] hoe ادلو / ''Al-Dalu'' ("mpandraraka rano") ny hoe ''Adalo.'' Amin'ny 21 Janoary hatramin'ny 18 Febroary ny fotoan'ny Adalo araka ny zodiaka mikisaka. Mandala eo amin'ny fari-danitry ny antokon-kintana [[Adalo (antokon-kintana)|Adalo]] ny [[masoandro]] amin'ny 16 Febroary hatramin'ny 11 Marsa. Ao amin'ny [[fanandroana malagasy]] dia vintana fahiraika ambin'ny folo koa ny Adalo ka ny tapany andrefana amin'ny rindrin-trano avaratra no toerana omena azy.
 
 
=== Alohotsy ===
Ny [[Alohotsy]] dia vintana faharoa ambin'ny folo amin'ny fanandroana manaraka ny [[zodiaka]]. Avy amin'ny anaran'[[Antokon-kintana|antokon-kintan']]<nowiki/>ny [[zodiaka]] amin'ny [[Fiteny arabo|teny arabo]] hoe الحوت / ''Al-Hut'' ("trondro") ny hoe ''Alohotsy.'' Amin'ny 20 Febroary hatramin'ny 20 Marsa ny fotoan'ny Alohotsy ao amin'ny zodiaka mikisaka. Ny fotoana andalovan'ny [[masoandro]] ao amin'ny antokon-kintana [[Alohotsy (antokon-kintana)|Alohotsy]] dia amin'ny 12 Marsa hatramin'ny 18 Avrily. Ao amin'ny [[fanandroana malagasy]] dia vintana faharoa ambin'ny folo koa ny Alohotsy ka ny tapany antsinana amin'ny rindrin-trano avaratra no toerana omena azy.