Lohataona: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
Nanampy
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
Nanampy sy nanisy rohy
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Andalana faha-1:
Ny '''lohataona''' no [[fizaran-taona]] voalohany amin'ny taona. Manomboka mitsiry sy maniry avokoa ireo zava-maniry nihintsina nandritra ny ririnina.
 
Raha zaraina efatra mitovymitovitovy ny taona iray dia izao: ao amin'ny ila-bolantany avaratra dia mahafaoka ny volana [[Martsa|Marsa]] sy [[Aprily|Avrily]] ary [[Mey]] ny lohataona fa ao amin'ny ila-bolantany atsimo kosa dia manambatra ny volana [[Septambra]] sy [[Oktobra]] ary [[Novambra]] izany.
 
'''Zava-miseho eo amin'ny natiora amin'ny lohataona'''
 
Mihavao ny [[Zavaboary|voary]]. Mitsonika ny [[Oram-panala|orampanala]]. Miakatra ny ranon-kazo. Mitsimoka na manomboka mamony ny ankamaroan'ny [[zavamaniry]]. Rakotra voninkazo ny toerana misy bozaka aman'ahitra.
 
Mifoha amin'ny torimasony ireo biby mpatory ririnina. Miverina ireo biby sy vorona mpifindra monina.
Andalana faha-11:
'''Asa sy fnkalazana fety amin'ny lohataona'''
 
Ao amin'ny [[tetiandro iraniana]] dia andro voalohany amin'ny taona ny andro voalohany amin'ny lohataona atao hoe ''Nuruz'' izay ankalazaina amin'ny 19 na 20 na 21 Marsa.
 
Ho an'ny [[Rosia|Rosiana]] dia ny 1 Marsa no andro voalohany amin'ny taona fa ho an'ny [[Aostralia|Aostraliana]] kosa dia ny 1 Septambra izany. Any [[Frantsa]] dia ny 20 na 21 nyno fanombohan'ny lohataona.
 
Manomboka amin'ny 1 Avrily ny lohataona any amin'ireo [[Sina|Sinoa]] izay fotoam-pamafazana.
 
Ny [[tetiandro seltika]] dia manomboka ny lohataona amin'ny 1 Febroary izay ankalazana ny fety atao h''oe Imbolc'' (vakina hoe: imbolg).
 
Ny Sindy (mponina any [[India]]) dia mankalaza ny taom-baovao amin'ny fiandohan'ny lohataona. Amin'ny 20 na 21 Marsa ny any India sy [[Nepal|Nepaly]] no mankalaza ny [[fetin'ny loko]].
 
Ny [[Japana|Japoney]] koa dia mankalaza ny atao hoe ''Setsubun'' izay fetim-pirenena ho an'ny fiavian'ny lohataona araka ny tetiandro manara-bolana.
 
Amin'ny lohataona no ankalazan'ny Tamoly ny ''Puthandu'', ankalazan'ny [[Tailandy|Tailandey]] ny ''Songkran'', ankalazan'ny [[Birmania|Birmana]] ny ''Thingyan''.
 
Ny [[Taom-baovao malagasy|taom-baovao malagasy]] dia ankalazaina amin'ny fiantpmbohan'ny lohataona amin'ny volana Septambra, ho an'ny Malagasy sasany, amin'ny maha fizaran-taona voalohany azy. Ny hafa kosa dia mihazona ny [[Alahamady]] izay heveriny fa amin'ny fotoan'ny [[fararano]] amin'ny volana Marsa na Avrily manakaiky ny 21 Marsa.
 
Ny fankalazana ny fiandohan'ny lohataona dia misy milaza fa natao tamin'ny faritra maro teto Madagasikara, ka [[Volambita]], araka ny anaram-bolana malagasy avy amin'ny [[Fiteny sanskrity|teny sanskrita]], no fiantsoana izany volana izany.
 
== Jereo koa: ==